Risara Baomba no fahavalom-bahoaka

Tsy hitsahatra velively ny tolon’ny Malagasy mpandala ny ara-dalàna. Hita tokoa mantsy tato ato fa tsy mitsahatra mandaiga ny FAT , no lazainy fa neken’ny SADC ny sori-dalan’i Simao, manginy fotsiny ireo lainga hafafy isan’andro .

Ny EMMOREG dia nisambotra olona 9 nadritra ny rodobe. Ny fiampagana azy ireo dia ny filaharana tsy nahazahoan-dalana, fanimbanana entam-bahoaka satria simba, moron’ny zaridaina, fanakorotanana ny fandriampahalemana ary faniratsirana mpitandro ny filaminana.

Raha ireo no jerena dia hita fa miteniteny foana ny EMMOREG sy ny fitsarana satria nilahatra am-pilaminana ny olona fa ny EMMOREG no tonga dia nandefa baomba madatsa-dranomasosy mampikohaka.

Ny filohan’ny EMMOREG ity dia ny lehiben’ny zandarimeria ny kolonely tonga jeneraly risara baomba. Manao politika ity lehiben’ny EMMOREG ity ary tia manedrikendrika olona, sy misambotra olona matetika. Hitany ao anatiny 24 ora foana izay mpametraka baomba rehetra, fa tsy mbola nahasaka ireo jiolahy mirogantra eto Antananarivo izy ion a dia indray mandeha izany, Milaza izany fa ao ny sinema ary mety izy ihany no manao ireny baomba baomba ireny.

Rehefa nilahatra ny vahoaka teny Anosy t@ fitsarana an’ Fetison dia nanala-baraka tena teny ity jeneraly ity,.indroa izy no nanao izay ary vao farany teo teny Anosy dia mbola nanao ihany koa, ka ny mampitahotra olona sy misambotra no fanaony izany..

Io jeneraly io ihany no nanafika ny FIGN ary nandripaka ireo vahoaka. Isaiky ny milahatra ny vahoaka dia ny jeneraly risara ravalomanana antsoina hoe “baomba” no mandefa baomba madatsa-dranomaso ary indraindray aza dia mitifitra @ bala teny izy mihitsy izy ity….

Leo ny fampitahorana, ny habibiana, ary ny fanaovan’ity zandary politika ny vahoaka ka noho izany dia hiaraka hirohotra ho any an-tranon’ity fahavalom-bahoaka ity ny isika rehetra. Aoka isika mpitolona ahafantatra daholo ny trano misy ity jeneraly ity ary hilaza  @ vady aman-janany fa olona mpamono olona sy fahavalom-pirenena ity rainy ka mampanjaka ny frantsay.

Tsy maintsy hitety ny tranom-pianakavian’ireo fahavalom-bahoaka ny RODOBE ka ny jeneraly ravalomanana no voalohany @ izany, ny trano fonenan’ny kolonely andry rakotondrazaka, ny trano foenan’i raharinaivo  andrianatoandro. ary ny jeneraly rasoloson Dolin.

Tsy hilefitra ny tolona ary ahafantatra tsara ny tena fahavalon’ny vahoaka ary aoka samy hazava amintsika rehetra izany.

Ry vahoaka Malagasy fantaro hoe aiza avy ireo mpampihorohoro no mipetraka fa efa ho tonga ity ny farany ka samy hijinja ny nafafiny ny tsirairay. Ny voalohany @ izany dia ny jeneraly risara ravalomanana,izay tena misongandina @ faha-dombon’ny sainy. Avy eo Ambohibao, hono izy, ho any Akorondrano dia any @ digue no lalany, ary satria hono manana “megaphone” ny mpianatra dia noho izany misy mpanao ploitika naniraka sy nanome vola azy hividinany izany fanamafisam-peo izany.

Izany no jeneraly FAT, tsy manana niveau CEPE akory tsy mahay afa-tsy ny milanja basy .

 

TANJONA VOALOHANY : JENERALY RISARA BAOMBA

5 pensées sur “Risara Baomba no fahavalom-bahoaka”

  1. Marina ny teninao ry Lazalazao!
    Ho any isika dia ho hitany eo izany ato hoe fijaliana ara-tsaina izany! Ny antsika aza miaraka amin’ny ara-batana, nohon’ny gaz lacrymogène alefan’io tsy matahotody io foana!

  2. efa mercenaire anie zao reo fa tsy tafi-bahoaka intsony e,aza atao mahagaga fa raha olona misaina izy tsy manaonao foana sy miteniteny foana tahaka ireny.lanjaina fotsiny io grady io fa tsy hay ny hasiny sy ny voninahiny ary ny toerany.rehefa zandary angamba de tsy mba mijaly sy miaina krizy ka,sady toa lasa mafibe fa milanja basy isan’andro moa,de horohoroana daholo zay tsy mitovy hevitra amin’ny tena,de dakana ze manakanakan-dalàna,de gadraina ze lehibebe mety ho atahorana.azy hono ny fahefana e,azy ny hery ,azy ny basy,izy no tompon’ny era rehetra ka mpanakorontana ny fahitany zay tsy faly amin’ny ataony.asa maninona ny mpanao fihetsiketsehana raha homena toerana malalaka hanehoany hevitra de tsy milahatra an-dalam-be izy amin’izay e?

  3. Izy sy ny fianakaviany aloha dia tsy hiandry ny rodobe ao an-tranony fa iny ry zareo no tsy hita, fa izao no atao: ilay ao am-piangonana iny izy mianakavy no hampahafantarina azy ny fampahoriany ny vahoaka, ary maninona moa ilay mpitandrina na mompera na… no tsy mba mandray andraikitra mananatra azy e! sa … matahotra? Ka basy tokoa ve moa!!! saingy izao risara a! misy farany ny zavatra rehetra, ary mahita anao sy ny ataonao izao Andriamanitra izao, raha izaho ianao dia mibebaka haingana aho.

  4. Tsy dia mino firy aho hoe Andriamanitra dia hanove ani risara baomba, satria hoan’ny tsirairay ny finoana ary tsy hitondra vokany eto @ tolona sy ny politika. Na izany aza anefa dia izao mino, izay hinoana ihany no handresy, ka ny rodobe dia mino fa hanome fihetsehim-poary mety ho tahotramihitsy aza an’ity jiolamboto ity. Hoy indray mantsy izy hoe aleo hono i Zafy tonga ireny any aminy raha manan-kamba. maninona anefa raha izy no tonga ireny any @ vahoaka tsy mitondra miaramila. Na izany na tsy izany dia aoka samy ho tonga @ rodoba makany an-tranon’i risara baomba daholo iska ha marihina sy saratana tsara ny toerana sy ny adiresy misy ilay trano. dia alaina sary avokoa ny manodidina mba hamparitaka ho fantatry ny rehetra. .
    Fehiny: aza hadino ny manoratra ny toerana misy an’i risara baomba sy ny mitondra fankan-tsry na camera.

  5. Witaj Smoku.Troszkc499 sic499 wczytac582em w Twojego bloga. Jest tego duc5bco, bo kilka lat z Twojego c5bcycia ale to brzado ciekawa lektura. Czasami przez przypadek trafi sic499 na coc59b brzado fajnego.Trudno mi teraz cokolwiek napisac487 ale chciac582bym Ci napisac487 jedno! (Bloga nie prowadzc499 i pisanie tak sobie mi wychodzi)Podobnie jak Ty miac582em sc582aboc59bc487 do mc582odych chc582opakc3b3w (obecnie mam 33 lata). Ale sparzyc582em sic499 na tym brzado mocno. Zostac582em okradziony. Miac582em wiele problemc3b3w. I to sic499 zmienic582o. Mam teraz faceta o 2 lata starszego ode mnie. Jest cudowny i nie wyobrac5bcam sobie c5bcycia bez niego. A jeszcze 2 lata temu nawet bym na niego nie spojrzac582. Wic499c chciac582em Cic499 zapewnic487 o jednym tak jak z hetero moc5bcna stac487 sic499 gejem tak moc5bcna tec5bc po otrzymaniu zimnego prysznica zmienic487 poglc485dy na wiek partnera. Ciac582o owszem, ale to coc59b co tchwi gdziec59b w gc582c499bi czc582owieka jest chyba wac5bcniejsze a tego niczym nie da sic499 zastc485pic487 i c5bcaden nastolatek Ci tego nie da. Rc3b3c5bcnica wieku do niczego dobrego nie prowadzi zwc582aszcza jec59bli chodzi o mac582olatc3b3w teraz to wiem i co wac5bcniejsze rozumiem. c5bbac582ujc499 teraz tych straconych lat. Lat kiedy biegac582em za nastolatkami zac59blepiony tym wszystkim. Przegapic582em coc59b czego juc5bc nigdy nie odzyskam ale co na szczc499c59bcie jeszcze udac582o mi sic499 zc582apac487.Ale to widzisz takie moje c5bcyciowe doc59bwiadczenia. Moc5bce z Tobc485 bc499dzie inaczej? W kac5bcdym bc485dc5ba razie jec59bli chciac582byc59b o tym pogadac487 to mc3b3j adres masz.Rc3b3wny z Ciebie goc59bc487 .Pozdrawiam i chyba bc499dc499 tu czc499stym goc59bciem jec59bli pozwolisz.Michac582.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *