Rodobe : andro lehibe rahampitso 18 may 2011

magro 17 may 11 (7)

Daty  manantantara ho an’ny  tolon’ny ankolafy telo sy ireo mpiara-dia aminy, mivondrona amin’ny « rodoben’ny Malagasy hoan’ny Tanindrazana » ny 18 may 2011,  izany no nivoitra tamin’ny kabary rehetra teto amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka.Ireto entinay aminao ireto ny  tatitra fohy ny kabary teny an-kianja :

Manoela : rahampitso no hampisehoan’i Madagasikara fa tsy mety aminy  intsony i Andry RAJOELINA, hivoaka ny kianja ka hamonjy an’Anosy,  haneho hevitra isika rahampitso hoy izy.

Diana : tsy hilalao no nahatongavanay maro avy any amin’ny faritra eto. Manohana ny rodobe izay handrodanana ny FAT rahampitso, hametrahana ny tetezamita tena izy. “Ataovy anabo ny moraly e !” hoy ny hiakany.

Toamasina : mbola solon-tena izahay ireto fa misy mbola ho avy rahalina ary misy solon-tenan’ny mpitrandranka vatosoa hanampy antsika satria dia lasa ny tafikin’ny jadona ny vokatra azony.

Any Toamasina dia potika ary ripaka ny harem-pirenena ary gadragadraina ny vahoaka mandinika mba miasa amin’ny fitrandrahana. Toamasina dia mitaky andro aman’alina ny fiverenana ireo filoha roalahy sy ny governemanta tena izy.

Mahajanga : mihamafy foana ny fiainana, miampy kolikoly ary ny tsy fandriampalemana. Tsy ekenay ny fanaovana fifidianana tsy voahomana ary tsy ekeny ny rehetra izany. Ny PHAT no mitondra izany rehetra izany ka miala io. Fahamarinana ihany no mampivoaka amin’ny krizy. Avoaka ny gadra ary miverina ny sesin-tany.

Ramy : vonona ny mpianatra eny Ankatso. Tsy avela miditra mianatra ny mpianatra nefa misy ampahany efa mianatra fa ny maro an’isa mbola tsy miditra. Tompon’andraikitra mpandainga ny ministra satria nilaza izy fa efa vonona ny vola ary te hanamarina izany tany Tsimbazaza ny mpianatra nefa dia nasian’ny miaramila barazy ka dia raikitra ny sakoroka.

Toliara : 18 mey dia midika foko 18, ny volana mey dia midika Madagasikara antsika jiaby. Raikitra ny rodobe manomboaka rahampitso ary mandeha tsikelikely mamonjy any Antananarivo i Toliary.

Ronstand : Ny tsy fanomezana “amnistie” an’i Ravalomanana sy ny momba azy no mampisy krizy eto ry Voninahitsy.

Zafilahy : ela ny ela fa tahaka ny andro sabotsy ny andro talata. Misokatra ho azy ho any ny vahoaka io RNM sy TVM io rehefa marobe ny vahoaka. Fenoy Anosy rahampitso hoy izy.

Tany Lafrantsa ary ialahy voadaka vody ka any Afrika Atsimo indray ve no nahazo avara-patana ? Ny ara-dalana ihany no fantatry ny rehetra.

Ignace : hirodobe tokoa rahampitso fa tsy hitsaitsaika. Ampy ihany koa ny daroka alika tsy miala vola fa mamaly isika.

Tabera : ny 18 may dia “preuve par 9”izay  midika “0”, zero I Rajoelina, nalaky nody avy any Afrika Atsimo ary tsy tamana tany Lafrantsa. Loza mihantra ny 20 mey ho any ny FAT. Mizara asa isika rahampitso : isika any Anosy ary ny tafika mamoaka ny namay any am-ponja. Kanosa ianareo raha mbola izahay no darofanareo.

Jean Louis Rakotoamboa : efa milamina ny hetsika ka miroso isika manomboaka rahampitso, tsy mihembotra intsony io. Jiolahy politika no hifanehatra amintsika koa mila mailo.

Ireto no komity mpandamina : Tabera, Elakovelo, Guy Maxime, Marthe, Zafilahy, Olivier Rakotovazaha, Charles Clément, Mektoub, Manoela, senatera Robert, Ruffine, Rodin, Miandrisoa, Julien, Yolande sy Désiré.

“Acte politique” no ataonay rahampitso ka tsy misy idiranareo miaramila.

Mektoub : loza ho an’ireo milaza namana nefa mbola hamela antsika ho irery rahampitso. Andron’ny fandresena sy fahamarinana rahampitso io.

Elakovelo : tsy miady aman’olona isika, tsy mamotika ihany koa ka tokony tsy mampiasa basy ianareo miaramila fa raha hampiasa dia atodio any amin’I Andry sy ny FAT. Fialan’i Andry ihany no anay. Izao tontolo izao no tsy mihaino azy ka aza mifanohitra aminay. Fitondrana “banditisme” no misy ka aoka ianareo hangiana. Rajoelina miala “sans conditions” no ilaina.

Guy Maxime : Demi finale androany ary finale rahampitso. 90 minitra dia vita ny lalao fa tsy misy penality hoy izy. Famahana ny jadona rehetra manomboaka rahampitso. Hiaraka amintsika ny mpianatra eny Ankatso ary efa misy olona mikarakara ny famoahana ny “zone franche” ; ho maro an’isa  isika ka misy miala ao Ambatobe. Efa nisy ny mora rehetra fa miala moramora sisa.

Antso avo ho anareo Emmoreg, avelao izahay haneho ankalalahana eny fa na ny lalampanorenena kitoatonareo aza milaza izany.

Manandafy : efa nahazo zavatra maro tamin’ny SADC isika ary hivory ireo. Antsika manomboaka rahampitso no mandresy lahatra ny rehetra indrindra fa ny SADC fa tsy mety izao ary tsy ilaina i Rajoelina ka vonona hanolo azy isika.

 

 

7 pensées sur “Rodobe : andro lehibe rahampitso 18 may 2011”

  1. efa 2 taona mahery no niandry anao ra _malagasy
    efa 2 taona mahery i tg vongany fotsiny
    tsy manenina ve ianareo izay nanampy azy hanongam-panjakana e ?
    efa 2 taona mahery, dia maizina isan-andro, isan-ora ny toe-tsaina mpitondra sy ny vahoaka hoentina;
    Manantena farany fa ho tonga maro amin’ny Rodobe fa raha latsaka ny olona arivo dia izay no vita, tapi-dala-kaleha ny rariny, aleo haka diplome ho jiolahy daholo.

  2. TSARA! Ce sont les BONNES DÉCISIONS et les VICTOIRES QUI FONT LES LIEUX ET LES DATES!
    QUE CE 18 Mai 2011 reste dans l’histoire de notre île INDÉPENDANTE et VOLONTARISTE!
    Que Dieu nous garde, et que nos Ancêtres nous assistent!
    COURAGE! C’EST BIEN DE TAPER DU POING SUR LA TABLE!

  3. Alefa ry havako isany ô:
    – vahoaka anti-HAT tsy manaiky ny jadona, fikorosoham-pahanan’ny fiainana sy toe-tsaina maha-olona, ny halatra isan-tsokajiny, miaramilam-pamoretana, ary famiravirana ain’olona etsy sy eroa
    – mpianatra tsy zakan’ny fanjakana intsony, fa lanin-dry zareo any amin’ny sidintsidina etsy sy eroa ny hetra alaina aminay vahoaka olon-tsotra
    – banky foibe fehezina tsy hanara-dalàna, hahazahoana manodikodinana sy manamboamboatra ny fiditra sy fivoakan’ny tahirim-bolam-pirenena

  4. FANAMBARANA GTT SAMPANA TOAMASINA( Faritra Atsinanana, Alaotra-Mangoro, Analanjirofo)
    par Gtt Toamasina, mardi 17 mai 2011, 18:49
    Noho ny fahatsapana fa :
    -mitohy hatrany ny famafazana lainga ataon’i Andry Rajoelina
    sy ny forongony,
    – latsaka an-katerena tanteraka ny fiainan’ny Malagasy
    hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana ny 17 marsa 2009,
    -tsy mahatapak’ahitra mihitsy izao fitondrana FAT izao ka
    miseho lany ireo olana isan-karazany eo amin’ny sampandraharaham-pankajana maro
    samihafa.

    Izahay tanora aty Toamasina mivondrona ao anatin’ny GTT sampana Toamasina diamitaky tsy misy hatak’andro ny fialan’i Andry Rajoelina eo amin’ny fitondrana.

    Natao teto Toamasina androany 17 mey 2011

    Ny filohan’ny GTT Toamasina
    NDIAMAHAZO Imbinizafinirigny Mickaelys

    Ny mpandrindra iraisam-paritra
    ZOMA Clérant

  5. Mankahery anareo any Toamasina. Manao antso avo aminareo any koa mba hiverina hirohotra eny amin’ny kianjan’ny Lycée Technique hanohitra ny jadona ataon’i Rajoelina.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *