Rodobe : tafita tamin’ny « kely maso » ny hafatra !

Fanaterana taratasy teny  amin'ny Masoivoho Sinoa (17)

Tafapetraka soa aman-tsara ilay taratasy fitarainana nataon’ny « Rodobe » tetsy amin’ny Masoivohon’ny Sina io tolakandro io.

Ampangain’ny rodobe ho namatsy fitaovam-piadiana mahery vaika hamoretana ny vahoaka maneho hevitra ny Sinoa koa izay no hevitr’ity « rodobe » tetsy Nanisana ity.

Raha ny hita teny an-toerana dia toa modian’ny « kely maso » tsy hita ihany izany, tsy nampidirina teo an-tokontany akory ny solon-tenan’ny vahoaka fa vitan’ny teo am-bavahady , « tsy nahazo avara-patana fa dia vitan’ny kabary ambony vavahady ihany ».Tsy mahagaga lotra izany fihetsika ataon’ny Masoivoho Sinoa izany, fantatra manko fa isan’ny mahazo tombotsoa be dia be amin’izao fitondran’ny FAT izao ny Sinoa, raha tsy hiteny afa-tsy ny « Wisco Soalala » ary izy ireo ihany koa no fantatra fa nikonokonona ilay fitsangatsanganana nataon’i Andry Rajoelina tatsy Angola, izay mamofompofona fiaraha-miasa maizimaizina indray.

3 pensées sur “Rodobe : tafita tamin’ny « kely maso » ny hafatra !”

  1. Miaramila tsy manao pôlitika « hono » !! Efa hatry ny ela, izay no mbetin-dresaka !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *