Rodobe : « Ultimatum 48 heures »

mago 16 mey 11 (21) copy

Mbola mitohy toy ny isanandro ihany ny fivoriana etsy amin’ny kianjan’ny finoana .

Nandray fitenenana tamin’izany i Pastora  Edouard ka nambarany teto fa tsy nety ny propagandin’i Andry Rajoelina tany an-kianja, tsy nisy tanteraka izay nolazainy ary ilay fankatoavana iraisam-pirenena tsy nilaina nanjary angatahana.Ary ho an’ireo lasa naman’ny FAT  izay nilaza fa ao no afaka mamerina an-dRavalomanana, hoy ihany izy, dia efa nomena fotoana ianareo koa miala miaraka amin’ny FAT ianareo rehetra hoy ihany izy.

Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno, Filohan’ny fikambanamben’ny Ben’ny tanàna eto Madagasikara ihany koa dia nilaza fa “quart de finale” androany, rahampitso “demi finale” ary amin’ny Alarobia izao ny “finale” hoy izy.

Mikorontana, miditra an-davaka ary miafina ny foza. Be loatra ny zavatra nitondra loza nataon’i Andry teto, hoy ihany izy ka tsy mendrika ny hitondra intsony izy ary na ny hilatsaka ho kandida aza tsy mendrika azy akory. Nahavita ny azy ny firenena maro ka isika ve dia ambaka ireny ? Fotoana izao amin’ny fikambanana sy firaisankina hanalantsika an-dry Andry sy ny forongony rehetra hoy ny mpandahateny. Amin’ny18 may  dia i Zafy no hitarika ny rodobe ; ka ny dingana voalohany : miala i Andry, ny dingana faharoa : miverina ny filoha roalahy ;  ny dingana fahatelo : mivoaka ny gadra ka ny FAT indray no miditra any ; dingana fahaefatra : mipetraka ny tetezamita tena izy ary miroso amin’ny fampihavanana, koa raha mety amintsika izany dia tongana manohana ny 18 mey, hoy izy .

Nambarany ihany koa tamin’ny kabariny fa tsy leo midona amin’ny rindrina i Andry ka na nilaza aza izy fa  tsy hisy ny  fihaonana amin’ny Filoha telo mirahalahy teo aloha dia niteny azy I Alain Juppé fa tsy maintsy miresaka amin’izy ireo  I Andry.

Koa noho izany dia nanome fehim-potoana roa andro na 48 ora ny  mpiasam-panjakana  izy ary niantso ny mpianatra eny Ankatso hamonjy na hiara-dalana hamondrona ny hery mba hanalana ireto mpanongam-panjakana ireto.

Araka izany àry dia etsy Anosy ny fotoan-dehibe  ny Alarobia 18 may, manala FAT isika amin’io ary mametraka ny ara-dalàna ka rahampitso no fantatra ny ora,  tsy fotoan’ny fisahalasalana intsony izao hoy izy.

Ny Depiote Zafilahy indray kosa dia nampahatsiahy ny vahoaka  ny mba tsy hamelana hamotehan’ny mpanongam-panjakana ny firenena. Lavitry ny habetsahan’ny olona nitsena ny Filoha Ravalomanana ny 19 febroary lasa teo ny teny Ivato omaly na dia nomena fiara, t-shirt sy vola aza ny mpitsena. Midika izany hoy ihany izy  fa tsy ilain’ny Malagasy intsony i Andry ka anjaranareo SADC sisa.

Namaly bontana ny tenin’I Andry izy teto ka hoy izy hoe:”Raha tsy hidinika intsony,  maninona raha tonga dia entina  fa tsy  mivezivezy eran-tany intsony ? Malalaka daholo eto ny rehetra hoy ianao nefa dia ny mifanohitra amin’izany no mitranga ary navoakan’ny “ amnistie internationale ” sy ny amerikana ny tsy fanajana ny zon’olombelona sy ny tsy fisian’ny fahalalahana maneho hevitra eto. Mivory ihany koa izao ny UE , ACP fa ny Malagasy ihany no matory, variana ampandihizin’i Andry.

Koa dia hifampitaona rahampitso indray izany ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana .

 

6 pensées sur “Rodobe : « Ultimatum 48 heures »”

  1. IZAO MIHINTSY NO TSARA SY METY , TSY MIANDRY IZAY ATON’NY SADC IZANY FA DIA RAHAMPITSO IZANY ARY ANDRIAMANITRA HOMBA NY LALANAREO , MINOA FOTSINY IHANY

  2. Ireo ve zany sisa no atao hoe: vahoaka Malagasy????? kianja kely etsy behoririka aza tsy feno akory! atsaharo io oa fa lany andro sy lanin’ny masoandro eo fotsiny!

  3. Marina ny anao rama !
    Ampiako hoe : Tsara ny kabary fa ny mandray anjara amin’ny Hetsika RODOBE mbola tsara lavitra !

  4. ande hanakorontana ny filaminambahoaka indray de rehefa migadra de hoe avoay ny gadra polotika
    f’anga tsy heno ra ao @ magro ihany no maneho, hevitra fa tsy hanohintohina ny filaminambahoaka indray eee!!!!!

  5. Mandehana haingana mamonjy MPIANDRY fa tena nidiran’ny FOZAORANA ianao ry peuple malgache sy traffe a , sao dia diso be loatra ny foza laninareo ka lasa mitorina tsy mahita intsony fa sady jamba no marenina S.O.S. Vonjeo e

  6. Mety dia mety ny ity filazàna tao amin’ny kabary ity :
    ……… »i Zafy no hitarika ny rodobe ; ka ny dingana voalohany : miala i Andry, ny dingana faharoa : miverina ny filoha roalahy ; ny dingana fahatelo : mivoaka ny gadra ka ny FAT indray no miditra any ; dingana fahaefatra : mipetraka ny tetezamita tena izy ary miroso amin’ny fampihavanana, koa raha mety amintsika izany dia tongana manohana ny 18 mey, hoy izy . »
    Fa TANDREMO :

    Aoka tsy hisy izany Referendum hoe Regime Federal sy Regime unique izany !Mbola fizarazaràna indray izany !

    Madagasikara dia IRAY TSY MIVAKY !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *