Rodoben’ny Pr Zafy Albert : « Tetezamita madio tsy misy mpangalatra no hatsangana eto » – 07 mai 11

Conf Press Pr Zafy 07 mai 11 (38)

Taorian’ny 03 febroary,  nivoaka tamin’ny fahanginany indray ny filoha Zafy Albert, nitafa tamin’ny mpanao gazety io maraina io tetsy amin’ny Motel Anosy.

« Tetezamita madio tsy misy mpangalatra no hatsangana eto », tena ifampierana sy tena eken’ny besinimaro.Nomarihan’ny « prof » fa tsy misy foto-dalana ijoroana intsony ny FAT (vide juridique) azo atao ny manangana fitondrana araka ny mety amintsika hoy izy.Zero tsy misy lanjany ilay lalam-panorenana feno hosoka nataon’I Andry Rajoelina, tsy nisy nifidy an’iny izany teto hoy I Zafy,  Repoblika fahaefatra tsy miorina tsara ihany koa no nohamasinin’i Andry Rajoelina teny Iavoloha..Mendrika ho saziana mafy satria misoloky toerana i Andry Rajoelina hoy ny Profesora Zafy.

Nandefa hafatra hoan’ny Tafika Malagasy koa izy.Hiangaviana ny Emmoreg hanakatona an’I Tsimbazaza, sy ny Palais de Verre etsy Anosy fa tsy ara-dalana ireo, toy izany koa ny minisitra ireo.Ny sekretera Jeneralin’ny minisitera no aoka hitantana vonjimaika mandram-pitsangan’ny tetezamita eken’ny rehetra.Avelao ny vahoaka hampiseho ny heviny tsy misy fampiasan-kery,  aleo halalaka ny fanehoan-kevitra ka tsy mila mangataka alalana amin’ny Prefet de police sy Emmoreg  izany ny fanehoan-kevitra hoy ny filoha Zafy Albert.Tsy azo andatsahana lakrymozena ny vahoaka, ho avy eto Antananarivo daholo manko ny vahoaka eran’ny Madagasikara tsy manaiky ny fitondran’I Andry Rajoelina alohan’io daty 20 mai  2011 io haneho ny heviny.

Hoanareo miaramila sy polisy, hoy ny filoha Zafy Albert, olom-pirenena eo anivon’ny vahoaka ianareo; ianareo no tandroka aron’ny vozona ka tsy tsara aminareo ny “mi-cautionner” na miandany manohana izao tsy fetezan-javatra sy fandetehana ny firenena izao.

Ankoatra io dia teraka nanomboka androany ny Rodoben’ny Malagasy hoan’ny Tanindrazana ka ny Profesora Zafy no mitarika izany.Ivondronan’ny ankolafy, vondrona politika, antoko politika, fikambanana samihafa, sendika, ampanjaka, tangalamena, sojabe, raiamandreny, olobe, olom-pirenena tsotra .Ny tanjona amin’ny RODOBE dia ny hametrahana ny Tetezamita tena izy : tena ifampierana sy tena eken’ny besinimaro hiverenana amin’ny fanjakana mifototra amin’ny ara-dalana.

 

7 pensées sur “Rodoben’ny Pr Zafy Albert : « Tetezamita madio tsy misy mpangalatra no hatsangana eto » – 07 mai 11”


  1. Tena misy fanavakavahanam-bolokoditra, fa R’i Rakotoarivelo sy Fetison, raha vaoa AHIANA fotsiny dia efa lasa atao mandat de depot, ary migadra mihitsy aza. Ny vady aman-janaka manaraka koa !

    Tena miaraka amin’ni Pr Albert Zafy aho , hanala an’i TGV eo amin’ny Fitondràna, fa raha tsy levona koa ity fanavakavahana ity, dia ho velona hatrany ny fividianana miaramila Capsat.

    Hoy Manandafy : Manadalo amin’ny raharaha miaramila ny raharaha, ka vao novidian’i FAT ny CAPSAT, mazava izany fa misy andia-miaramila hifanatrika amin’ireo voavidy hanohana an’i FAT.

    Avelao handeha amin’izany, fa ny vahoaka efa mongo sy matimaty foana tsy amin’ny antony, nefa ny CAPSAT mandeha mangalatra sy manakana Taxi-brousse no anton-draharaha !
    Miantso ny vahoaka hanao RODOBE ! Fa efa eo ny Mpitarika nadrasana !
    Avoay ny afisy miapanga ny FAT ary manosika ny fifidianana ny Prezida Ravalomanana, fa ny tao-trano tsy efan’irery e !

  2. Tsara ny anao r’i Njara, fa dia toa ianao irery no nanome tohiny ity resaka GOAVANA ity ?
    Mampalahelo !

  3. Itony kabarin’i Pr Albert ZAFY itony ahay ka tena kabary, fa tsy wawawa !

    – Mahasahy mamely ny fitondràna HAT
    – Mahasahy milaza mivantana fa tsy misy dikany intsony ny HAT

    Mahasahy miantsy ny fiverenan’ny miaramila eo ambanin’ny Fitondràm-panjakàna !

    -Tsy misy wawawa amin’ny fampatokisana isan-karazany, fa

    MIANTSO HANAO RODOBE handrodana ny fitondràna tsy ara-dalàna !
    Dia miandry izay tohiny alohan’ny 20 Mai izahay vahoaka, na eo i Dada na tsy eo !
    Ny fialàn’i Hat no ilainay !

  4. Azafady re e !


    Miangavy mba hanao affiche daholo.

    Na amin’ny Taratasy 21x 27 aza dia efa izy.

    Raikitra ny RODOBE, nandrasana hatry ny ela, antsika rehetra no manatanteraka.
    Tsy hisy toy izao intsony !

  5. Enga anie ka tsy ho bla bla intsony ity fa tena efa leo e! aok’izay,tokony hitambatra amin’io hetsika io Ankatso ary tsy tokony hihemotra intsony isika, aiza ny MFM, tsy misy afa-tsy isika ihany no afaka hanavotra ny firenena ary tsy tokony hanao négociations izany intsony e! tsy efa ampy ve izay 2 taona izay, fafy lainga foana nefa aiza, ry FAT voky tampona, ary isika, ampiesonina isan’andro eto! tongava saina, sahia ary mivonona amin’izay.

  6. Marina mitsy ny anao ry Manjaka ? Leo bla bla ny olona, hetsika goavana no andrasana fa tsy resabe ambony latabatra fotsiny , ela loatra , lava lotra, efa mpotika tanteraka ny tanindrazana

  7. Por naturaleza, he vodtao a centroderecha o centro izquierda, en funcion de lo que personalmente creda que era mejor para mi pais, por ello he vodtao CiU, PSC, PP, UCD.hasta ahora nunca necesite9 plantearme si era solo catale1n o un mestizo catale1m-charnego.El Sr. Mas me ha puesto en la disyuntiva de escoger entre uno u otro, y por ello, vista la experiencia de su partido como governante, me tendre9 que decidir ser mestizo catale1n-charnego y pensar que mas me conviene, los iluminados o los oragmaticos.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *