Rodoben’ny vehivavy tetsy Ambatomena !26 mai 11

Asa na noho ny maha toka-tena ny Masoivoho Frantsay, Jean Marc Chataigner, na kisendrasendra fotsiny ihany, na koa niniana natao mihitsy, fa dia notangoronan’ny vehivavin’ny « Rodobe » ny lehilahy io hariva io tetsy Ambatomena : ny senatera Ruffine Tsiranana sy Ihanta Randriamandranto no nitarika ny delegasiona tao.

Noraisin’ny masoivoho izy tenany mihitsy izahay, na dia tsy nisy arofenitra toy inona aza hoy ny zanaka vavin’ny filoham-pirenena teo aloha, ary dia nilaza izy fa « adin’ny samy Malagasy  » no mitranga eto koa dia tsy misy hidirany firy.

Mampametram-panontaniana ihany anefa ny fahamarinan’izany fanambarany izany raha ny fahitana ny fitsabatsabahan’ny LaFrantsa amin’ny raharaha tokantranon’ i Malagasy no jerena, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fampiantranoana an’i Andry Rajoelina tao amin’ny masoivoho Frantsay tamin’ireny fanonganam-panjakana ireny.

 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *