Iza no tompon’andraikitra mahefa eny Ankatso e?

IMAG0070

Na dia tsy mbola nisy fifandonana mivantana aza teo amin’ireo mpitandro filaminana andaniny, ny mpiantra  te hianatra  ankilany, dia hita fa mifampiandriandry be ihany ny roa tonta.

Vao maraina dia efa nifanao fotoana ireo mpianatra ary saika nahitana solontenan’ny sampam-pianarana rehetra eny anivon’ny anjery manontolo, ankoatra ny sampana agronomia,  nanatevin-daharana ny fitakiana.Nobahanan’izy ireo ny vavahady fidirana eny Ankatso, tsy navelan’izy ireo hanohy ny asa ny mpandraharaha , nidina teny amin’ny fiantsonan’ny taxibe 119 mihitsy izy ireo hampiseho hery.Teo anefa dia niditra nampitandrina azy ireo ny Emmoreg ny tsy hivoahan’izy ireo ny faritry ny oniversité.

Nilaza ny mbola hanohy ny fitakiana hatrany ireto mpianatra ireto mandra-mpivalin’ny fangatahany.

Ny mpianatra  izay nanome fe potoana 16 mai izao no tokony hanombohan’ny fampianarana, mikoropaka araka izany ny minisitra FAT koa dia manome toky fa hivoaka tsy ho ela ny calandrier.Ny SECES kosa anefa etsy an-daniny dia manamafy fa tsy hihemotra mihitsy izy ireo  raha tsy mivaly ny fangatahany.

Hatreto izany dia mbola ankamantatra ny ho tohin’ity raharaham-pampianarana ambony ity.Mampametram-panontaniana hatrany manko fa toa angady tsy mahatapak’ahitra hatrany ny minisitra FAT, na ilay vao niala farany teo na ity vaovao ity.Iza marina no tena tompon’andraikitra mahefa eny Ankatso e?

 

 

1 pensée sur “Iza no tompon’andraikitra mahefa eny Ankatso e?”

  1. Tsy sasatra aho mamerina fa tsy misy afa-tsy ianao mpianatra ihany no manavotra ny fiainanao , mikarakara ny ho avinao fa tsy miandry ny hafa ,Tsy miandry an’ireo Fat ireo, tsy hiala amin’ny sitra-pony mihitsy ireo, fihinananm-be io ve dia avelany mora foana? tsy misy vola miditra ho an’ny Fat ao amin’ny fampianarana ambony, fa ny mivoaka aza no mampanahirana azy, noho izany tsy misy rentrée eo raha ny sitrapony no andrasana, tsy atakalony ny caprice-ny mihitsy ianao mpianatra noho izany: Tsy maintsy mihetsika ny mpianatra raha te hianatra, mahereza ary mivonona, sahia.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *