Tezitra ‘ngaha ianao ?

Gaga anao aho, Randriamatoa, gaga anao aho e ! Fony naka anie Randriamatoa, ka tsy omby lalana e ! Nony nisaotra, Randriamatoa, ka tsy mba nanatitra e ! Gaga anao aho Randriamatoa, gaga anao aho e ! Tany an-dafy aho Randriamatoa ka dia nohafaranao e ! Fa nony tonga aho Randriamatoa dia ama-miady ! Gaga anao aho Randriamatoa, gaga anao e ! Samy bodo anie Randriamatoa, ka tsy hanambitamby aho e ! Samy zaza anie Randriamatoa, ka tsy hanaiki-dresy aho e ! Fa inona ity mampivazavaza anao Randriamatoa ? Mahita ahy lavi-kavana angaha ka mandroaka amin’y andro hariva ? Tsy paraky aho Randriamatoa ka tiana ihany fa arora, tsy varavarana aho ka hatositosika. Tsy mbola nahita olona mananan-drariny aho, Randriamatoa ka tezitra sy manao angoa-tenda amin’ny tsy antony toy ireny ! Tsy haiko no dikan’ny fandeferana Randriamatoa, fa mangina sy mipitrapitra no mba fahatakarako an’izany, tsy izany no atao hoe : mandina tahaka ny laferana ? Fa tsy izany ianao Randriamatoa. Be feo mananatra ka ny any ala-trano no mandre aloha. Mihambo ho tsy tia vary mohaka, kary mihomehy vorondolo, miavo-tsy feno, be famaritra toa ny rambon’osy.
.
Ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa angamba ny rediredin’ireo mpandimby ny Dimbaka avy any Nazareta, raha nilaza fa jereo sy alao aloha ny andry eo anoloanao, vao mitsikera ny sombi-kazo eny amin’ny tavan’ny rahalahinao. Ilay fametra-pialàn’ny mpitondra fara-tampony eto amintsika 60 andro mialoha ny fifidianana tokoa ve no anisan’ny fomba (vaovao) tsy maintsy hampanekena ny « rahalahintsika » fa manana ny rariny isika, ary tokonyno mpampianatra azy ireo ? Hadinontsika fa nataontsika tery vay manta ny fanongotana ny teny mieran’ny olom-pirenentsika ? Tsy angovo sy setrasetra ve izany ? Misy dikany inona amintsika moa izay lalampanorenana ? Iza amin’ireto rahalahintsika no hino fa manana dinam-mpanorenana nifaneken’ny rehetra isika ? Dia tezitra Randriamatoa fa leon’ny nandrefitra, ka tsy hanaiky intsony, ary te-hanamboatra ny sain’ny rehetra fa ny vahoaka voky tokoa no antoka ho firosoana any amin’ny fifidianana. Tsy azo ovàna, tsy azo ifanarahana, tsy azo hozongozonina amin’ny hevitra hitany fa hananany ny rariny ho azy : Dia revo manebaka sy manaratsy ny hafa…Dia mbola gaga anao ihany ao Randriamatoa. Gaga toa ilay vorombazaha loa-bolana hoe : ny rano nandroako ity no naha-masaka ahy, hay izy ity tsy lisy fa ravin-dRamiary ?
.
Impiry tokoa no efa nahenoana ilay teny malaza fa hiroso isika ? Tsy miandry ny tsy afaka ? Miala nenina ? Tsy mila fanampiana fa hampiasa ny hambo-po sy ny fitiavana (tanindrazana, tompoko). Gana mifatotra am-pisoko ve moa hihoatra bonga e ! Tsy mora ny mamerina ny tantara sy ny resaka sendra nabolisatry ny vava tsy ambina, tsy sarotra koa ny mibaboka sy miverin-dalana rehefa tsy mahomby. Etsy babeko Razandry, malalilakia izany dia. Meteza tolory ahy malaky ny sandry, hoy ny tsianjery maimbontsika fahiny. Hazavao marina ny tena tianao hitondrana ny riorionao, Randriamatoa : sanatria tsy faty entin’alina akory ny havanao, tsy voatery hanaraka ny kiribiby mila handrendrika, tsy voatery hanompo toy ny akoholahy fataka resy indray maka. Tsy misy mangidy mihoatra ny sakay, hoy ny razantsika, fa rehefa teny ierana dia lany ihany ihany. Ka gaga anao aho Randriamatoa raha ho mbola lazainao ho fandeferana koa ity hoe : avelao ho any izay tsy manaiky ! Aza mihevitra ny handohalika intsony raha manan-drariny sy vonton’ny fahamarinana e ! Fa raha tsy izany kosa dia : « misy raha dônkô any ? » . Tsy tezitra tokoa’ngaha ianao ?

15 pensées sur “Tezitra ‘ngaha ianao ?”

  1. merci ony rambelo!mahalaza ny zavatra rehetra ny sora-kantonao.fa ankehitriny mantsy ny gisalahy homan-ketsa indray no avo vava,ary ny mpangalatra indray no mitory tompon-trano ka mahagaga ary toa manan-drariny hono hoy ireto ray aman-dreniny manolo-bato mafàna zaza ka manome azy menarana raha angatahany atody,manan-karena fa tamin’ny hatsembohan’ny hafa sy ny alahelon’ny madinika,tafakatra fa nanao sorona ny kely tsy mba mamindro,mihogahoga toa mpanjaka kanefa toa amboadia mitafy hodi-janak’ondry,tsy vato nasondrotry ny tany na trafo nasondrotry ny nofo,na lanieran’ny rehetra fa toa manao didin’ny be sandry,aokan’ny manam-basy ka mangina ny hendry,mipitsa ny kely,ary mandefitra ny marina kanefa Andriamanitra zao ka ambony fipetraka fa ambany fijery e!ary tsy andriny fa andrasan-tsika eto ihany,hoy mantsy Izy »AHY NY FAMALIANA »,ary hoy koa Izy »IZAHO NO HIADY FA HIANAREO HANGINA »,ary nohamafisiny hoe »Manana ny hevitra hiheverako anareo Aho…….. »kanefa de mbola hamindra fo sy hiantra koa.Heveriny ho mitovy aminy angamba Andriamanitra ka hankasitraka ny ratsy fanahy?

  2. Dia hoy koa Randriamatoa: « Nandohalika sisa no tsy nataoko ». Tena mitapy biela Randriamatoa. Fa maninona moa ianao no handohalika? Tsy ny ngeza ve no tokony handokalika eo anatrehan-dRandriamatoa.

  3. Il s’en est pris à de petits paysans d’Analavory.

    Feno hevitra lalina ny lahatsoratra, mendrika atolotra ireo mpanala Bacc ANY AORIANA ANY ho fakafakaina.

  4. @HoAiza

    Raha ny ankizy manala Bacc amin’izao fotoana ve, afaka manao fandalinana momba io kabary nataon’i Ony Rambelo io ?
    Tsy ho loza ny : – diso fanoratana
    – Ny fandalinana tsy ho lasa alavitra sy ny sisa ???
    Angamba kosa hoy aho efa mpianatra eny amin’ny Oniversite no ahavita izany ka !

  5. Izao fisehoan-dRandriamatoa izao no mampiseho mihitsy fa tsy misy ilàna azy Randriamatoa fa tena mampiseho ny maha-domelina azy!
    Ary maninona moa izy no atao hoe Randriamatoa e? Matoa an’iza? Amin’ny fahendrena malagasy, izany Lahy matoa izany dia manan-tsaina, miaro ny zandriny, mahay mandefitra,… Fa io Randriamatoa io ve manana an’izany?

  6. Ny tena masaka ao an-dohan-dRandriamatoa, dia fitiavana, fa :
    – Fitiavam-bola diso tafahoatra
    – Fitiavam-boninahitra na tsy mendrik’aza
    – Fitiavam-boa tsy hary
    – Fitiavam-bo…..( izay rehetra hitanareo mety aminy ) !!

  7. Rehefa hamelàràna tapis rouge hodiavin’nytongony Randriamatoa dia zay no tadiaviny fa ireo Gasy mahantra nofitahiny kosa dia mbola miandry ny vary mora 500ar ny kilao… Mba hampianaro ihany ny ankizy rey olona ô^.

  8. Ny AHY aloha ny fantatro dia tokony efa HIDINA ANDALAMBE amizay ny vahaoka fa tsy hamabakain’IkOTOFETSY ,gisa omanketsambahoaka lava eo ,na ny tsotsoka ary efa manomboka miala aminy ,mba nandeha nijery andrajupé tany fa tsy nahita mangirana nataony io rangahy io hoe ny Sadec no manapaka ny momba anareo, vasoka be na sary aza tsy nahazo fa olona vendrana tsy matotra dia tsy tahotra tsy henatra mbola mitabataba hoe nahazo rekoNE sansy HONO eran’ny arabe ,efa lasa adala RADomelina !

    Ny TOTAL ary efa naNgorona entana fa tsy rentable hono ny extraction ny pétrole An’i Bemolanga ,EFA MBA NIVALY ALOHA ny vavakin’ny Malagasy iny ihany anefa no tena nanaovana coup d’état teto ,ka asa rahovina vao hifoha ny MALAGASY FA NY FIRENENA ITY EFA POTIKA !

  9. mazotoa mamaky dol fa hanomboka hametraka izay vitako eto aho. Mba vakio koa ny gazety Tribune sy basy vava

  10. Tena raitra sy favy be hono ê !
    Fanontaniana ho an’ny rehetra satria niresaka gazety Basy vava i Ony. Na ny ao amin’io gazety Basy vava io aza, dia miantso an’ilay vendrana hoe : Filoha avon’ny tetezamita. Angaha nisy tetezamita efa nifanarahana izany ao Madagasikara ?
    Na ireto milaza azy ho mpanara-maso ny sehatra sy fiainana pôlitika (SeFaFi) koa, dia toy izany !
    « transition qui dure » hoe, « médiocrité politique » hoe !!! Ireo ao anatin’io SeFaFi io mihintsy no tena anisan’ny donto, ary mpamahan-dalitra ny vahoaka !!
    Quand on se veut « leaders d’opinion », on ne raconte pas des salades mesdames et messieurs les membres du SeFaFi !

  11. @Ony Rambelo !

    Ny tiako holazaina dia hoe :
    – Capable hanao analyse (amin’ny teny malagasy) io Kabary io ve ny ankizy manala Bacc ankehitriny ?
    Misaotra mamaly e !

  12. Marihiko tsara aloha fa tsy kabary io!
    Artikl amin’ny gazety, ary efa fanaoko fa vao sambany aho no nizara izany teto amin’ity tranon-kala ity.
    zay k’ah
    misaotra raha hitanareo rehetra fa metimety ratsy eo. Isika tsy mitsahatra miteny raha mbola misy ny tsy metyetoamin’ny tanàna

  13. ilay resaka voambolana fiantsoana ampiasan’ny basyvava indray dia tsotra ihany. mety tsy ho azon’ny olona tokoa ny fomba fiantsonay ny olona iray mpanao politika. Misy code daholo ny resaka ataonay ao. Tsy rehefa filoha avo akory dia tena avo sy tsy taka-danitra, ary raha atao hoe Randrimatoa dia tsy misy miteny fa marina sy lolohavina an-tampon’ny loha. tsy haiko raha mahazava ny tokony hazavaina izany?

  14. Misaotra anao e !
    Raha ny tenako manokana aloha dia mankasitraka tanteraka, ary maromaroa aza ny toy izao ! Mba hiveloman’ny Teny Malagasy, fa dia efa voazanaka mihitsy amin’ny fomba fiteny !

    Ataovy misimisy e !
    Mandra-pamaky anao indray, fa tena mahafaly ka ! !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *