1 pensée sur “Video Ankatso 05 mai 2011”

  1. Haute Autorité de la Transition hoe ??? Transition INONA ????
    Fa hatry ny hoviana no nisy an’izany Transition izany ao Madagascar ??? Tsy mahagaga rahatoa ka tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny mihintsy, satria na ireo tokony hampianatra ny tanora aza, miteniteny foana !!!
    Maninona raha tenenina ny marina ?
    Mpanongam-panjakàna, MPANGALATRA FITONDRANA no mitantana ny volam-panjakàna ; vola izay tsy ampy, satria tapaka ny fanampiana avy any ivelany. Ny kely mba eo ampelatanany aza, lanin’izy mianakavy ; tsy maintsy vokisana sy omena revy ary fahafaham-po ny CT sy CST izay tsy olom-boafidy akory !!! Rehefa tsy afa-po ny sasany, dia ny zanak’olona no anaovana toetra tsy mendrika !!
    Maninona raha lazaina amin’ireo mpianatra hoe : « Olona domelina tsy mahafantatra ny fandehan’izany oniversite izany, no lasa tompon’antoka ny hoavinareo ry tanora malagasy !! »
    Izao no atao hoe : Chacun pour soi, et Dieu pour tous !!! Samy mandeha, samy mitady !!!
    Rehefa tena ramaka sy naona ianao, na mofo eny an-tananjaza aza, dia alaivo !! Aza misalasala fa mba manaova, tahak’ireo miseo ho mpitondra !!
    Izao no vokany, rehefa dahalo no omena voninahitra sy andriandraina !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *