9 pensées sur “VIDEO Pr Zafy Albert – 07 mai 11”

  1. Tokony manatitra fangatahana any amin’ny représentant-n’ny Nations Unies ny « rodoben’ny vahoaka malagasy » ; fangatahana mba tsy ahafahin’ny mpisoloky handray anjara amin’io fihaonam-be any Turquie io !
    Ny Nations Unies NO TENA TOMPON’ANDRAIKITRA, ka tokony ny zava-nitranga tany New-York sy tany Genève, no mendrika an’io mpisoloky io !!

  2. Isika hatramin’izay dia niankina be dia be tamin’ireo ONU sy UA sy SADC sy ny sisa !
    Izao isika dia MISY MPITARIKA HANAO RODOBE, ary TSY TOKONY HIANKINA na amin’iza na amin’iza intsony afa tsy amin’ny herin’ny Vahoaka mitamabatra ihany !
    Jereo ny revolusiona arabo rehetra : Ny RODOBEN’ny vahoaka ihany no afaka hanova ny rehetra.
    Ny sisan’izay Politika ambonin’ny Birao daholo, ary tsy mikatsaka afa tsy ny tombo-tsoa ho ani’izay mahay vava fotsiny !

    -Rodobe avy ny vahoaka ihany ! izany no tena hery atokisana !

  3. Ny Firaisana no nokendrena sy notadiavin ‘ny Communauté internationale amin’ny Malagasy..Nandeha tsara izany tamin’ny fanaovana sonia ny 09 août ny Accords de MAPUTO…
    Nefa oa dia tsy neken’ny ankolafy rajoelina ny sonia nataony , izany hoe nitsivalana amin’ny fanantaterahana io fifanarahana io izy..Ary dia nitohy sy niverimberina ny sakana nataony..
    Dia nisy iny feuille deroute naroson’i Dr Zsimao iny ,izay tsy manipaka ny ny constat nataon’ny SADC tamin’ny 30 mrs 2009 ary tsy mifanaraka amin’ny votoatin’ny accords de MAPUTO ,ka tsy neken’ny ankolafy telo ary tsy lanin’ny troïka koa nolavina ary teo amin’ny fandinihin’ny SADC dia tsy maintsy nahemotra ho amin’ny 20 mai 2011 ny fivoriana
    tsy ara -potoana hiarahan’ireo mpitondra fanjakana a amin’ny SADC!
    Nihaona ny Filoha RAVALOMANANA MARC sy ny Filoha CHISSANO..
    Dia tapaka fa
    -voalohany : hanome ny heviny ny ankolafy telo momba ny feuille de route
    -faharoa haroso eo amin’ny Malagasy ny votoatin’ny firaisana tany MAPUTO, indrindra ny fanekena ny  » consensualité sy ny inclusivité « ..
    Dia niezaka ny ankolafy telo nampiseho izany teo amin’ny Malagasy (faritra , districks ,fokontany ) ary dia nanangona ny sonia manamafy sy manamarina izany fanekena izany..
    RODOBEN ‘ NY VAHOAKA no anaran’io firaisan ‘ny ankolafy telo sy ny Malagasy nanaiky io fanekena io..
    Ary ny fivoriana tao amin’ny Motel tao Antananarivo ,izay no tarihan’ny Filoha ZAFY ALBERT ( zay misolo ny ankolafy telo )dia natao anambarana ny 07 mai 2011 ny sitrapo sy ny fitakan’ny RODOBE..!
    Hametraka ny Tetezamit Iraisana sy ifanarahana ny RODOBE..
    Ary HO ENTINA EO AMIN ‘ NY FIVORIAMBEN’NY SADC io fanapaha-kevitry ny RODOBE io..
    Ny Communauté Internationale no nanao sonia ny accords de MAPUTO ary miantoka ny fanantanterhana izany..
    ny Communuté Internationale avy eo nanendry ny Union Africaine hanaraka ny fanantaterahana izany ,satria ny UA dia nanankina amin’ny SADC ny fanatotosana an – tsakany sy an-davany ny hahalavorary io sitrapon’ny Communauté Internationale ,IZAY NILAZA TSARA FA MPANAMORA FOTSINY IZY IREO FA NY MALAGASY NO MANDIDY SY MANAPAKA..!
    Ny Filoha CHISSANO no mpanelanelana ain’ny Malagasy sy ny Communauté internationale , izay ny SADC no solontenany..
    Tsy misy antony idiran’ny Firenena Mikambana izany ,satria tompon ‘antoka izy amin’ny alalan ‘ ny Communauté Internationale

  4. Fahazahoana mandray anjara, na fandraisan’i domelina fitenena any Turquie no resahiko sy hitako maika, sa efa tsy dia mampaninona ny gasy intsony izany ?
    Hitako faly ery mantsy ny rehetra raha tsy nahazo niteny tany New-York na Montreux, ny mpanongana !

  5. Efa nivadika ho inona r’ty ? Mijaly be angaha ny fianakams ka tonga saina ??
    Tsara izany rehefa niova, fa izahay tsy manaiky raha tsy hitanay mihintsy ny soratra milaza fa ny Président Ravalomanana irery ihany no tena mbola hilaina, ary nahavita be ho an’ny tanindrazana !

  6. Devo relembrar que se este1 a traatr do festival da cane7e3o e ne3o do festival da atitude. Festival esse onde Portugal je1 conquistou triunfos com cane7f5es que todos recordamos. Mas seria de esperar que se fizessem comente1rios deste ge9nero, suponho que quando votarem ne3o o fae7am em fune7e3o da cane7e3o mas sim da atitude. Tenham pacieancia…badwordfilter(« 8573212915678069823 »);

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *