« Force militaire » sisa ny any FAT !

IMAG0052

Nifandimby nandahan-teny tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny mpitari-tolona eo anivon’ny ankolafy telo sy ny rodobe.

Ny solon-tenan’i Moramanga, Atoa Ignace dia nametram-panontaniana : Inona tokoa ny hataon’ny vahoaka rehefa mody Ravalomanana sy Radidy ? Tsy misy afa-tsy ny madihy, mitsinjaka, mifandray tanana sy mifanoroka fa ny FAT no hikorontana sy hiady hoy izy. Asaivo mitsangana ireo olona lazainareo fa mbola tsy sitrana fery. Raha mbola valifaty ny politika dia tsy handroso mihitsy i Madagasikara hoy hatrany I Igance. Ny FAT no mbola manana lolompo fa tsy ny vahoaka ary olom-bitsy ireo mitabataba. Izahay koa vahoaka ary nitaky ny fiverenan’i Ravalomanana hatrany. Ary ny mahagaga nefa tsy afaka am-bavan’ ireo ny teny hoe fihavanana ka fihavanana manavaka izany ? Raha ratra-po no resahina, efa afaka ve ny any ireo nanana havana very asa, may, maty tamin’ny toerana maro, isan’ireny ny Alatsinainy mainty ?

“Force militaire sisa ny any FAT fa tsy misy vahoaka intsony ka ny miaramila aloha no nasaina niteny dia nanaraka niteny daholo avy eo ny mpomba azy.” Hoy izy namarana ny kabariny.

Manoela : Tany Gaborone no nahitana fa mbola manana lonilony i Pierrot Rajaonarivelo hoy I Manoela. Fanodikodinana vola no nanenjehana anao tamin’ireny ary raha ireny ny mpanao politika hilatsaka ho fidiana ho filoha dia manahirana hoy izy.

 

Raha misy firenena manome vola ho any ny tafika malagasy izany dia lafo ny tanindrazana satria izao ary hita fa tsy mety mbola manohana ihany.

Fasana hatao aloha dia hataovy aloha ny fandevenana satria raha mitovy amin’ny andro hodian’ireo filoha dia hirohatra any ny vahoaka.

Henri Randrianjatovo : nanomboaka ny alatsinainy 6 jona hariva dia  hotrany akoha voakapoka ny FAT sy ny mpomba azy tany Gaborone, vao tonga an-tanindrazana indray dia mitabataba. Handalo « commission de sécurité » iny tapaka iny amin’ny herinandro ary efa mazava iny. Ny profesora Zafy aza niteny tany Gaborone fa tsy hody aho raha tsy miara fiaramanidina amin’ izy roalahy satria izay no hetahetam-bahoaka hatrany teo.

Guy Maxime Ralaiseheno : daka tsy hita maso indray no nahazo an’i Andry t amin’iChataigner ireny. Andry sy ny miaramilany sisa no sakana ka kely sisa. Kenda ny vomanga nasesiny i Alain Ramaroson, tsy voaloa intsony ny gros bras ary mikonokonona ireo. Milaza fa MDM démocrate nefa tsy sahy mifanandrina, demokrasia ve izany ? Farafakelina io 78% ho any Ravalomanana. Mizara roa ny miaramila : ny miaramila TiaTanindrazana tonga dia hietsika fa tsy fanambarana lavareny izay fanaon’ny matim-bola. Tsy hiandry an’izany anefa isika fa ny hamarontsika eto kianja ihany no herintsika.

Olivier Rakotovazaha : Niditra nianatra ny mpianatra ka nikaraka izany no tsy nahitana ahy. Ny tolona kosa tsy maintsy mitohy fa tsy miandry ary tsy mijanona raha tsy tratra ny tanjona. Ny fitsipahana iny tapaky ny Sadc iny dia hanamafy ny tsy fisokafan’ny “robinets” rehetra ka mbola TSAR. 2 ème loi de la thermodynamique ny any Voninahitsy, mikodia mandrapahitana tany marina.

Ry Pierrot hanontanio any Yvette Sylla fa ny vadiny no nitady zavatra nandetehana anao, teo koa i Raharinaivo, Reboza Julien sy Ranjivason. Manondidina anao daholo ireo ary mifanoroka aminao.

Fusible ny tafika amin’ny tany tsy milamina fa eto amintsika izy sady fusible no lavaka mihitsy.

Hetsika goavana ny fitsenaina ireo filoha ireo ary ho ketrehatsika matotra io. Ny fianakaviam-be iraisam-pirenena no nilaza an’io fa tsy isika intsony. Ny eto an-toerana indray raha mbola tsy milamina dia tompon’andraikitra foana ny FAT, ny AGOA izao amin’ny oktobra indray no tapahana ny momba azy.

 

 

6 pensées sur “« Force militaire » sisa ny any FAT !”

  1. Nahafinaritra be mihitsy ny « ambiance » any amin’ny Magro, ary velom-bola mahita an’ireo vahoaka tsy mitsaha-migetsika, eny na dia misy tsaho mandeha aza fa hisy vehivavy ho samborina!
    Ary hono ho’aho (tsetsatsetra tsy aritra): aiza i Lalatiana RAVOLOLOMANANA sy SATROBORY e? Mampieritreritra no tsy ahitana azy ireo mihitsy!Mba misy afaka mamaly ve? I SATROBORY toa narary kanefa efa nivoaka fa i Lalatiana toa tsy re intsony! Misaotra betsaka

  2. TSY « forces militaires izany FA ‘mercenaires mpikarama an’ady »
    na hoy ny tsotsoka hoe « ce ne sont PAS DES MILITAIRES c’est de la
    SOLDATESQUE!!!

  3. Misaotra mampita vaovao hatrany ê!

    Mba fantatsika moa fa na dia miverina aza ny fampianarana eny Ankatso, misy prof tsy mitomboka akory ny kaotim-bolany?

  4. Aoka tsy ho diso ny Filazàna !

    Tsy ny Armée iray manontolo anie no naznongana e !
    Andian’olona na andiana miaramila taritin’i Ndrianarijaona fotsiny no tena nanampy ny fanonganam-panjakana !

    IZANY NO MARINA !
    – I Ndrianarijaona sy ry Fidy- Lylison, no mamoritra ny miaramila hanao ny famonoana isan-karazany, sy ny fangalarana ! Profon’izany ireny mpangalatra sy mpamono olona ireny !

    Ka aoka hazava fa andiana miaramila fotsiny no tena mamoritra ny vahoaka !
    Anajaran’ireo miaramila manara-dalàna no MISAMBOTRA na mampigadra ireo, dia milamina ny Tanàna.

  5. Mana-petra ny asan’ny satana e!Raha nitohy ny hazo tonga teny an-danitra ny foza fa saingy
    tsy fantany fa Mbola misy TOMPONY ao dia ilay RAY TSY TOA !
    Kopakopaka sisa ny an’ny foza fa i DADA NO TOMPON’i DAGO E!
    mandehana mamono tena daholo fa efa miandry anareo ilay LOSOFERA notopoinareo!
    Ny misitri-belina any apasana koa no sahaza anareo izay tsy te hamono tena .

  6. Efa nametraka io fanontaniana io koa aho ry Ziry fa mbola tsy nahazo valiny.
    Lalatiana Ravololomanana fa i Satrobory no hoe:hamoaka fanambarana ato ho
    ato ka tsy haiko ny tohiny.
    Tsy te hieritreritra zavatra hafa aho fa ,enga anie ka ny  » hamisavisana ny ratsy hiavian’i soa ».
    Ny olom-belona mantsy mety mivadika .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *