An-damosin’i Vyvato Rakotovao ny krizy fa efa lasa minisitra izy.

vyvato

Toa mandatsa ny vahoaka mahantra amin’izao asaramanitra izao ny tenin’ity zanaky ny mahery fo, Rakotovao Martin ity. »Efa ao an-damosina ny krizy » hoy izy, efa lasa ministra tokoa Rakotomaditra dia tsy handairan’ny krizy intsony. »Efa fankatoavana iraisam-pirenena »,  hono,  ny fahatongavan’ny masoivoho « foza » teny Mahamasina.


Ny vahoaka maro an’isa mahantra, mitrongy vao homana, Ingahy Vyvato efa lasa ngetroka be hatoka, tsy handairan’ny balan’ny fahantrana.

 

10 pensées sur “An-damosin’i Vyvato Rakotovao ny krizy fa efa lasa minisitra izy.”

  1. Ry kely atidoha isany:
    Ny fihinanam-be foana no imasoana
    Jereo anie raha tsy mivoaka menaka hita taratra eny amin’ny odi-tava ê
    Ny tarehy misarisary kisoa natavezina…

  2. Dia mbola mino ny tenin’io Voalava tarehy io ve isika?
    Atoa VyVato mpamadika: alahelom-bahoaka mandra-pahafatiny izao fihetsikao izao ary hanody anao sy ny taranakao mandrakizay!

  3. Esy e ry Vy Vato, e mba manaova aloha footing kely isan’andro sao dia hipôka eo
    sady bdb izao ny Malagasy manao Avc, ka sao dia maty voky laotra,

    Mba zarazarao aminy vahoaka marina!

  4. Tiko be le fiteny hoe kisoa natavezina!!! Tena marina. Tsisy krizy aminy satria ny 25milliona raisina isambolana. Bonne chance ZAza maditra ah!! tsy ho zakanao ny fianjeran’ny tantara.

  5. Tena aneohoan’ingahy Vyvato ny maha Bac+2 (BTS en commerce) azy anie ny fitantanany ny ao amin’io minisitera io e! Atakalony vola ny seky carburant, efa mihoatra ny 800.000.000 fmg izao ny vitany, ary efa nahazo 5 MILIARA FMG (1 MILIARA ARIARY) tamin’ny entreprises koa izy: lazainy fa homeny marché hono ato ho ato, de nanome koa ry vendrana ! Hisy marché izany manko eo!
    Toa efa any amin’ny bianco izany afera izany, ka ho hita eo! fa na dia arovan-dry Ingahy rolly mercia mafy ao amin’ny la vérité (sao dia le mensonge?) aza, dia tsy maintsy mipoaka io, ary ho mafy ny fidradradradrany. Aleo hahita eo.

  6. Tena anamparan’ingahy Vyvato ny maha BTS commerce (bac +2) azy mihitsy anie ny ao amin’ny Minagri ao e! Chèques carburants efa ho 800.000.000 fmg izao no voatakalony espèces, ary dia arovan-dry Rolly mercia ery izy amin’izany! Ary vao tsy ela akory izay, nahazo 5 Milliards Fmg tamina entreprises maromaro izy fa hoe homeny marché hono! Asa angaha, fa toa hoe efa any amin’ny bianco hono ireo raharaha ireo, ka asa na dia ho afa-maina. ny tombontsoa isankarazany, manginy fotsiny! Ny 4X4 tsara rehetra nangoniny, de lazainy hoe abrogé ny SG, dia izy ihany indray no manaratsy izay geste izay any amin’ny tia tanindrazana, de aratsiany daholo ny olona rehetra.
    Ka ho hitany eo, fa misy farany ny zavatra rehetra!…

  7. aza de lany andro mifanenjka re ry reto fa ny mifandresy lahatra no ataovyan! tsy hitondra ho aiza ny fifanenjehana na @ andaniny na ny ankilany

  8. mampihomehy ny zanak’i ravalomanana,minoa fotsiny ihany, mifanoroka @ zafy sy tantely ary miara-mitolona @i ratsiraka!!!tsy misy matahotra mahay vava eto! raha nahay koa ny rainareo maninona no tsy mody ho jerena? mafy be hono nareo magriii reto! asaivo mody ravalomanana raha mafy be! ny alika dia mivovo foana! mitaky famerimbola @ saretin’omby!anontanio ny marc ravalomanana ivavahanareo isan’andro io raha mahay ny tantaran’i madagasikara! fa tsy ilay kary iny ve no niteny hoe « efa taloha izany 1947 zany! izaho aza tsy mbola teraka », ary mihetseha izato bacc+10 fa ilaozana miandry omby ve! mitovy @i ravalomanana!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *