Vonona hifanatrika araka ny antson-dRatsirahonana

Tao amin’ilay fandaharana mpandeha isaky ny Zoma tao amin’ilay fahitalavitra iray eto an-dRenivohitra no nilazan-dRatsirahonana Norbert Lala fa tsy mbola nandà hifanatrika sy hifanazava amin’izay rehetra manana vaha-olana ho amin’ny fialàna amin’izao krizy iainan’ny firenena izao ny tenany. Manoloana izany indrindra dia manao antso kosa ny Antoko Avotra ho an’ny Firenena, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny Razafiarison Laza, fa manana ny tokony hifanazavany amin’ity mpanolo-tsaina manokan’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita ity ny tenany.
Efa nilaza hatrany ity antoko ity fa manambana eto Madagasikara ny ady an-trano noho ny tsy fandraisana fanampahan-kevitra haingana ho amin’ny fampitsaharana izao loza mitatao ho an’i Madagasikara izao. Maro ny mpivazavaza sy mihevitra ho manana ny marina hatramin’izay kanefa mbola tsy nahita lalan-kivoahana ihany isika.
Olana eo amin’ny “rafitra” no manjo ny firenena, hoy Razafiarison Laza, ary tsy hisy hirika mihitsy ny lalana hizorana ankehitriny noho ny tsy fahombiazan’io rafitra efa niainana hatrizay io. Fanambaniana ny antoko Avotra ho an’ny firenena hatrany no mba azo avy amin’ireo mpisehatra politika eto amintsika hatramin’izao, kanefa dia efa nanambara ity antoko ity fa horavàn-dry zareo ny antokony raha mahita fahombiazana ami’izao lalana hombàny izao ny mpanao politika Gasy (na ny eo amin’ny fitondrana ankehitriny, na ireo tsy mankasitraka izany).
Mihevitra àry, ity sekretera jeneralin’ny Antoko ity, fa hitàna ny teny nomeny ny mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny fahefana avo sady mpikambana ao amin’ny CST Ratsirahonana Norbert Lala, ka ho sahy hifanatrika mivantana aminy amin’ny alalan’ny ady hevitra eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery. Miandry isika dia hahita?



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Famaritana ny antoko politika
  2. Ravalomanana Marc, Tsy ny antoko T.I.M. no mpanohana azy
  3. Tsy ho any Gabarone i Rajoelina raha tsy…
  4. Tsy ampy taona hitantana firenena akory i Andry Rajoelina
  5. Miady amin’ny mpanao hosoka sy piraty ny antoko TIM

5 Comments

  • ramananjrarasoa dit :

    tena samy miandry tokoa izany an! izay vao nisy sahy an’i Dadatoa Ratsirahonana an! Courage ho anareo ao amin’ny avotra ho an’ny firenena a!

  • Bemafohy dit :

    Fa inona moa izay Ranor sy ny AVI voavidim-bola.Io no tena fanetry be ny firenena ka inona no iadin-kevitra amin’io.Théories fontsiny fa tsy misy asa vita ifampitsarana.Ry Ranjeva ireny ka olona azo atokisana no tia mandray andraikitra fa tsy fourbe ohatra’ny sasany.

  • Njara dit :

    Tena marina ny anao Bemafohy ! Miombo-kevitra aminao mihitsy aho !
    -
    Fa ity Message avy @Obama ity no tokony Hampisaina ny rehetra.
    Raha tsy tonga saina amin’io fa ny RODOBE ihany no ANTOKA amin’ny Fialàn’i Rajoelina dia tsy tonga saina intsony !
    -
    Matahotra aho fa i Didier Ratsiraka dia efa tonga eto Dago ary mitsikombakomba @ i Rajoelina, na mbola tsy tonga aza ! Izany no mahatonga azy tsy misehoseho mihitsy !

  • Bemafohy dit :

    Marina ny anao ry Njara fa raha tsy RODOBE ihany tsy miala i TGV.Izany hoe mila manampy ny tenantsika isika vao manampy ny firaisam-be pirenena.Izany hoe alana i TGV dia rahonana avy amin’ny miaramila avy aty ivelany ireo izay miaramila tsy maty manota.

  • mamisoa dit :

    Hifandinika amin’ny inona moa ity ratsy rahonana? Tsy noheveriny fa mety ny nataony koa hidinika amin’iza izy? Tsy efa mitsara ny tenany ve izy izao satria izao no asa vitany nampahantra ny firenena, nanalabaraka ny malagasy? Koa heveriko fa raha misy fifampidinihina ho atao tsy amin’ny olona toy ireny fa mankaleo tena leo ary tena leo be, aleo miresaka amin’ny alika ato an-tanana dia misangy amin’ny alikanay fa Max mbola mahahalala izay tokony ho hanina sy tsia, fa ireto fatin-doza ireto dia tena mankaleo, izao no vokany, adalan’izay manantena fanavotam-pirenena amin’ireo fa ny adala aza mbol azo sitranim-panafody fa ny ody faty tsy misy fa dia maty daholo izay mboa miserasera aminy andao hijoro giady hanavotra ny taranaka sy ny firenea fa jiolahim-bola sy jiolahi-politika ireo. Hidinka inona? Raha hilaza izy fa dinika hanekeny fa fanonganam-panjakana no nataony dia ekena inona no atao azy fa ny ankoatr’izay dia adalana nantenain’ny sasany hanavotraza vao maika nahafaty azy mianakavy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site