Cnosc : Dingana faharoa ho an’ny dinika samy Malagasy

Ho tanterahina ny 8 sy ny 9 Jolay 2011

RAKOTOMAVO José, RANDRIAMAMPIONONA Lalao ,RASOLO André, VELOMPANAHY Aristide, ZAFIMAHOVA Serge. Ireo no mpikambana ao anatin’ilay firaisa-monim-pirenena manadrafitra ny Cnosc izay manainga indray ny dinika eo amin’ny samy Malagasy (izay marihina fa dingana faharoa sy ho tohin’ny teo aloha ihany), ka heverina hatomboka amin’ny alalan’ny fivoriambe any amin’ny isan-dRenivohi-paritany enina ka ho tanterahina ny 8 sy 9 jolay ho avy izao.

Tsy nahomby

Manambara àry ny Cnosc fa tsy nahomby ny fanelanelanana nataon’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny Sadc nandritra izay fotoana lavabe izay satria maro loatra sy misafotofoto ny fandikana amin’ny fomba isan-karazany ny fanambaràna faramparany navoakan’izy ireo, toy ny tany Sandtony ny 11 jona sy ilay nataon’ny sekterera mpanatanteraky ny Sadc ny 17 jona teo. Tsy manaja ihany koa ny tena andraikiny marina ny solontenan’ny mpanelanelana toa ny Dr Simao sy ny ekipany, izay manao fanambarana hiteraka korontana sosialy fotsiny, toy izay nataony teny Ivato ny 21 jona 2011 teo.

Tsy azo ihodivirana

Milentika sy tena feta amin’ny olana ara-tsosialy sy ara-politika ny firenena araka ny fanambaran’ny Cnosc ihany; Koa tsy ho azo ihodivirana intsony ny fikatsahana ny vaha-olana ifaneken’ny samy Malagasy, mba ho fanatanterahana sy ho fiatrehana ny fehin-kevitra famahana olana nataon’ireo hery politika sy firaisa-monina sivily ny 3 Jona 2011 farany teo, izay mitaky ny dinika nasionaly (dialogue national) sy fampihaonana ny mpitarika politika 4 mpifanolana mivantana ary ny vondrona samihafa ho fanampiny, izay ho faranan’y fihaonana an-tampony hatao eto an-tanindrazana.
Hatomboka any amin’ny renivohi-paritany any ity dinika tarihin’ny Cnosc ka hohita eo ihany ny ho tohiny sy ny ho fandraisan’ny hery politika rehetra izany. Indraindray ny mpaminany mantsy toa tsy masina an-taniny. Asa anefa !

2 pensées sur “Cnosc : Dingana faharoa ho an’ny dinika samy Malagasy”

  1. Et voilà, c’est reparti pour une nouvelle valse! C’est une habitude, on fait semblant de discuter alors que tout le monde sait bien que personne ne veut ravaler son égo, personne n’acceptera de céder même pas d’un iota afin de préserver ses intérêts, sa place, ses privilèges.

    Et ces politicards gasy essaient encore de nous tromper par les soit disant discussions malgacho-malgache!

    Nous les connaissons bien depuis quelques années. Rien que de la vengeance, de l’avidité, de la cupidité et de l’accroche au pouvoir! Le reste n’est que manipulation de masse. Que la nation crève, que le peuple s’épuise mais les politicards gasy ne céderont jamais quand ils ont le pouvoir.

    Ceux qui ne supportent pas la loi du plus fort, la loi du talion, ils peuvent se jeter dans les ravins ou se faire massacrer ou se faire emprisonner ou préparer aussi leur vengeance. C’est cela la réalité des politcards gasy et vous allez voir que toutes ces discussions interminables ne sont que de manipulation de plus avant les échéances à nouveau de déchainements de violence!

  2. J’ai lu en editorial d’un quotidien que le Pere Pedro est contre le retour de Ravalo ,quel est la position de la CNOSC vis à vis de cette position d’un pretre catholique etranger concernant un protestant Malgache qui a été pillé par des pauvres catholiques .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *