Famahana ny krizy Gasy

Vao mainka hisavoritaka

Ny fodian-dRavalomanana sy ny fandraisany anjara amin’ny fifidianana ve no atao hoe : famahana krizy ? Sa ny fikarakaran’ny tetezamita avo ny fifidianana amin’ny alalan’ilay tondrozotra ? Sa ny fanovàna na tsia ny governemanta ? Sa ny famolavolana ny lalàna hirosoana amin’ny famotsoran-keloka ? Sa ny fiverenana amin’ny fampiasana ny lalampanorenana ? Sa inona ? Sa izy rehetra mitambatra ?
Na koa azo eritreretina ve ny tsy hivakiana loha amin’ireo rehetra ireo, satria ireo dia mampifandray ny hetsika rehetra ho amin’ilay fikarohana ny fankatoavana iraisam-pirenena ? Sa koa hiara-miaiky ny rehetra fa « tolona » tsy nahitana rirany ny natao teto hatrizay, ka ‘ndeha hanangana firenena ho an’ny tombotsoan’ny Gasy no atao hoe : Famahana krizy ?

Lany ny hevitra ?

Manaiky ny fomba rehetra hahazoana ny fahatokisan’nizao tontolo izao, amin’ny alalan’ny fanekena amin’ny antsipirihiny izay rehetra takiany, no « mba » hevitry ny mpanao politikantsika hatramin’izao : Lalampanorenana vaovao, fifidianana iarahan’ny rehetra mandray anjara, Ireo hatrany no nandaniana rora, ary efa tokony ho azo hatramin’ny volana aogositra 2009 anefa izany, raha izany tokoa no dikan’ny famahana krizy…Saingy izany ve no nilàna ny fanovàna sy ny tolona hatramin’ny taona 1897, 1929, 1946, 1958, 1972, 1991, 2002, 2009, 2011 ? Izany no any an-tsain’ny olompirenena ? Izany no hiakiakany nandritra ny taona maro ? Nahoana no avela handray anjara hatrany amin’ny famahana ny olan’ny Gasy ny hevitry ny « mpanome krizy » azy ?

Tsy ny toe-tsaina Gasy no olana

Moa mila ny hevitra avy any ivelany ny Gasy raha hanangana ny fireneny ? Sa efa mba nahavita nanangana ny firenentsika isika ? Izany ve no natao tamin’ny 26 Jona 1960 ? Tsy azo antoka ny maha-antsika ny fahaleovantena nomena antsika. Isika angaha niady tamin’ny firenena hafa ka hofaritana ny zo hananan’ny resy na ny mpandresy ? Iza no misakana ny tsy fivahan’ny olana eto ? Azo antoka ve fa hevitra Gasy no mampihitsoka antsika ? Saina te-ho Gasy ve ny hevitry ny mitonona ho « tafika malagasy », izay miaro anjambany ny mpitondra tsy nosafidin’ny Gasy akory ? Tena toe-tsaina Gasy ve no voizin’ny mpihazona ny fahefana nandritra ny 28 volana kanefa dia tsy mivonona hiaky fa diso lalana. Mbola tena te-ho Gasy ve ny mpamporisika ny Gasy hifamaly faty ? Tefy gasy ve ny fisainana hifandramatra amin’ny ray aman-dreny (na inona na inona hadisoany, na koa hadalany) ? Mbola Gasy ve ny manary anaka sy tsy mihaino ny hikahikan’ny zanany ?
Izay rehetra mbola te-ho Gasy no mila manifika ny Gasy sadasada sy safiotra fisainana raha tiana ny hivahan’ny olana. Iza anefa no mahatsapa ny lanjan’izany ?

19 pensées sur “Famahana ny krizy Gasy”

  1. Tsotra ny famahana ny olana fa aza ankasarotina!

    Fampiharana ny DEMOKRASIA ka ny VAHOAKA no mifidy ankalalahana sy ara dalàna izay tiany hitondra ny FIRENENA haleo hilatsaka izay te hilatsaka fa tsy ny Mpanoganpanjakana no mandrafitra ny règle de jeu. Rehefa tsy hendry ny Malagasy dia haleo hiiditra ny UA,UE,ary ny SADC dia mazava ny lalao!

    Aza hatao polémique mandany andro fa izay hahatonga saina ny Malagasy hatao masaka mba hialan’ny hat eo amin’ny fitondrana ,fa mijaly ny vahoaka!

  2. Satria ve karana na « vazaha » no nanome vola mba hamonoina an’ilay gasy kely, dia amboarimboarina ny Lalàna manan-kery sy ny sazy tokony ampiarina ?
    Mpanome vola, ka tsy maninona fa izay maty dia avela ho faty any ?
    Ankaotrin’ny fanomehezan-dalàna hamono, inona koa no metimety mba hahafaly azy ?
    Mba tanisao daholo, fa efa maty eritreritra ramalagasy ! Ny famarotana tanindrazana sy ny zanany vavy sns…., efa tsy dia mahagaga intsony !
    Mpiray tanindrazana atao solon-drano na papiezenika lela, angamba vao ho hafa-po ireto nahavanin-doza sy ireto namany ?
    Raiso, ataovy ohatra fotsiny ireto mitonona hoe : UNIR
    Union des Intellectuels pour le Renouveau, hono !
    Intellectuel ve dia tsy mahafantatra an’izay mahasoa an’ny tanindrazana ?? Tsy mahafantatra ny ara-dalàna sy ny tsia ? Lalampanorenana tsy ara-dalàna ve no lazaina fa tsy ampiarina ? Ny SG an’ilay izy anefa raha jerena, toa mba olona nandia fianarana ihany !!
    Koa rehefa hoe nianatra ve, dia mahazo miteniteny faona ary tsy maintsy arahina izay lazainy ???
    Sa, dia fanararaotana, fitadiavan-tseza sy vola daholo no maha maika ?
    marina ny an’ilay ranamana iray ! Avelao samy hihinan’ny NEMINY eo daholo, rehefa paokaty toy ny kesiklera ny ati-doha !! Samia manao ny sesika, izay maha diavolana ny sainy !!! Ataovy izay faran’ny masiaka ny sakay, mba hifaliana any amin’ny ladoany !!

  3. ve no lazaina fa tsy « maintsy » ampiarina ! Tsy tafiditra ny vaombolana iray, aza fady !

  4. MPM ny GTT sy legaliste oa !
    Wawawa wawawa wawawa hi hi hi
    Nahazo ladosy mangitsy tsara avy amin’ny HAT izay sa ahoana ?

    Hita FA tsy te-hitarika intsony ilay Rodobe ny Pr Albert Zafy, sao miady ho an’i Ra8 !
    Ka nahoana ireo Cadres GTT, no tsy manosika an’i Fetsison hitarika rodobe ?

    Be resaka be eto fotsiny daholo, fa rehefa tsy hanao rodobe r’ireto, avelao hipetraka soa Rajoelina a !
    – ataony mihinan’ny-nem daholo ny gisa, ny aloho, ny gana, ny saka, ny alika, ny kisoa. Ny vorotsiloza mpitabataba sy mpanentana eto moa tsy lazaina intsony !

    10 jours hono pour degager Rajoelina ?

    MPM !

    Andraso eo Ra8 ry adala isany fa ny akanga efa miahaka a !
    Rodobe a hoe, rodobe ! efa lasan’ny kary-lahy(sa Carla) ny trondro ! Fetsy ihany ny kary ka !

  5. Ary mandeha be izany bizin-paoly izany an!impiry haverina io dia mahazo
    ohatrinona??????na mikipy aza ve i paoly tsy efa voasoratrao tsiakijery io????
    Io izany no asaina haverimberinao dia velona ny ankohonanao mitafy sy mihinana?
    fa ny Malagasy toa anao na mitrongy aza tsy mahita harapaka,dia izay no fahafinaretana
    ho anareo foza maty heritreritra.
    Tohizo fa bizina io leroa!

  6. Izaho manahy mafy mihintsy hoe, tsy fantatr’i paoly akory izay napetrany eo !!!
    Mba mahay copier-coller dia mizesta !! MDR !!!!

  7. Mahaliana tokoa ity lahatsoratra ity ry Ony Rambelo a! Isaorana ianao fa dia aleo lazaiko hoe ity no anisan’ny nanaitra ahy indrindra hatramin’ny 2009 no nankaty.

    Sarotra be ny mbola hamerina eto indray ny fanontaniana hoe voafaritra tsara ve izany atao hoe malagasy izany?Iza marina moa no malagasy? Na mendrika ny atao hoe malagasy? sns? Amiko efa tsy izany intsony no fanontaniana tsara apetraka.

    Ny toe-tsaina lazainao io. Io ilay tenenintsika rehetra isan’andro hoe mila ovaina io. Io no mila fantarina hoe avy aiza? Mbola teny amin’ny garabola mpaka lelo aho n efa naheno hoe mila fanovana ny toe-tsaina! Nahoana no mbola tsy voaova izany mandraka ankehitrio?

    Misy taona maromaro ireo navoakanao ireo. Rehefa dinihina hatrany izy ireo dia mazava ny zavatra asehony.Ankoatran’ny 2002, iza no tena azo lazaina fa mpandresy ary malagasy toa inona no nahazo an’io fandersena io?

    Ireto fanontanianao roa ireto dia mahafoaka zavatra maro. Ny voalohany dia ny hoe moa ve mila ny hevitra avy any ivelany ny Gasy raha hanangana ny fireneny? Raha tsaroantsika ny tantara dia niera tamin’ny frantsay foana ny PADESM isaky ny hanao zavatra. Taty aorian’ny 26 jiona 1960 dia mbola notohizan’ny taranany izany.
    Ny faharoa dia ny hoe sa efa mba nahavita nanangana ny firenentsika isika? Antananarivo dia Antananarivo irery ihany no nitady ny fanambarana an’i Madagasikara fahiny. Ary ankehitriny dia mbola ao Antananrivo dia Antananarivo irery ihany no afaka miaina malalaka tsy misy tahotra mifandraika amin’ny fihaviana ny olona avy amin’ny vazan-tany efatra sy ny lafy valon’ny Nosy. Vao tsy 20 taona lasa akory izan dia mbola nisy karazan’olona mahasahy milaza fa raha Gasy ny ambaniandro dia tsy Gasy izy.
    Raha tsy hilaza afa-tsy STe Marie sy Diego fotsiny isika, ireo mantsy efa nilaza azy tsy ho Gasy. Moa mba tadidintsika ve ny zavatra nolazain’ny tany amin’ny Faritany tamin’ny may Manjakamiadana?

    Azo adinoina ny tantara raha izay no làlana heverina fa hampandroso. AMin’izay fotoana izay dia manokatra pejy vao² tanteraka mihitsy ary asiana fitsipika mazava sy hentitra ny fanoratana ny tantara vao². Fa raha mbola hitodika amin’ny lasa, dia tsara koa raha fantarina ny marina rehetra.

    Ny toe-tsaina mila miova dia ny toe-tsaina tsy te ahalala ny tantara marina.

  8. Miseho milay noho ny rehetra !
    Raha misy olona tia-tena eto an-tany dia ny gasy no voalohan-daharana ry Alidera A. â !
    Sady narcissique no égoïste, kanefa…. faly mihaina ao anatin’ny loto !!
    Ankahalain izay mba ambony na tafita noho ny tena ! Ory hava-manana !! Tsy handroso mihintsy !
    Miseho ho « je suis », kanefa maditin’ny menaka sy loto, toa misy lakaoly ny varavarana ( mikraoba tsy lazaina intsony ), ary dia tsy hay akory ny manas’azy !! Ny silipo angamba iray volana anaovana eny ihany, satria tsy misy mahita !!!!

  9. Na tsa miahiahy moa, na miahiahy manakory e!?

    Ste Marie sy Diego hono milaza tsy malagasy, ka efa hita eo, efa komorianina anie ny any e !

    – Copier-coller N°1 : » Mbola teny amin’ny garabola mpaka lelo aho n efa naheno hoe mila fanovana ny toe-tsaina! Nahoana no mbola tsy voaova izany mandraka ankehitrio? »
    – Copier-coller N°2 : »Ary ankehitriny dia mbola ao Antananrivo dia Antananarivo irery ihany no afaka miaina malalaka tsy misy tahotra mifandraika amin’ny fihaviana ny olona avy amin’ny vazan-tany efatra sy ny lafy valon’ny Nosy »
    Hay va rihy ?!!!

    Dia avelao hipetraka eo ‘ty copier coller, sao lazaina mila akoho draiky !
    – Copier coller N°3 : « efa lasan’ny kary) ny trondro e  »
    – Copier coller N°4 : « MPM ! »
    – N° 5 : « Izaho manahy mafy mihintsy hoe, tsy fantatr’i paoly akory izay napetrany eo !!! »
    Soa madigna va ny taigna a ???????!!
    – N°6 : « MDRRRRRR !!!! »

    Sefa avy eo, fero tany ny sadasada re ranona a ! se manakory !?
    Mila raiky ny Phat nareo ! ny « faha-8-ny » toa ho lavo ao antin’ny 10 jours !
    – Tsary prioritaire any ny TGV dégage e ! se akory koa ?????!!!!
    Laozanao miresaka fihaviana ! Iaho moa tsary mahalala izay lazaiko koa, ny anay copier coller aza tsa mety !!!! 🙂 🙂 🙂
    Da misy any ny mahay mamaky, fa tsa mahavoa misainy i !!!
    Asabotsy mifankahity i !!!

  10. Paoly,

    Raha fampihomehezana no tianao atao dia avia rangahy mba kitikitiho ato ambany heliko ato sao mba mety hihomehy ihany aho a!
    Raha fampieritreretana no tianao atao dia lazao mazava tsara ny hevitra e!

    Kintana,

    Manazava tsotsotra ny fomba fiainantsika malagasy ireto famaritana ara-tsôsiôlôjika sy antrôpôlôjika ireto : Dème sy Germain. Fombam-piarahamonina samy hafa ireo izay mahalaza ny zavatra iainantsika malagasy.

  11. Ny sasany mbola mihaina sy misaina toy ny tamin’ny « taonan’ny vato » !!
    Ireo izay efa mba nandroso na noheverina fa nandroso, ary nantenaina hitarika sy hanentana indray, nikoroso fahana sy manome ohatra ratsy !!
    Tsena mora, trano mora,sns…vola mora azo !!! Izany no atao filamatra, fa ny hezaka amin’ny lafiny rehetra ? Tsy ao mihintsy !!
    Andriamanitra nanome, fa ramalagasy no tsy ambinina, na tsy mendrika !!
    Ry paoly no santionany ! Faly amin’ny fahorian’ny mpiray tanindrazan’aminy !
    Izy koa moa efa nahazo gisa matavy kô !!
    Escopol ê ! Exopoles ê ! Escrocpole ê ! Esy hoa r’paol ê !!!
    Ny omby indray mandry ry zareo tsy indray mifoha â !! Toe-tsaina na fomba fisainana, fomba fitaizàna, dia samy manana ny azy !!!
    Ny sasany variana nigoka sy niloka, adino ny zaza, dia izao no niafaran’ny firenena !
    Tsara ary tokony atao ny mikarakara ry zareo Mikea, fa tsy hiandry azireo ho tafita daholo, vao handroso izay afaka manao izany !
    Ampiarina ny Lalàna, tsaraina izay diso na iza na iza, dia vita ny krizy ( asa na iza no hitsara ireo mpitsara ) !! Vita kabary ! Lany andro amin’ny resaka be eto isika !

  12. Tsotra ny famahana ny krizy.Mangina i Levalo fa domelina!Avela ny eo an-toerana no hitondra satria azy ny fahefana azy ny hery azy ny rehetra.Ny an’i Levalo sady tsy hery tsy fahaizana tsinontsinona kanefa midongy be te hitondra.Naninona nanaiky nesorina? Rehefa nanaiky nesorina dia tokony mangina.Jereo i Zafy nesorina dia nipetraka.Levalo ny tenany mihintsy no nilaza hoe tsy ilaozako mihintsy ianareo.Ho faty miaraka aminareo aho kay nandositra tahaka ny akoholahy fataka.Ka taiza teto an-tany no nisy olona resy kanefa omena fitondrana?Sao dia mitapy aza ianareo? Rehefa resy dia resy dia vita ny krizy ry domelina a!

  13. Ianareo gamara no tena domelina toan’ilay bitrolahy, sa drakaka !!
    Manantena reconnaissance tsy ho azo ! Soa ny havanareo fa voky sy miletra, manao didin’ny be sandry sy manararaotra ny tsy fanarahan-dalàna rehetra !!
    Ho hita eo ny tohiny !!!
    Aza mitaraina sy mibabababa fotsiny raha sanatria tonga ny ady an-trano ! Avelao hifankahita eo daholo, fa izay no tadiavinareo foza !

  14. Ady an-trano? Hatramin’ny oviana i Levalo no sahy miady? hihihihihihihi vao tsipoapoaka kely fotsiny dia niriotra nandositra tahaka ny ampela.hahahahaha ady aho ady hahahahaha

  15. Ady angaha ry shhhhhhhh! no tadiavina eo amin’ny samy malagasy? Izay angaha moa ilay izy?
    Izany hoe mahafaly anao izany hoe isaky ny misy tsy mety amin’ny faritra iray dia vonoina ny mpihavy rehetra? izay ve ilay tianao lazaina?

  16. Ny foza miseho azy ho prezidà aza, ny namany ihany no nametraka tsipaopaoka teny amin’ny marais masay, efa nitomany nigogogogo nandeha nody !!
    Lazain’ilay Vitalina spesialista fa ny vato sy bozaka nanafenana an’ilay « baomba » aza mbola HITA TEO DAHOLO !!!
    Mercedès blindée nisavaona sy vaky pneu, fa ny bozaka tsy nihetsika !!!
    Izany no tena atao hoe atidoham-poza !! Tsy misy fisainana satria mifangaro ny ati-doha toy ny pitipoà sy ny diky telo kilao !
    Ny tsy fitiavana an’ny Prezidà Ravalomanana moa mba eo ihany, fa dia faly amin’ny fiosonana mihintsy ireto foza ireto !
    MDR !!!

  17. Efa mitay mihintsy ireto izany.Izy no nilaza hoe ady dia avy eo indray tsy sahy mitana izay hevitra naposany.Olon-dresy ianareo ary azo itsahana mandrakizay fa domelina loatra.Aoka ny mandresy no tompon’ny laka fa tsy ny domelin-dresy aoka etsy!

  18. Shhhhhhh! hay ve resinareo ny malagasy e! Tsara izany e! Ny mahagaga dia tsy mety mipetraka ara-dalàna ny fandresenareo.
    Dia tena azonao antoka ny niady tokoa no tokony nataony? Mety niteny tokoa izy hoe ady no atao ary ady manaraka ny lalàna fa tsy ady an-tsena toy ny jiolahim-boto tsy fehzin-dalàna. Sa izay ilay fahazoanareo ny atao hoe ady?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *