Fanambarana avy amin’ny Hetsika Vonjy Aina

Tsy ho voalefitra ela intsony izao krizy miha mahazo faka lalina amin’ny Malagasy izao, ka tsy maintsy ilàna fanàfana haingana.

27 volana izao no niezaka sy nanao izay ho afany tamin’ireo andrana maro samihafa fa tsy nahitam-bokatsoa araka ny niheverana azy ireo ankolafin-kery misy eto.

 

TETEZAMITA TENA IZY tsy miandany no sahaza sy mendrika ny Malagasy.Tsy lany olomanga ny firenena fa manana ny zanany manam-panahy, manam-pahendrena. Olona vonona sy tò teny afaka handamina ary handravona izao savorovoro mandazo ny mpiray tanindrazana izao no takian’ny zava-misy ankehitriny. Olona manana traik’efa sady manam-piniavana hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

 

Iarahan’ny rehetra miaiky fa ny fifidianana demokratika voaomana araka ny tokony ho izy,madio, mangarahara, mamoaka voka-pifidianana eken’ny rehetra no hiverenana amin’ny ara-dalàna. Ilaina araka izany ny fananganana CENI mahaleo tena hikarakara fifidianana sy ny fiaraha-manatanteraka amin’ireo vondrona iraisam-pirenena amin’ny lafiny rehetra mba ahalavorary izany.

 

Mitaky fitoniana politika sy fandriam-pahalemana mialoha anefa ny fanatontosana ny fifidianana. Antoka iray lehibe hisian’izany fitoniana izany ny fiveranan’ireo Filoham-pirenena teo aloha an-tanindrazana satria Raiamandreny voafidim-bahoaka teto izy ireny. Lalana tsy azo ihodivirana ao anatin’ny tetezamita tena izy rahateo ny fifamelana sy fifampihavanana.Manana ny andraikiny manandrify izany ireo Raiamandreny am-panahy sy Olobe manerana ny nosy.

 

Matoky ny herim-panahin’ny Malagasy hiara-mientana amin’ny famonjena ity firenena ity.

 

13 pensées sur “Fanambarana avy amin’ny Hetsika Vonjy Aina”

  1. Tsy fanesoana, na inona na inona.
    Fanontaniana kely vitsivitsy aloha : 27 mois izao no nisian’ny krizy ! Natory, sa taiza ianareo izay milaza fa Hetsika Vonjy Aina ? Iza avy ianareo ? Aiza no misy anareo ? Inona no maha samy hafa ny « hetsika » ataonareo raha hoarina amin’ny zavatra ataon’ny sasany, ohatra GTT na ireo mpitolona eny amin’ny Magro, FRDL ets….? Mba nitarika ny olona hanao fihetsehana ve ianareo atramin’izay ( conférences, débats publics) ary taiza avy ? Tena mpiaro ny ara-dalàna ve ianareo sa dia mpijapy fotsiny ?
    Somary mitetraka na apetrako mantsy izany fanontaniana izany, satria ny fiarovana ny TENA ARA-DALANA, TSY NILAINA 27 VOLANA VAO HOE TOKONY ATAO !!!
    Na inona mantsy na inona, zavatra nisy sy nitranga tao anatin’ny fiainam-pirenena talohan’ny janvier-février-mars 2009, amiko dia ny Fanonganam-panjakàna dia zavatra TSY AZO EKENA, any ka mamerina ny fanontaniana indray ny tenako : TAIZA IANAREO TAMIN’NY ORA NIDONA ?
    Hoy ianareo hoe : Tsy lany olo-manga ny firenena ! Iza ary aiza ireo olo-manga ireo ?
    Tsy ny diplaoma any am-paosy laotra mantsy no maha olo-manga !!!!
    Efa resaka be natao foana izany : Il vaut mieux une tête bien faite qu’une tête bien pleine !
    Ohatra, mba nisy fanenjehena na fanankianana nataonareo ve momban-dry Ratsirahonana, Rakotoarisoa, Rajoelina P., Andriantsimba…, ireo izay milaza ny tenany fa Mpahay Lalàna, kanefa dia namahan-dalitra ny mpiray tanindrazan’aminy ??
    Hipetraka atoato ny fitadiavan’olona, azo hitokisana amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, ary handeha ny resaka hoe olona « neutre » !
    Inona moa no atao hoe olona neutre ? Neutre amin’inona ? Neutralité izany tsy dia misy dikany amiko, raha ny zavatra mahazo ny firenena no resahina !
    Na ianao miaraka amin’ny mpanongana, na anisan’ny Mpanohitra !!! Ka ianareo taiza ho aiza atramin’ny mars 2009 ?
    Farany, rahatoa ka tsy antoko pôlitika ny atao hoe HETSIKA VONJY AINA, inona ny antony tsy niarahanareo tamin’ireo « mpitolona historique » toy ny GTT ?
    Miala tsiny amin’ireto fanontaniana adaladala, sao mantsy lazain’ny sasany hoe : Izahay no nangady tany karakaina sy namafy sy namboly, nanondraka, dia ny hafa no hijinja ny vokatra !!!!! Ny vokatra io, mety ho rahampitso ny fararano !!

  2. Isika anie hihomehezan’ny foza fotsiny @’ity fanambarana fanambarana lava ity e!
    Tonga dia mazava sady mendrika ihany koa fa Ingahy RANJEVA dia tokony ho filohan’ny
    tetezamita ,izy koa efa nanaiky rahateo, sady ianareo efa ao @ RODOBE ;koa mba mifampiresaha tsara
    fa tena efa ketraka ny vahoaka.Efa misy mba sori-dalana azo hampiasaina ho @’izany io navoakan’i UE
    omaly io,dia miandry ny rahapitso sisa avy @ SADC.
    Mba hafaigano re raha azo hatao marina e!

  3. Ekena Kintana!ary tsy maneso mihintsy ianao fa marina sy mazava be ny voalazanao!
    Raha hatrany amboalohany no efa natambatra ny hery rehetra ireo (fa tsy izy ihany )dia ataoko fa tsy dia
    nitarazoka be toa izao ity tantara ity.
    Fa mba miangavy re !tsy fotoanan’izany intsony izao fa firosoana @ fahafahana izao no hilaina koa aoka
    ho azy ny azy e! Eny e !nahagagaga ihany ireny fihetsiny ireny fa saingy efa mba tonga saina izy e! sa tena
    mbola tezitra aminy ianao? Toneo ny fo fa ny Tanindrazana jerena! Mahereza e!Dia enga anie ka mbola
    hitohy rahampitso ny vao2 tsara e!

  4. Manakory avy?
    Mitombona tsara sady mila fieritreretan’ny tsirairay tsara ihany koa ireo voalazan’i KMD ireo.
    Tsy lany olo-manga ny firenena,eken’ny rehetra izany,anefa ny anampiako ny tenini KMD dia « olon-kendry » no tena ilain’i Madagasikara.Vao nanomboka niseho mihitsy io Rangahy io tamin’ity krizy naterakin’ny fanonganam-panjakana dia anisan’ny nanontany ny tenako hoe « neutre » amin’inona moa io rangahy io nefa dia milaza fa Malagasy?
    Misaotra an’i KMD nametraka mazava tsara ny sangondim-panina tadiavin’ny sasany atao.

  5. Tsy tezitra mihintsy aho ry ranavalona an ! Ekena fa somary manao elefantra ao anaty magazay fivarotana porcelaina aho, noho ireo fanontaniana ireo !
    Ny tiako ho lazaina dia efa nisy voalazanao ny sasany (1er post cf fanambaràna ).
    Manarak’izany, IZY Pr. Ranjeva, noho ny traikefany sy ny finiavany hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanarenana ny Firenena, no tadiavin’ny olona (angamba)!
    Hetsika Vonjy Aina izany, toa lasa fanamaroan’isa Antoko na Fierehana ! Tsy fotoanan’ny fitadiavana na fizaran-tseza izao !!

  6. mahavariana ireto milaza azy ho hetsiak vonjy aina ireto.
    hita mihitsy fa olona mitsinjo ny tombotsoany sy ireo niarakomana
    taminy.
    fito taona Ratsiraka natao sesintany efa ho sivy taona moa izao.
    nandritra izay fito taona nitondran’i ravalomanana izay nahoana
    TSY NOTAKIANAREO FA TOKONY HIVERINA RATSIRAKA fa ray aman-dreny,
    fa rehefa lasa sesintany ravalo zay hianareo vao mitaky fa tokony hiverina
    ireo filoha teo aloha. HAY TSAPANAREO FA MAHARARY NY SESINTANY
    rehefa ny olona tianareo no lasa sesintany.
    tadidio ihany koa ireo sesintany satria natahotra ho gadrain-dravalo toa an’i
    lalatiana ravolomanana , sy ireo namany maro tsy afaka nody teto Madagasikara
    raha tsy niongana ravalo. Fanontaniana: ravalo izany manana ZO hanagadra izay
    tsy nitovy hevitra taminy, na sahy nanohitra azy????
    hiverina ravalo= hiverina any Tunisie ben Ali= hiverina hitondra Mubarak….
    tadidio fa nisy FIHETSEHAM-BAHOAKA leo ny fahantrana sy ny JADONA nataon-dravalo
    tamin’ny 2009…..ka niafara tamin’ny fionganany

  7. Asa ianao na variana nijery inona na inona, fa dia hita fa tsy « à la page » !!
    Ny tsy Fanajàna Lalàna, niantomboka tamin’ny famonoana an’i Tompokolahy Ratsimandrava no niteraka an’izao krizy izao !
    Tsy sesintany, na sazy nihatra no nahatonga an’i Ravalomanana niala an’i M/car, fa ho fiarovany ny tenany !
    Raha hiresaka fitsaràna fôpla no tianao aroso eto, dia tsara angamba ianao mandeha matory, na manao zavatra hafa !

  8. I Ranjeva dia nanaraka akaiky foana ny raharaha teto nanomboka 2009 iny. Nisy antony maro no tsy nafahany niditra lalina tamin’ny famahana ny krizy, iray amin’ireny ny raharaha tao Manakara nahatafiditra ny ralahiny, sy ny toerana nisy ny zokiny iray izay nifanesy tao anatin’ny fitondrana nijoro teto, ka nanaovan’ny HAT chantage azy. Mila manaraka vaovao isika,fa tena efa maro ny famoriam-bahoaka nataony na teto an-drenivohitra izany na taty amin’ny faritra, izay
    nanairany indrindra ireo manampahaizana Malagasy (oniversite, mpiasam-bahoaka, mpandraraha sns…). Niato ny hetsika nataony taorian’ny raharaha BANI Ivato, izay navaorohirohy azy sy ny zanany.
    Koa aoka isika handinika tsara fa maro ny tsara sitram-po te-hanavotra an’i Madagasikara, ts’izirery ihany. Hafaka misafidy isika ny amin’izany, koa mila fandalinana ny zava-drehetra.
    Ny neutralité dia tsy fironana be fahatany amin’ny atsy na ny aroa, mipetraka ho sehatrin’ny mahasoa ny maro an’isa, tsy midika ho olona tsy manana foto-kevitra na firehan-kevitra akory ny olona neutre. Tsy afaka hitondra neutralité ny olona raha tsy manana foto-kevitra hijoroany: ohatra, hamoaka ny firenena ao anatin’ny krizy, amin’ny halalan’ny fifampidinihina, sy fihavanana tanterka. Koa aza mitaky zavatra tsy misy isika. Ratsy kokoa ny olona tsy manan-toerana (position) amin’izao olana izao noho ireo manana firehan-kevitra, na tsara io na ratsy (pluralité d’opinions).

  9. I Variana dia: mitovy position amin’ireo ngezalahy. Aoka etsy ny miteniteny amin’ny anaran’ny vahoaka raha tany ty ka mahakasika zavatra tsy nandalo fifidianana, fa indrindra napetraka eo ambonin’ny VONO sy asan-jiolahy isan-karazana

    Jadona ? fametrahana ny esprit disciplinaire ve no lazainareo ho izany?
    I Marc Ravalomanana dia ton-teny satria manana traikefa.

    Fahantrana ? efa teo amin’ny dingana fampiroboboroana ny tantsaha sy ny asa-tanana Malagasy izy, fa ny anareo novatsian’ny frantsay no tsy nahatanty intsony

  10. Misaotra Rafily @ fanampianao @ fanazavana,rehefa mitady dia tsy maintsy hita foana
    ny antony, koa mino aho fa io voalazanao io dia mba hanova zavatra.
    Ny mampalahelo dia manana olona ohatra ireny isika nefa dia hanjakazakan’ny fakofakon’olona tsy
    fanao « ianao » ny firenentsika.

  11. @ KM,

    Sao dia mba diso ihany ianao ry KM, fa raha araka ny fiheverako ity Antoko Vonjy Aina ity toa miankina amin’ny Pr Raymond RANJEVA .
    Ka raha mety dia mba jereo kely hoe !

  12. Tsy fiheverana fa tena izy ry Njara â !
    Diso fantatro loatra raha ny momban’ny famille Ranjeva, na koa i R. Ranjeva, izay tsiahivina fa « chouchou » an’i GBD ! Coucou GBD !!!
    Na mbola tao amin’ny Topmada taloha aza, dia efa natao resaka tsindraindray ny momb’azy !
    Hitodi-doha kely amin’ny voalazan’i Rafily aho.
    Rafily, ireo mpanongana ireo anie ka dia nihevitra koa, fa ny zavatra nataony atramin’izay ka atramin’izao, dia hoe mahasoa ny maro an’isa ê !
    Milaza ianao hoe : « Tsy afaka hitondra neutralité ny olona raha tsy manana foto-kevitra hijoroany ». Ny olona rehetra samy manana ny heviny daholo raha ny fiainana ankapobeny no jerena. Fa amin’izao mahazo ny firenena izao, zavatra hafa na fomba fandinihina hafa no tokony entina handinihin’azy !
    Averiko : Tsy resaka tavan’olona no jerena fa hoe : Miaraka amin’ny mpanongana sa tsia ? Gravy be raha hoe : Tsy problème-nay io, fa an’i Rajoelina sy Ravalomanana !!
    Rahatoa ka hanao resaka eson-teny aho, dia afaka hiteny koa hoe, tena marina mihintsy ny an-dry zareo Hetsika Vonjy Aina ( izay asa na neutre na tsia )!
    Aza mihidi-kizo, fa ny AINA NO VONJEO, FA AVELAO RY ZAREO HIFAMONO AO !!!!
    Tsy tokony hisy conditions ny fiarovana ny ara-dalàna, ary tsy tokony maha menatra na hisy atahorana. Izany indrindra no mahatonga ny mpanongana hanjakazaka, satria fantany fa betsaka no tsy sahy mihetsika noho ny antony samihafa !
    Ohatra : Misy rahalahy na anabavy miaraka amin’ny mpanongana, dia tsy sahy laotra mampiseho hoe MPANOHANA NY ARA-DALANA ; na koa afenina amin’ny mpiara monina hoe manan-kavana mpanongam-panjakàna, ets….
    Manana relations be dia be ny famille Ranjeva, indrindra fa i Raymond izay tao amin’ny CIJ. Naninona no tsy nampiasaina izany atramin’izay ? Any no mipetraka ny fanontaniako !!!
    Gazety « Le Temps » :
    « Le putsch de Rajoelina » était une manière de redistribuer un pouvoir à une génération plus jeune, frustrée de la confiscation par les « vieux présidents » Ravalomanana et Ratsiraka.
    Mais l’incapacité à revenir à un système démocratique illustre la profonde crise morale des élites et de la société civile, analyse l’ancien juge à Cour Internationale de Justice, Raymond Ranjeva, un juriste reconnu pour son intégrité…..
    Lui-même s’est mis à disposition de la Nation pour sortir du cercle vicieux. mais son appel ne semble guère entendu dans une société fascinée par l’attrait de l’immédiat ».
    Betsaka ny zavatra azo raisina na resahana momban’ireo paragraphe roa ireo !!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *