Fikarakarana fifidianana

Poak’aty ny CENI

Efa ny 24 martsa 2010 no andro nisehoan’ny CENI masoandro. Fa tamin’iny famorian-dRajoelina azy ireo niaraka tamin’ireo mpiandraikim-panjakana isaky ny distrika teny Mavoloha afak’omaly iny, vao niseho niharihary fa tena “aotra” ity CENI ity. Sady tsy manana olona hampiasana, no tsy mananm-bola, tsy atokisana amin’izay raharaha nampiandraiketina azy.
Tsy misy antony intsony hanatevenana na hanavaozana ity vaomiera notondroina fa mahaleotena hikarakara fifidianana ity, satria HAVERINA ho toy ny fomba hatrizay ihany no fanao eto. Ny administratera mpiandraiki-draharaham-panjakana no nanakinan-dRajoelina Andry ny fikarakarana ny flisim-pifidinana (nomeny hatramin’ny faran’ny volana Jolay), ary ireto mpiasa eo ambany fitarihan’ny Minisiteran’ny Ati-tany ireto ihany koa no hovatsiany vola ho fanatanterahana ny “baikony”.

Lalampanorenana

Nolazaina hatrizay fa ny CENI dia nahavita nikarakara ny fitsapan-kevi-bahoaka natao teto tamin’ny 17 novambra 2011, saingy 7 volana aty aorian’io dia mahatsapa ny mpitarika ny tetezamita fa tsy azo antoka ity CENI ka notereny hiara-miasa amin’ny “fanjakana”. Koa mbola hilaza hatrany ve Rajoelina Andry sy ny tetezamitany fa “mety” sy nanara-penitra ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ny lalampanorenena naterak’izany? Inona moa no nanakianana ny fitondrana nifandimby teto? Tsy ny fitsabahany mivantana amin’ny fikarakarana ny fifidianana? Fomba manao ahoana moa no nandraisan’ny CENI ireo mpiasa rehetra nandrafitra azy? Satria ankehitriny dia mifamahofaho ny resaka fa tsy mahafa-po (mihitsy) ireo mpiasa nampiasan’ny CENI hatrizay.

Toky am-pasana

Tsy manan-kevitra ny hangalatra amin’ny fifidianana ho avy ny “fanjakana” hoy hatrany Rajoelina Andry, ka ny fiifdianana izay ho “karakarany” dia hikendrena indrindra mba tsy hisian’ny ady hevitra ho amin’ny fahangaraharany, sy ny fahamarinany. Ka ilay CENI nondradradraina ho mahaleotena sy tsy ho baikon’ny mpitantana ny fitondrana aza ity toa natao toy ny lamban’ny mpiasa, koa aiza ho aiza amin’izany ny fifampitokisana?

1 pensée sur “Fikarakarana fifidianana”

  1. Nombre de prisonniers politiques : Zéro !!!
    Taux de crédit pour les copains : Zéro !!!
    Nombre de crimes perpétrés par les putschistes : Zéro !!
    Taux de redoublement : Zéro !!
    Reconnaissance : Zéro !!!
    CENI : Zéro
    Capacité de raisonnement du peuple malgache : A Terme, ZERO !!!!!

    Il n’est plus à démontrer que CES PUTSCHISTES N’ONT PAS LE DROIT D’ORGANISER UNE ELECTION QUELCONQUE !!!
    Le fameuse Constitution de novembre n’est reconnue par aucun pays ! Les putschistes essayent de cacher leur désarroi, en faisant semblant de préparer, d’organiser une élection soi-disant transparente et crédible !!!
    Combien de fois faudrait-il redire ici, qu’ils n’ont aucun droit pour ce faire ??
    Où sont-ils tous ces spécialistes en droit tels que P. Rajoelina et cie, pour nous prouver le contraire ?
    Tant qu’il y aura unilatéralité, Il n’y aura jamais de reconnaissance !! Les TIM qui ont paraphé à Ivato le savent maintenant, car l’Union européenne leur a fait comprendre l’état de la situation, en maintenant les sanctions tout récemment !
    Afin de cacher également leur nullité ( Zéro ), dans la gestion des affaires publiques ainsi que des crises morale et sociale générées par le putsch, ils occupent l’esprit du peuple par des projets qui n’aboutiront nulle part !!
    Il est temps pour tous les malgaches de dire STOP A TOUTES CES INEPTIES !!! Voyez comment le Simao avait mené en bâteau le peuple tout dernièrement ! Et la SADC n’y est pour rien, car il est fort probable sinon sûr, qu’il avait été acheté par la Hachaté !
    Un soi-disant « docteur » ne s’amuse pas à accuser un autre « docteur », alors que la vie d’un peuple leur avait été confiée !
    PERTE DE TEMPS, PERTE D’ARGENT ET PERTE DE CREDIBILITE POUR TOUT LE MONDE !!!

    FONCTIONNAIRES, REVEILLEZ-VOUS !!!! A FORCE DE VOUS TAIRE, VOUS VOUS RENDEZ COMPLICES DE CES MALFRATS, DE CES BANDITS !!! VOUS ÊTES DEBITEURS ENVERS LE PEUPLE, CAR C’EST LUI QUI NOURRIT VOS FAMILLES !!!

    Ne nous obligez pas à dire, FONCTIONNAIRES : ZERO !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *