Fivorian’ny SADC teto Sandton : Mody tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana.

Taorian’ny fivorian’ireo filoham-pirenena sy solon-tenan’ireo  mpikambana ao amin’ny SADC, dia nitafa tamin’ny mpanao gazety ny filoha mpanantanteraky ny SADC, Dr Salomao, nivoitra tamin’izany fa « mahazo mody tsy misy fepetra » ireo sesin-tany ara-politika ivelan’ny Madagasikara ary isan’izany ny filoha Ravalomanana, io dia voasoratra ao anatin’ny artikla faha 16 .

Nolazainy ihany koa fa hasiam-panitsiana ilay « sori-dalana » nodinihina tany Gaborone.

Inty entinay aminao ity ny fanambarana navoakan’ny SADC : Communinqué SANDTON RSA -11-12 june

22 pensées sur “Fivorian’ny SADC teto Sandton : Mody tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana.”

  1. Dikan’izany dia tokony mahazo mandray fiaramanidina miala avy ao Jo’bourg mankaty Tana izany ny filoha Ravalomanana.Mahafaly ny maheno izany vaovao izany.Tena dingana lehibe no vita.Misaotra ny SADC sy ny UE ary ireo GTT.

  2. Matoria @’izay aloha fa rahapitso dinihina miadana! f’inona ary ity!manofy ratsy eo fa ataovy!
    bonne nuit!ny olona efa matory daholo fa tsy hisy hiady hevitra aminao eo!
    « IZAY VOASORATRA DIA VOASORATRA E! »

  3. Toa mifono zavatra hafahafa marina ity voalaza ato ity?
    Tsy mahafa- po aloha ilay izy fa sady tena ohatry ny nandiso fanantenana
    ihany raha izao no fandehany!aleo ho hita eo rahapitso!
    Ohatry ny maivana loatra dia misy vahana ho an’ny foza ihany.

  4. ka izay ilay nolazaiko. ny foza v izany no asaina hikarakara fifidianana. efa hita fa mmpangalatra iray trano dia mbola ireo ihany no hiteheran’ny SADC

  5. fanaovana tsinotsinona ny « UE »mihintsy izao!tsy nahavoa tany ireto frantsay dia
    aty @ SADC no mitonantonana,fa tsy misy hanaiky izany eo !arytsy misy hanao
    sonia koa.
    Mody tapenany maso @’ilay fodian’i dada isika,tena tsiavanona ,tena manao antsika ho vongany
    mihintsy ireto frantyinalika TSIVANONA ireoo.

  6. tena tsymiheritreritra mihintsy ireo olona ao @ SADC ireo fa Afrika iray manontolo mihintsy no ho
    tandindonin-doza rehefa tsy ho voahiliny io DOMELINA io na mbola homeny vahana ihany nefa efa
    miharihary tsy takon’afenina intsony ny asa ratsiny sy ny hadalany.
    Mbola tsy vita indray ity e!ahoana no hanekena an’io???????TSY MISY MANAO SONIA EO AN!!!
    TSY MISYMANAIKY an’io eo!
    TETEZAMITA tsy misy foza !,soa fa ny an’i UE no tonga aloha!dia io no arahintsika fa andry zareo ny azy.

  7. Isika izany anie tsy dia mandalina loatra e Ranavalona e!
    Midika zavatra betsaka anie ilay fitenenana hoe « participation au processus politique » e! Dikan’izany dia TYS MAINTSY miaraka amin’ny Filoha RAVALOMANANA ny « processus malgacho-malgache » ary ao daholo no firesahana ny momba ny zava-drehetra: reconciliation nationale, gouvernement d’union, élection présidentielle, CENI, restructuration de la HAT,….!
    Koa amiko tsy misy ahiahy intsony izany fa dia anjaran’ny rehetra TSY MISY ANKANAVAKA izany no mivory mandinika ny fepetra rehetra ho raisina (inclusivité, consensualité)
    Ny SADC dia nametraka fotsin fepetra roa:
    – Le retour inconditionnel de tous les exilés politiques pour diverses raisons, INCLUANT le Président Marc RAVAOMANANA,
    – l’amendement de la feuille de route

  8. Bonjour daholo e!

    Faute be aho, fa nihevitra hoe izaho no voalohany hahita ny vaklin’ny raharaha ! Hay efa tara be ! 🙂

    Mivadika indray izany ny pejy ?!
    Leo tanteraka ity TGV ity mihitsy fa mbola misy tavela ao an-tsaina ao hoe, sao manomana alikàna any indray ilay tsy vanona io !

    Mbola tsy hitako ny Articles fa dia hamaky izao !
    Ny mikasika ireo Gadra politika no tena mahamay aho re olona a!
    Na izany na tsy izany, dia
    – TONGAVA SOA I DADA, fa hakotroka ny fandraisana eto an-Tanindrazana !

    Hifampiaro isika, fa
    Izahay hiaro anao ary
    ianao Hiaro anay
    Fitiavana mifamaly ny antsika noho ny Fitiavan-TANINDRAZANA !

    TGV DEGAGE !!! TGV DEGAGE !!! TGV DEGAGE !!! TGV DEGAGE !!! TGV DEGAGE !!!TGV DEGAGE !!!

  9. N° 17: liberté d’expression, libération des prisonniers détenus pour cause opinions différentes des putshistes, ré-ouverture des diverses stations radio/télé clôturées par ce gouvernement putshiste, …

    Apprêtons-nous à accueillir le président ra8 avant le 26 Juin 2011, pour le reste si douteux: wait – see and re-act

  10. prochaine amendement :
    1 – Ny Praiminisitra dia olona tsy ao anaty mouvance (???) ary to teny (???)
    2 – Asiana fanitsiana avokoa ny CT ; CST ; CENI ; HCC ( interim)
    3 – Ny sonia farany dia hatao eto Madagasikara

  11. miandry ny lainga hafafin’i Radomelina @’ny vahoaka indray? Izy aloha tsy maintsy mandika vilany. Miomana fa mahita lazaina indray ilay mpandainga iny

  12. Tsilian-tsofina ity e !Tnnws !

    Amin’ny 17 h hono eny amin’ny Avenue de l’Independance :
    – KLAXONs SY DRAPEAUx ary TEE SHIRTs e !

  13. Hafakely ny endriky ny 26 juin izany, amin’ity taona ity !
    Mitohy ny tolona, satria mbola manjavona vao marina ny andro ! Mbola betsaka ny zavatra tsy mazàva sy tsy azo ekena !
    Modia malaky ianao Monsieur le Président !

  14. Heeee! Misaotra an’Ilay Avo indrindra, fa na dia mafy aza ny làlana nodiavina, misy antony ny zavatra rehetra ary: « mahay ny zavatra rehetra (Izy) izay tsy takatrao, mampody ny aizin-dàva ho maraina vaovao » hoy ny tònon’ilay hiran’ny antoko mpihira Ambohijatovo Fitiavana izay.
    Faly aho ary manantena fa hivoaka ny zandriko sy ireo rehetra nosamborina sy nogadray tsy an-drariny noho ny hevitra nijorony tamin’izao toe-draharaha izao.
    Andriamanitra tsy andrin’ny hafa… Ny zavatra rehetra atao na tsara na ratsy dia tsy maintsy mivaly, manomboka eto an-tany! Hoy ny ohabolana malagasy hoe: Ny atao hono toy ny salaka, tsara atao mihodidina, ratsy atao mihodidina (an’ilay nanao azy!)

  15. Tsy sanatria ilay fodoan’i dada no tsy mahafapo ahy fa dinio akaiky ray olona fa
    misy fandrika be ao a!Tsoriko aloha fa tsy mahafa- po ahy velively io raha izao
    no fandehany ,ary tsorina fa mbola mamofopofona frantsay ao ambadika,tsy avelany ho afa maina
    mihintsy isika.
    Tsy maintsy miady hat@ farany isika fa ho hita eo izany » fahalalahana « izany raha ho tanteraka fa
    « Miala ny foza no fantatray! »tetezamita tsy misy foza,fa rehefa mbola tsy voasambotra alohan’ny
    fifidianana izy dia mahazo fidina.Efa midanadana ny varavaran’ny TSIAFAHA ho azy na any @ 18
    Mahazo misafidy izy.Leo!leo !leo foza e!

  16. Misaotra betsaka Boby fa tena tsy hitako indray iny a! Izao izany no tena mamaporofo fa « super sans qualité » ny HATay, indrindra ny Filohany! Normal raha manana Q »I plus que négatif » rizareo!

  17. aleo andeha ny fifidianana fa miandry zay izao dia aminty fitondrana loa ah
    nenay loa nde hat ihany fa tsy miala zay

  18. faly aho raha tonga ny fifidianana
    nde amizay mahzo filoha vaovao ntsika
    na i Andry Rajoelina no ilatsa dia ifidy azy ntsika
    nde lany an!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *