Heloka pôlitika

Fifanarahana no hiteraka ny famotsoran-keloka sy fifidianana malalaka

Ny ady pôlitika rehetra niteraka “heloka pôlitika” teto ambonin’ny tany dia tsy misy misy hidiran’ny fampiharana lalàna an-jambany fotsiny. Tsy maintsy eo ambony latabatra (dinika politika) no atao ny fifanarahana dia iny no havadika ho lalàna hankatoavin’ny rehetra. Tsy mila fahefan’olon-tokana izany, tsy mila parlemantera, tsy mila jery vilana, tsy mila don-tandroka, tsy mila toky am-pasana.
Nahafaty olona marobe ny ady lehibe roa nisesy teto amin’izao tontolo izao. Dia nofaranana tamin’ny alalan’ny fifanarahana politika. Natsangana ny firenena mikambana (ONU) hisoroka ny ady lehibe na ady isam-paritra. Niroso tsikelikely izany, ary nisy indray ny fivondronana isam-paritra toy ny “non-alignés”, ACP, OTAN, UE,UA,SADC,COMESA,OIF,COI…Tsy afaka hisaraka amin’ireny vondrona iraisam-pirenena ireny ny firenena maneran-tany, ary tsy maintsy hitadiavana vaha-olana ny isak’ireny vondrona ireny. Tsaroana ny fifanarahan’ny telo tonta (Ejipta-Etazonia-Israely) tany Camp-David, ary ny vao haingana dia ny tany Irak sy Afganisthan: Tsy maintsy fifanarahana eo amin’izao tontolo izao ny fomba fandefasana tafika handaminana any. Eo amin’ny firenena indray raha misy olana politika dia tsy maintsy ny sehatra isam-paritra no mirotsaka an-tsehatra. Toy izany ny tany Comores, Niger, Guinée, Côte d’Ivoire, Soudan.

Fanonganam-panjakana

Aty Afrika ankehitriny no tena ipoiran’ny fifandrohitana politika mafana vay. Tao Afrika Atsimo dia olana politika ny fifamonoan’ny mainty sy ny fotsy, foko roa nifanandrina ny tany Rwanda. Gidra ho amin’ny fiovàna repoblika ny tany Côte d’Ivoire, Niger, ary Guinée sy Magadasikara, ohatra. Fa nilamina ihany Afrika Atsimo na mafy aza ny namafa ny fifamonoana sy fangejana ny mainty, rehefa nifanaraka sy nifandray tanana ny mpanao politika. Faty olona an-tapitisany ny tany Rwanda, ary nisy ny fitsarana iraisampirenena, nampiononona ny saina rehefa tonga ny fifanarahana politika. Ny tany Côte d’ivoire dia tetezamita lavareny, ary dia niroso amin’ny fifidianana rehefa nifanarahana ny lalana hizorana. Ny tao Guinée dia ny miaramila nanongam-panjakana dia nihataka tanteraka tamin’ny saritaka politika ka tojo amin’ny fififianana ihany ry zareo… Ireo rehetra ireo dia hivandravandran’ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy azo afenimpenina , na koa terena handeha amin’ny zotra tokana tian’ny mpitondra ao amin’ilay fienena fotsiny. Tsy ho tonga ireo dingana ireo raha tsy ny mpanao politika no manao ezaka mampitony ny mpomba azy, mamolavola fifanarahana heken’ny rehetra. Izany dia tsy maintsy hatao mba hisorohana ny fiverenan’ilay fifanonganana, na koa ny fifamonoana. Fa efa nolalovantsika ve izany dingana izany? Sa efa nilaozantsika?

Fifampihavavanana

Lasa hampianarin’ny firenena hafa ny dikan’ny fihavanana isika. Tsy fampihavanana no kendrena ao aorian’ny ady saritaka politika fa fifampihavanana. Tsy hampihavanin’ny firenen-kafa akory ny mpanao pôlitika mifanadrina, fa samy tokony hiaiky fa misy ny heloka pôlitika nateraky ny fiarovana hevitra pôlitika. Ireny heloka ireny dia tsy “ady heloka tsotra” hifamaliana faty hanpiitatra ny fery, fa dinika politika no hamahana azy. Ary rehefa samy mahatsapa izay fahadisoana sy heloka izay dia miaraka manorina ny lalàna hifampifehezana. Sarotra be ve ho an’ny mpanao politika Gasy ny manantanteraka izany? Sarotra satria voabaikon’ilay jery vilana sy mitanila. Ohatra: Voarokan’ny fanjakana notarihan’i Ramose ilay Mompera iray mpaneho hevitra tamin’ny alalan’ny firaha-monim-pirenena iny, saingy niverina tsy nisy arakaraka. Ankehitriny miverina eto amintsika ny vahiny iray voaroaka tamin’izany fotoana izany koa kanefa dia voatondro ho merisenera, sy mpanakorontana ka nohadihadiana. Niditra nilamina sy tsy misy dinika ny mpanao pôlitika “voasazy” maromaro, kanefa diamisy voailika sy tsy avela hiroso amin’izay fiverenana an-tanindrazana izay. Misy izany voasafosafo sy hodiana mikimpy? Eo ilay mahatonga ny sehatra iraisam-pirenena tsy manaiky sy tsy mino ny mety ho filaminana eto amintsika. Sady mitonona ho raiamandreny ny mpihazona ny fahefana no mifanandrina mivantana ihany koa amin’ny mpanao pôlitika mpifaninana aminy. Dia mazava loatra raha hamporisihin’ny OIF (vondron’ny mpampiasa ny teny Frantsay) hiroso any amin’ny fifidianana tena marina sy hifaneken’ny rehetra. Izany dia azo hadika fa fifidianana fitaka sy tsy mbola nateraky ny fifanarahana no hirosoan’ny mpitondra Avo ankehitriny ity.

Fifidianana

Tsy hisy lanjany io fifidianana kasaina hatao io, raha tsy misy fifanarahana pollitika mazava, raha tsy misy fifamotsoran-keloka hifanarahan’ny mpanao politika rehetra fa hampiharina amin’ireo “voaheloka ara-politika” rehetra tsy an-kanavaka. Tsy maintsy mamafa alahelo sy ratra raha te-hifaly sy hanana fientanana vaovao indray. Ny ankoatra izany dia tsy maintsy ady saritaka sy ady lavareny. Ny sehatra sy ny tantara iraisam-pirenena dia tokony hakàna lesona raha tiantsika ny filaminana sy ny fifampihavanantsika samy Gasy. Ny mifanohitra amin’izany dia hantsana midanadana no hivarinantsika mianankavy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *