Lasa mpisolovavan’i Rajoelina i Père Pedro?

Pedro avocat de Rajoelina

Niteraka resabe teo anivon’ny fiarahamonina ny tsy nanatrehan’ny arsevekan’Antananarivo ny matso teny Mahamasina ny Alahady teo.Tonga saina ve OMAR fa diso lalana nanara-dia ny mpanongam-panjakana hatrizay telo taona izay sa…? tsy misy jamba noho izay minia tsy mahita tokoa, aleo tara toy izay tsy tonga mihitsy e!

Amin’ny fiarahamonina Malagasy tokoa manko dia mitondra anjara birika lehibe ny mpitondra fivavahana.Izy ireo no aro fanina hoan’ny vahoaka koa tsy tokony hiandany be fahatany sy hiaro izatsy na zaroa, kanefa kosa tokony ho sahy hilaza ny marina hatrany, telo taona tao anatin’ny fanonganam-panjakana tokoa izay ny Malagasy, telo taona nanjakan’ny ratsy, nitotongana ny farim-piainan’ny vahoaka, potika ny fiaraha-monina sy ny toe-karena, very asa ny olona an’alinkisa, tsy afa-mitsabo tena intsony ny olona, vokatry ny asan’ny devoly niseho tamin’ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry TGV.

Fa ny nanaitra ihany koa ity lazain’ny Père Pedro ity.Tena lasa solombavan-dRajoelina mihitsy ilay « raiben’ny 4mi » .Efa hatrany amboalohan’ny krizy no hita fa nanohana mafy an’i Rajoelina i Perdo, tamin’ny fanomezana ireo olona fehezina nameno ny kianjan’ny 13 mai, ny nandefasany ireo olony nandroba ny TVM sy Rnm ary ny Tiko sy Magro,  nitohy tamin’ireny firaisana tsikombakomba nanapenana maso ny vahoaka amin’ny tsena mora, izao ity lasa mpisolovavan’i Andry Rajoelina ilay pretra.

Ny tena nahatezitra ny olona tamin’ity tenin’ny P.Pedro ity ny nilazany fa tsy tokony hody an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana.Fahefana avy aiza moa no hahafahany tsy mampody an-tanindrazana ny filoha voafidim-bahoaka? Sao mba izy no tokony hiverina any amin’ny tany niaviany? toa ny P.Urfer ihany koa?

Lotoin’ireto pretra ireto ny fiangonana katolika, « miseho lehibe noho i Papa? » tsy mahagaga raha mitombo isa izay tsy izy ny « sekta » sy ny fiangonana zandriny.Raha nenjehina mafy sy noharatsiana ny fiangonana iray teo aloha fa manohana ny fitondrana, ankehitriny ny « pedro » ihany no  » urfer ».

7 pensées sur “Lasa mpisolovavan’i Rajoelina i Père Pedro?”

  1. Mba mifalia ry Pedro fa mbola avelan’ny gasy mipetraka eto Madagasikara ah!!! tsy mahagaga raha noroahandRatsiraka ianao tam fotoanandrony. Mandeha tsara aloha ny aferanao zao eh, sa de tsy maintsy miteny fa efa matahotra ny zavatra hitranga.

  2. Napetrak’ialahy mihintsy izahay t@ dian’ialahy farany taty aminay ry Pedro an , tsy maninona fa raha miverina @zao ialahy dia miomana @zay ok

  3. Père Pedro!
    Ce n’est pas parceq ue tu as aidé les miséreux de Tanà (dont ce sont tes amis frantay qui les ont rendu tels aujourd’hui), que tu te permets de juger notre Président au point de l’interdire de retourner au pays!
    Attention!.. Car tu n’es pas en France, mais à Madagascar!… Et remercies-nous de t’avoir encore laissé tranquille!.. Alors, fermes ton clapet et fais-oi le plus discret possible!
    Pauvre véreux, va! Espèce de. c……..!

  4. Vive le dialogue inter-religieux du HAT/TGV: le FPVM et le Pasteur Mahiol avec le Pere Pedro renforcent leurs positions et forment une plate forme de concertation pour le partenariat eglise-etat .

  5. Tsy tonga saina ny vahoaka mahantra maro an’isa!Rehefa mahantra isika dia mahazo asa i Pedro, afaka manjanaka antsika tsara satria tsy maintsy hangataka any aminy isika. Mazava ho azy fa ny Frantsay no mpanohana azy amin’io. Io ilay fanjanahana amin’ny endriny vaovao. Koa mandiniha, fa tsy voahozona isika, fa mba toy ny olona rehetra nomen’Andriamanitra fahalalana ny hivoatra sy tsy hianki-doha aman’olona be fahatany. Tsarovy fa henatra tsy roa amn-tany ny fisian’io toby Andralanitra io.

  6. Ny firenena matanjaka rehetra dia nampiasa foana ny fomba ratsy ,n’aiza n’aiza nandalovandry zareo mba hivelarany fangalarana aha-panankarena azy ireo:
    – « Chercheurs scientifiques » no alefa, mody hoe hikaroka sy hizaha tany.Mano tatitr aireo
    – « Missionera » indray ny manaraka, handrava ny fomban-drazan’ireo mponina lazaina fa « sauvages », « dans l’obscurité »;dia mampitoetra ny kristianisma izay nifehy ny fomba fisaiana amampanao mba ho « civilisé »; dia tafiditra anaty « circuit économique occidental » ny vahoaka voababo, tsy maharaka afa tsy ny « consumérisme » izay mandombosaina sy mampahanatra fotsiny anefa.
    – « Militaires », no fahefana fanmpiny rah sendra ka nihevitra ny hanohitra ny tia tanindrzana sasany.
    N’aiza n’aiza ary na franstay na anglisy na espagnol, nanjanaka di anammpiatra io  » processus de colonisation » io. Ny fotoan sy toerana no samifaha fa ny « colonisation » frantsay no nadombo indrindra satria rehef atafaraka ny samy « colonisés » dia mihavaka foan ny fahteren-tsainy ireo « francophones »!
    I père pedro dia ‘espion » iray @ ireo maro mihainana any Dago anie e!
    Mila mampiasa ny hafetsena samihafa ary aingana ry sarko satria mijoro hanohitr afoan ny filoha Ravalomanana.
    Antsika ny manondrotr aingan ny tanjaky ny vahoaka, @ fahampafantarina azy ireo ny tena marina @ tantaram-pirenena.
    Vahoka tsy mahafantatra ny fihaviany dia tsy afaka mijoro sy hiatrika ny ankehitriny ary hibanjina ny ho aviny.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *