Manao politika indray angaha ny TAFIKA?

IMG_0971

Niteraka resabe eny anivon’ny fiaraha-monina indray ny fanambaran’ny lehiben’ny  Tafika androany, izay manambara fa tsy mankatoa ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-Tanindrazana izy ireo.
Mipetraka ny fanontaniana, f’angaha moa manao politika indray ny Tafika Malagasy? tsy azo lavina manko fa fanam-pahan-kevitra politika izany koa tsy tokony hidiran’ny Tafika velively.

Voaporofo araka izay fa miaro ny  mpanongam-panjakana , izay hitan’izao tontolo izao fa tsy mahavaha olana ara-politika, ara-toekarena, ara-tsosialy ny begalona, koa sahy  mandray fanam-pahan-kevitra anjambany.Tompon’antoka tanteraka amin’ny fahasahiranam-bahoaka sy ny fahantrana mahazo ny firenena ireo Jeneraly nanao fanambarana androany, sa izay ny valin’ny volabe sy tombontsoa azon’izy ireo?

Ny tsy azo adinoina dia isan’ireo fitaovana nentin’i Andry Rajoelina nanongana ny fitondrana ara-dalana ireto « begalona » ireto koa dia tsy maintsy « miara-mipetsapetsa » aminy hatramin’ny farany.

Mitodika any amin’ny SADC ny mason’ny mpanara-baovao, hampihantra izay notinapaka ve sa hampivory sy handany andro fotsiny ihany? azo inoana ve ny fampiasan’ny SADC ny miaramila hanatanteraka izay voasonia sa ho resin’ireo miaramila vitsivitsy ampiasan’i Andry Rajoelina ny iraisam-pirenena?

Vato misaka tsy hivoahana amin’ny krizy araka izany ny foloalin-dahy malagasy.

19 pensées sur “Manao politika indray angaha ny TAFIKA?”

  1. Iny aloha dia mahavariana e.
    mety nisy vola nitobaka indray tao sady izay taorian’ny fihaonany t@ HAT no nanaovany izany fanambarana izany.

    Torhevitra ny ahy lanjao ny kobay hanenjehina ireny milisy ireny fa vaky lefa ireny raha izay no zava-misy.Izy rahateo efa iray lovia @ HAT izany ka aleo henjehina miaraka ao

  2. C’est clair que l’armée malgache prefere faire rentrer et accuellir des militaires français à mada que Ravalo ! Pourquoi parce que c’est une bande de zouave ,mais pas des militaires de l’armée nationale malgache !Question quel drapeau faudra t-il mettre sous les troupes de l’armée malgache ? Question à deux sous !

  3. Dia efa tsy valahara sy vaky hatatra mihitsy ireto tafika ireto ka!…
    Miala tsiny aminareo tafika rehetra ny tenanay, fa raha misy miaramila tena hiaro ny tanindrazana, dia mialà ao, ary aza mipetsapetsa ao intsony, satria raha misy dia misy dia ho efatra na dimy volana anie dia tsy ho eo intsony ny jiolahim-boto tompoinareo io e!
    Koa mampatsiaro anareo izahay, fa raha mbola izao no taoinareo sy ny fihetsikareo, dia TSY MILA ANAREO AKORY NY VAHOAKA MALAGASY HIARO AZY!

  4. Io efa lazaina fa fanainiana hatao mba hankahalan’ny vahoaka ny tafika.
    Koa aoka isika ahay hanavaka tsara fa misy ny Miaramila-potaka ary
    voakarama, fa ny tena miaramila manar-dalana mbola misy dia misy tokoa ao ary
    mijaly sy mangirifiry toa an’ny sarababembahoaka izy ireo.Ireo miaramila-potaka ireo aza
    anie ka fitaovana fotsiny sy toatra hiakarana hitadiavan’ireo be hatoka » GALONA » fotsiny e!
    Koa aza dia manome tsiny azy ireo isika fa izy koa mba mafy ny adiny!

  5. Raha ny sata repoblikanina no hararina dia tsy manan-jo ny hanao fanambarana toy irey ny tafika. Saingy tsy izany no ny tafika eto Madagasikara fa MPIKARAMA AN’ADY no azo hilazana azy hatramin’ny 2009 no mankaty. Ingahy Rajoelina dia mody tsy be teny momba ny fodian’ny Filoha Ravalomanana, saingy iretsy mpitari-tafika miaraka aminy kosa no notambazany mba hanao an’io fanambarana io.
    « Handray ny fepetra rehetra ilaina » hono ry zareo. Tsy sorotra no maminany fa mbola basy sy tafondro indray izany no tiany hambara eto. Efa nianana teto izany nandrity ny 800 andro mahery izay.

    Ny manitikitika ny saiko dia ny hoe: inona moa no ilana an’io tafika io? Raha misy manafika i Madagasikara, aharitra firy MINITRA ny fanoheran’io tafika io alohan’ny hilavony lefona?

    Raha ny vahoaka mivantana aloha dia tsy mahazo tombotsoa amin’izany tafika izany nefa dia ireo no mamelona ireo sy maintoka an’ireo hatrany amin’ny ati-kilaotiny.

    FONGORONA SY RAVANA NO MAHA METY AN’IO!

  6. il faut dresser une liste et eliminer le ou les « cerveaux » qui sont encore sous le commandement des « colons » !!!!il ne VALENT rien et il faut des militaires de rang pour pour les destituer !!!!

  7. iza no mbola manome vola ireto tafika sy ry tgv ireto ? efa miha ritra ihany manko ankehitriny !!!ny karana aloha angamba tsy latsaka e!,ny frantsay koa angamba !!!efa akaiky ihany ny farany e!!!

  8. tsy hita mihitsy izay ilaina ireo tafika ireo fa ampiasaina atao heri-pamoretana fotsiny ihany. Matahotra mafy @ hiverenan’i filoha Ravalomanana izy ireo satria hipoitra ny marina,eny na dia ny momba ny 7 fevrier aza, ka @ ireo miaramila voakarama ireo ihany no nanao izany e,jereo @ izao fotoana izao ny firongatry ny asan-jiolahy fa mbola ireo tafika ireo ihany no ao ambadika.Tena tsy misy ilaina ireo fa mpandany volam-bahoaka fotsiny ny akamaroany.Mifohaza ianareo ry zalahy tafika izay madio ary aza miray petrapetra @ ireo,mijoroa ary mihara @ vahoaka,fotoanany izao.

  9. Ndro ireto izy. Galona taiza moa izao ireo isalorany ireo? Mampahatsiaro ahy an’ilay Bac 6 de moyenne taloha. Matoa ialahy isany manao fanambarana politika dia midika izany fa mizarazara, ka iaalhy isany ireo no efa mando pataloha. Tsy handrangitra intsony aho fa mivavaka hoan’ny Tanindrazan-tsika mba hahavita ratsy intsony ialahy isany ireo. Tsy laitran;lisany anie ny kapoka avy any ambony e! indrindra fa ialahy isany tsy mino sy manivaiva an’Andriamanitra (i Rabri le jeneraly zendaka matvy be iny ohatra izao le teny @ FIGN dia niseho milay; ho tapaka lalan-dra iny ato ho ato)

  10. Boloky ireo e! efa tapa-tenda domelina dia ireo indray no hasaina manao
    tsianjery maimbo,araka ny efa mahazatra !tsy dia misy vao2 loatra amintsika
    izay voalaza eo,tsy vao izao koa isika no nahazo fampihorohorona,ary tsy isika irery fa ry zareo
    koa nahazo T@ dian’i HILLARY CLINTON Taty Afrika ,avelao hanao lalapoza eo ihany fa te ho
    hanaraka ny lalan’i Ben Laden angaha.

  11. Tsy manao politika kosa aloha ny miaramila gasy fa miaro fotsiny ny foza sy ny fananany e! Aleo hazava tsara!

  12. C’est avec plus de tristesse et de douleur que de colère que je constate :
    Nous N’AVONS PAS UNE ARMEE MAIS UNE SOLDATESQUE
    En faisant cette déclaration, la soldatesque s’est ridiculisée et a ridiculisé le pays
    ELLE A même signé son arrêt de mort à plus ou moins long terme parce qu’elle a divorcé de la Nation
    CAR LA NATION EST ETERNELLE ALORS QUE L’ARMEE N’EST QU’ UNE ORGANISATION CONT

  13. Tsy ny miaramila rehetra ireo, i Ndriarijaona ange nilaza omaly fa raha misy te-hanao fanambarana dia tokony hiseho fa tsy hiafina, dikany, misy tokoa ny miaramila tena mahatsapa ny handraikiny. Tsy hadala anie Ra8 raha nilaza tany AF fa tsy azo hitokisana ny mpitandro filaminana eto fa olona matim-bola sy tia voninahitra ny mpitarika azy e!
    Na izany aza, ny SADC dia tsy azo hampitahorina amin’ireny, jereo i MUGABE, nandà mafy ny fiaraha-mitantana tamin’i Tsivangiray satria nanana ny tafika tao an-damosiny sy i Khadafi, saingy rehefa niditra ny SADC hampandry tany dia izao iaraha mahita izao no vokany. Aza hadino, fa izay rehetra ho avy eo dia iarahana amin’ny UA sy ny ONU.
    Horakoraka ny an’ny sahona fa ny saobakaka no tompon’ny rano!

  14. Tena mankaloiloy tanteraka ! Marina mihintsy ny hevitry ny maro hoe: tsy hita izay ilàna ny tafika na ny miaramila eto Madagasikara.
    « Mercenaires » no azo ilazana anareo! Ary ireo izay milaza ny tenany ho tsy momba ny ataon’ireo tsy valahara ireo, anefa tsy mahasahy mijoro amin’ny marina, amiko dia toy ny miaramilam-potako ihany, couards!
    Lozanareo bibilava taranaky ny menarana…!

  15. Dans l’affaire BANI, il était sur le point d’être botté au cul par Camille
    Cette fois-ci il lèche leurs bottes bien que ça sent fromage suffoquant

  16. Nahazo sôsy ny TAFIKA knou !
    Fa nga adinotsika fa izy ireo no nanolotra ny pouvoir t@ DJ kely, nanao complô ! Nitsiry ny villas etsy sy eroa, nitombo ny 4×4 mi provoquer embouteillages ao Tanà !!!
    Mazava ho azy fa raha miverina i Président Ravalomanana dia very KAPÔKA ireo, ny barety sandoka ho voaendaka !!!

  17. Ranavalona,
    Boloky manao dictée préparée ireo Tafika ireo. Izay manao sans faute de mahazo THB iray kazô !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *