Miarahaba ny Malagasy rehetra nahatratra ny faha-51 taonan’ny nahazoana ny fahaleovan-tena.
Miala tsiny indrindra ny tenako raha maneho ny hevitro momba ny zava-misy fa tena tsy haiko ny hangina manoloana ireo fahoriana mavesatra lanjain’ny VAHOAKA MADINIKA.
Ny kabary izay nataon’Atoa Andry RAJOELINA no tiako asiana fanamarihana maromaro.
1-Nahoana ny mason’ny Vahoaka no tampenana @fety be isan-karazany (podium, afomanga,spectacle gratuit…)Moa ve izany no olany @izao fotoana izao?Ty fiainana mihasarotra isan’andro ty,midika filaminana ve ny fiharetan’ny olona?Efa manaporofo ny fahantrana ny asan-jiolahy sy ny hala-botry etsy sy eroa;ny mpatory amoron-dalana mitombo isan’andro.Ekeko fa tia « manala azy » ny Malagasy,eny, te hanadino vetivety ny adim-piainana sy ny tsy fahampiana izy!zara aza misy fety maimaim-poana mba hanamaivana vetivety ny adin-tsaina tsy mahatafandry mandry isan’andro vaky izao.
2-Nohirahirain’ireo mpitantara mivantana t@televiziona ny akanjo nanaovan’ny « Filoha’ny FAT ».Tsy omeko tsiny izy ireo satria mino aho fa baiko no notanterahin’izy ireo.Niverimberina mandra-pahavitan’ny matso sy ny vaovao rehetra ny hoe »marihina moa fa ny akanjo anaovan’ny filoha Andry RAJOELINA dia fitafiana malagasy tanteraka nozairina tanana vita tenona… »Ohatran’ny hoe te hilaza fa tsy nisy nanaja ny maha-Malagasy ireo filoham-pirenena nifandimby teo aloha satria « costard » no nisalorany.
3-@fomba ahoana moa no ahasahian’Atoa Andry RAJOELINA manao fanoharana @alalan’ny Tenin’ny Soratra Masina ny zavatra mianjady amintsika eto Madagasikara?Noraisiny ny Teny voasoratra ao @Matio 8,23-27 izay manambara ny tafio-drivotra nitranga raha iny niondrana an-tsambokely iny Jeso sy ny mpianany…Mihevitra ny tenany ho « MPAMONJY » ka afaka hitondra « miracle » eto @firenena ve izy?Eny e!misaotra azy mampahatsiahy ny Tenin’Andriamanitra fa sasanangy samy hafa mihitsy satria:
*Jeso dia Andriamanitra,madio tsy misy pentina,tsy mpanota ary eo am-pelantanany ny Fahefana rehetra
*Tao anatin’ny ora vitsy no niondranan’-dry zareo an-tsambo ka nisedrany ny tafiotra.Fa ny antsika Malagasy ity toa zary efa tandra vadin-koditra ny olana,efa ho 3 taona anie izao no naha-TETEZAMITA ny tetezamitan-dRAJOELINA e!sa rehefa tapitra ny tetezana lavareny dia hisolo tonelina maizin-kitroka indray?Aza hitako aza mahita ahy izany ry Andriamanitra ô!Dradradradraina mba hanam-paharetana sy finoana ny Vahoaka kanefa toa vao mainka mihalalina ny raharaham-pirenena!
4-Nitolona mafy ary tsy nitandro ny ainy ireo Razantsika nahazoana indray ny faha leovan-tena.Indrisy anefa toa maty momoka fotsiny izany tolona izany raha ny zava-misy ankehitriny no dinihina.Miverina manjakazaka sy mitady toerana indray « Lafrantsa reny malala » izay nanjanaka antsika t@izany,misy tombotso tadiaviny ao ary « ny hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha ».Mahita an’izay mody manome 4×4 ny tafika dia hoe novidian’ny fitondram-panjakana.Nahoana no tsy nolazain’Ingahy Filoha ny vidiny raha tena novidiana tokoa?Ary misy vola nividianana an’ireny ve(fiara occasion fa tsy vaovao) tsy naleo mba nanasoavana ny mahantra, ny tsy manan-kohanina, ny tsy manan-kialofana,mandry amoron-dalana, ny tsy an’asa marobe?Mampalahelo fa tsy hitan’ny FAT izany rehetra izany satria izy sy ny manodidina azy mipetraka @Villa confort, mihinana hanim-pitoloha, miakanjo tsara,matory @fandriana 5 étoiles ary mahita vola ampiasaina hatrany hatrany.
5-Milaza ho mahatsapa ny tebiteby sy ny fitaintainana ary ny ahiahin’ny Vahoaka izy kanefa toa lalaovin-dry zareo fotsiny ny raharaham-pirenena.Zarany aza mitohy hatrany ny tetezamita mba hamenoany ny paosiny sy hanodinkodinany volam-panjakana ary anaovany afera maizina isan-karazany.
6-Mampalahelo ireo mpitandro filaminana satria misy ny tsy fitovian-jo na dia samy mpitandro ny filaminana aza.Singaniko manokana ny « agents pénitentiers ».Raha voalaza fa nividy fanamiana vaovao ny fitondrana ho an’ny tafika dia maro ireo nanao izany t@matso lehibe tetsy Mahamasina t@fankalazana ny fetim-pirenena.Voamarika nazava tsara kosa anefa fa ry zareo pénitentiers dia nahazo fanamiana vaovao saingy nomarihany tsara fa « volan’ny fandraharahana ny fonja manontolo » no nividianana ireo!Azonao ve ny tiako ambara?Tsy mila tmpenam-bava izy ireo ary ireo no tena « miaramila tsy manao pôlitika ».Ireo izay nomena fanamiana vaovao kosa dia mazava ho azy fa misy tombotsoa ary misy ilan’ny FAT azy mivantana
7-Farany nefa goavana dia tsapako fa tsy tena tompon’ny fahefana voalohany ao @fitondrana zandry kely.Jereo anie ilay resaka famon-tsoran-keloka(amnistie) sy fanenan-tsazy(remise de peine) e!moa ve tsy zavatra efa voadinika mialoha ny kabary novakiana teny Iavoloha iny?Koa nahoana no nikoropaka ery Rtoa Minisitry ny Fitsarana ny ampitso nanao fanitsiana avy hatrany?
Misy hodinihintsika sy hotsakotsakointsika izay voasoratro izay!Asa raha mahatsapa izany ireo izay mbola manaraka ny firehan-kevitry ny FAT na minia manakimpy ny masony sy manampina ny sofiny!Tsarovy anefa fa misy farany ny zavatra rehetra, misy valiny ny ratsy atao ary Andriamanitra tsy mijery miakatra.
Samia hotahian’Andriamanitra ary mivavaha mafy ho an’ireo mpitondra ireo sy ho an’ny Firenena ary ho antsika Malagasy tsirairay.
Lahatsoratra voaray teto amin’i MyDago
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:
