Nihaona teto Afrika Atsimo, alohan’ny hiondranana an-tanindrazana ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana sy ny filoha Ravalomanana ny Zoma 11 Jona.Tamin’izany no nanazavan’i « Ramose » ny fomba fijeriny ny toe-draharaham-pirenena, « ny fifampidinihina eo amin’ny samy Malagasy ihany no vahaolana » hoy izy, « ny fametrahana ny tena demokrasia marina ao Madagasikara, ny fikatsahana filaminana maharitra, ho tombotsoa ambonin’ny firenena no tanjona » hoy izy ka mila mahay mijery lavitra ny famahana ny krizy fa tsy hatao vonji-tavanandro.
Nomen’ny filoha Ravalomanana tso-drano ho tonga soa aman-tsara any Dago moa ireto « zanak’i Dada » ireto, izay hanainga ny SAbotsy 12 Jona maraina .
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?










Androany asabotsy anie vao 11 juin ry namana malala o
Ny Fanahy Masina anie hitarika anareo rehetra any South Africa any
Maika ahazo vaovao daholo angamba ry zora, ka somary diso ny daty â !
Izao indray aza ilay izy ity nahemotra, fa tsy maninona, fa mbola manana fotoana kely izany isika handefasana ny taratasy any amin’ny SADC ! Ireo izay mbola tsy nanoratra na nandefa ny taratasin’ny GTT ary pétition, no resahako io !
Marina ihany ilay eritreritro ka :
http://www.ryranjeva.org/