Ny marina tsy mba maty. Ny tena dikan’ny lokon’ny sainan-pirenena Malagasy

Ry mpiray tanindrazana, miarahaba anao tratry izao asaramanitra izao, na dia ao anantin’ny krizy aza ny firenena. Maro ny milaza fa saribakolin’ny Frantsa ny mpitondra ao amin’ny FAT. Nisy ny fanadiadiana teo anivon’ny malagasy fa 30% ny malagasy ihany no mihevitra fa misy dikany aminy izany fahaleovantena izany. Maro ireo mihevitra fa saritsariny izany fahaleovantena izany.Izany zavamisy rehetra izany no mahatonga ny olona hendry sy manana saina mandalina hametram-panontaniana.

Ny andro toy izao dia entina isaintsainana ny lasa ary koa hibanjinana ny ho avy hoe ahoana marina moa ny dikany izany fahaleovantena izany. maro amintsika no efa hita sahady fa hitsikera sy hanisy sira hoe tsy ilaina izany, izaho anefa milaza hoe ilaina fa izay indrindra no tsy ampy amintsika fohy eritreritra ny malagasy tsy zatra manao fanidiadiana lalina sy matotra.

Ity resaka momba an’i Dada izao dia ohatra marina sy azo alaina an-tsaina ny fodiany tokony dia tokony midika amintsika fa efa nahazo lesona isika mpanaraka azy ka tsy hitsikera fotsiny fa handray anjara hanampy azy sy hanome tosika azy, hanome tolotsaina sy hevitra ho azy.

Raha momba ny fahaleovantena izay ankalazantsika androany kosa dia ity misy fandalinana tsotsotra tiako ho zaraina amintsika mianakavy, izy ity dia momba ny dikan’ny fahaleovantena sy ny sainam-pirenena.

Araka ny lalana sy ny fomba iraisam-pirenena dia lafiny maro no isehoan’ny fiandrianam-pirenena, voalohany dia ny fahaleovantena eo amin’ny lafiny lalana izany hoe ny lalam-panorenana sy lalana mihatra, ny faharoa dia ny tafika na koa ny fiarovam-pirenena na hoe ny fanana tafika mahaleotena, ary eo koa dia ny sainam-pirenena sy ny hiram-pirenena.

Rehefa mahaleo tena ny firenena iray dia ny fanana saina sy hiram-pirenena no tarigetra voalohany. Raha Madagasikara kosa no jerena dia tany amboalohany mihitsy no efa nivilana na koa tsy nanadanja izany satria ny sainam-pirenena malagasy sy ny hiram-pirenena dia ireo Frantsay no nibaiko sy nitarika ny famolavolana izany.

Ny sainam-pirenena malagasy ohatra izay noforonina tamin’ny 1960 amiko dia midika tsotra izao fizarazarana ny malagasy satria ny hevitry ny frantsay tamin’ny nanao anio dia tohizao; ny FOTSY dia midika fa any aminy fahefahana manapaka satria ny fotsy dia midika fotsy volon-koditra izany hoe ny FRANTSAY ary ny loko fotsy no mahazo toerana be indrindra sady ifatoran’ny tady, ny MENA dia midika ny ao anivontany satria ny fanjakana Merina taloha dia nisy loko mena ny saina ary mena ny lokon’ny tany ao ampovoantany.

Ny MAINTSO kosa dia midika ireo any amorontsiraka satria any be ala sy zava-maintso, ary maro amin’izizreo no Silamo ary fantatra fa lokon’ny Silamo ny maintso, ireo roa tonta ireo anefa dia tsy mahazo fahefana ary tsy afaka mitondra raha ratsy mandalo ao amin’ny fotsy satria ny fotsy no akaiky ny tsatokazo; izany hoe ilay mihazona ny saina ary ifatoran’ny tady! ary ny fotsy no mahazo toerana be indrindra eo amin’ny havelaran’ilay saina. Raha tena te hanana fahaleovantena isika dia mila soloina io saina io! Ary an’isan’ny hetsika tokony hatao izany.

Andy

5 pensées sur “Ny marina tsy mba maty. Ny tena dikan’ny lokon’ny sainan-pirenena Malagasy”

  1. Mety fomba fijery hafa izany fa tsy izany no nambara taminay raha nianatra fahiny fa mila manao fanadiadiana ise …tsy ny fanovana ny sainampirenena no maha maika fa ny toetsaina tokony hotia ny Tanindrazana: Hametraka fa ny zavatra hataoko rehetra dia no ho ny Fireneko dia i MADAGASIKARA

  2. Tsara angamba raha hamelabelatra resaka ihany,indrindra fa momba sy mikasika ny firenena Malagasy mba Zavatra marim-pototra no havoaka fa tsy resak’etotra (miala tsiny amin’ny fitenenana)
    Avohay eto ny porofo hanamarinanao ireo voalazanao momba ny sainam-pirenena raha misy.
    Ny nampianarina tany an-tsekoly mantsy zavatra hafa.

  3. Rehefa dinihina akaiky ny voalaza dia toy izao no fahazoako azy :

    – Fandikàna ara-politika avokoa ireo voalaza ireo : ohatra ny Fotsy ? IZAY VOALZA HO MANAMBARA NY fRANTSAY dia manakaiky indrindra ny fandikàna ny fitondrana frantsay mbola mihatra hatramin’izao;

    Ny Mena : kosa, aoka re e ! Toa Manomboka ho fanavakavahana ARA-POLITIKA, mikasika ny adi-poko no voalaza. Tena manavaka mihitsy fa tsy hoe fanavajkavahana ihany, fa ENTINA ho fisarahana no fahazoako ny teny ampiasaina, ka ny tanjona amin’ilay resaka dia FAMELEZANA fotsiny ny Merina. Ny hoe ny Merina no manjakazaka hatrizay anie ka hevitra natosakin’ny Frantsay, mba hamelezana ny Mpitondra fahiny e ! Tsy ny vahoaka malagasy no nampiditra ny fanavakavahana ara-poko, fa ny Frantsay, zavatra efa mazava hatrizay izany.
    Koa aok izay ny hoe ny Merina no manjakazaka eto Mkara fa hevitry ny vazaha te-hamelezana ny fomba fitondràna tsy manaraka ny tiany hahazoana tombo-tsoa ho azy izany.
    -Raha misy fanavakavahana ara-poko ankehitriny, dia hilaza ianao fa ny Merina no manavakavaka ? Hita sy mazava anefa abkehitriny, fa ireo avy any anindrana ankehitriny NO TENA MANAVAKAVAKA ARA-POKO. Vokatr’izany fanavakavahana ara-poko izany ny TSY MAHA-METY ny Fitondrana ankehitriny? SATRIA NY OLONA MITONDRA DIA fidiana HO AVY ANY ANINDRANA anefa ireo tsy mahatratra ny saina tokony hitondra ny Firenena fa milentika anatin’ny Vola sy V…ary mitady omena voninahitra fa hoe nitsakitsahina hatrizay, toy ny filazan’ny vazaha.
    Hoy Rossy izay : Afaka aho, afaka aho
    Afaka amin’ny gadrako !
    NANDEVOZINA aho taloha
    Afaka aho ankehitriny
    Afaka aho, afakao Tompo o !
    Mbola ilay complexe hoe andevo ihany no mijoro sy mifikitra amin’ny sainy, ary mitady VALI-FATY TOA an’i Rivo Rakotovao no imasoany.

    Ny maintso ve ?
    Ambany loatra ila fomba hitondranao azy, ary gaga aminao ry Laurenco Marques, mamoka izany, fa tsy nampoiziko ho ianao no hanana fisainana ataoko hoe ambany loatra izany :
    Fa ny maintso dia mariky ny Fanantenana, fa hivoaka amin’ny fananjahana ny gasy, anefa tsy izany no miseho, fa MBOLA EO ambanin’ny Fanajahana hatrany ny Malagasy. Izany no nanekeko ny voalazanao mikasika ny fotsy.
    Amiko, izay mety tsy ho ekenao, dia izany no HANDIKAKO (personnellement° IREO LOKO TELO IREO.
    mIALA TSINY AMINAO RAHA NANAFITOHINA ANAO NY FOMBA FITENIKO, fa tsy mitombona mihitsy ny voalazanao………..AMIKO !
    Veloma finaritra !

  4. Ampiako kely azafady !
    Momba ny Fiandrianam-pirenena !
    Ny adalan’i TGV anie no nampiarina tamin’io e 😮
    Inona koa ity hoe : Fitiavana-Tanidrazana-Fandrosoana ity ?
    Marihina fa hoy izy : Ny Fitiavana no lehibe indrindra !
    Tena olona tsy ampy fisainana mihitsy izany amiko satria ny Lehibe indrindra, raha miresaka Fiadrinam-pirenena dia ny Tanindrazana sy Fandrosoana, tsy misy idiran’izany Fitiavana izany mihitsy fa ry Lalatiana no voa fikitr’izany Fitiavana izany amin’ny maha « zazavavy « AZY TOY NY VOALAZAN’I rOSSY.
    Amiko manokana dia mandroso hevitra aho hoe : Tanidrazana- Lalàna – Fandrosoana no MBA hitako ho mety, hisarihina ny saina ho amin’ny Sécurité eto amin’ny Tany sy ny Fanjakana.
    Hampitandrina ny Polisy sy ny Zandary sy ny Tafika, hanaja ny Lalàna …….HIFEHY AZY….tsy ho afaka hanao politika.
    Lava be fa miala tsiny, maro ny tiana hambara.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *