Ry mpiray tanindrazana, miarahaba anao tratry izao asaramanitra izao, na dia ao anantin’ny krizy aza ny firenena. Maro ny milaza fa saribakolin’ny Frantsa ny mpitondra ao amin’ny FAT. Nisy ny fanadiadiana teo anivon’ny malagasy fa 30% ny malagasy ihany no mihevitra fa misy dikany aminy izany fahaleovantena izany. Maro ireo mihevitra fa saritsariny izany fahaleovantena izany.Izany zavamisy rehetra izany no mahatonga ny olona hendry sy manana saina mandalina hametram-panontaniana.

Ny andro toy izao dia entina isaintsainana ny lasa ary koa hibanjinana ny ho avy hoe ahoana marina moa ny dikany izany fahaleovantena izany. maro amintsika no efa hita sahady fa hitsikera sy hanisy sira hoe tsy ilaina izany, izaho anefa milaza hoe ilaina fa izay indrindra no tsy ampy amintsika fohy eritreritra ny malagasy tsy zatra manao fanidiadiana lalina sy matotra.

Ity resaka momba an’i Dada izao dia ohatra marina sy azo alaina an-tsaina ny fodiany tokony dia tokony midika amintsika fa efa nahazo lesona isika mpanaraka azy ka tsy hitsikera fotsiny fa handray anjara hanampy azy sy hanome tosika azy, hanome tolotsaina sy hevitra ho azy.

Raha momba ny fahaleovantena izay ankalazantsika androany kosa dia ity misy fandalinana tsotsotra tiako ho zaraina amintsika mianakavy, izy ity dia momba ny dikan’ny fahaleovantena sy ny sainam-pirenena.

Araka ny lalana sy ny fomba iraisam-pirenena dia lafiny maro no isehoan’ny fiandrianam-pirenena, voalohany dia ny fahaleovantena eo amin’ny lafiny lalana izany hoe ny lalam-panorenana sy lalana mihatra, ny faharoa dia ny tafika na koa ny fiarovam-pirenena na hoe ny fanana tafika mahaleotena, ary eo koa dia ny sainam-pirenena sy ny hiram-pirenena.

Rehefa mahaleo tena ny firenena iray dia ny fanana saina sy hiram-pirenena no tarigetra voalohany. Raha Madagasikara kosa no jerena dia tany amboalohany mihitsy no efa nivilana na koa tsy nanadanja izany satria ny sainam-pirenena malagasy sy ny hiram-pirenena dia ireo Frantsay no nibaiko sy nitarika ny famolavolana izany.

Ny sainam-pirenena malagasy ohatra izay noforonina tamin’ny 1960 amiko dia midika tsotra izao fizarazarana ny malagasy satria ny hevitry ny frantsay tamin’ny nanao anio dia tohizao; ny FOTSY dia midika fa any aminy fahefahana manapaka satria ny fotsy dia midika fotsy volon-koditra izany hoe ny FRANTSAY ary ny loko fotsy no mahazo toerana be indrindra sady ifatoran’ny tady, ny MENA dia midika ny ao anivontany satria ny fanjakana Merina taloha dia nisy loko mena ny saina ary mena ny lokon’ny tany ao ampovoantany.

Ny MAINTSO kosa dia midika ireo any amorontsiraka satria any be ala sy zava-maintso, ary maro amin’izizreo no Silamo ary fantatra fa lokon’ny Silamo ny maintso, ireo roa tonta ireo anefa dia tsy mahazo fahefana ary tsy afaka mitondra raha ratsy mandalo ao amin’ny fotsy satria ny fotsy no akaiky ny tsatokazo; izany hoe ilay mihazona ny saina ary ifatoran’ny tady! ary ny fotsy no mahazo toerana be indrindra eo amin’ny havelaran’ilay saina. Raha tena te hanana fahaleovantena isika dia mila soloina io saina io! Ary an’isan’ny hetsika tokony hatao izany.

Andy



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Ao aorian’i Gabarone, tsy maintsy fikarakarana ny fifidianana ho Filohan-Pirenena !
  2. Ny Malagasy sy ny 26 jona
  3. Hazavao an-tsipirihin’ny Malagasy rehatra ny toe-javatra ankehitriny
  4. Inona marina ny asan’ny HAT eny Anosikely ?
  5. Ry Malagasy, raiso ny ampinga

1 Comment

  • masy teny dit :

    Mety fomba fijery hafa izany fa tsy izany no nambara taminay raha nianatra fahiny fa mila manao fanadiadiana ise …tsy ny fanovana ny sainampirenena no maha maika fa ny toetsaina tokony hotia ny Tanindrazana: Hametraka fa ny zavatra hataoko rehetra dia no ho ny Fireneko dia i MADAGASIKARA

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site