17 pensées sur “Pdt Ravalomanana : Tsy maintsy mody aho ary hirotsaka ho fidiana !”

  1. Dia mirary soa ho anao ny tenanay Atoa Filoha ary mivavaka ho anao tokoa izahay! Modia aingana fa tena mijaly izahay aty e!

  2. Tsy misy afa-tsy ny fahafahan’ny rehetra malalaka no vahaolana dia mazava loatra @ zany fa marina ary marina loatra ny voalazan’ny filoha teo ka asakasak’izay mbola hitady hevitra maloto hanoherana izany!!!

  3. TSY MAINTSY TAFODY IANAO FA IZAY NO FANANTENAN4NY MALAGASY!!!
    « ADALADALA FOANA IREO TSY TIA… »
    FE MITANDREMA AMIN’IZAY MAHAIZA MANETRY TENA!!!
    TSY FITIAVANA AN’I DOMELINA NO NIFIDIANANA AN’INY FA FAMPITANDREMANA ANAO E !!!

  4. Izay no niadiana sy notakiana hatramin’izay nisian’ny crise izay ary tsy hijanona izay raha tsy tafaverina eto i Dada ary mirotsaka ho fidiana. Ny vahoaka malagasy no hifidy sy hametraka ny fataokisany amin’ny Filoha Marc Ravalomanana.

  5. Hi hi….. mibaradaka ny foza! efa tara loatra Ratefy a! @ sisa mba mahaiza mankasitraka,fa na dia ireo
    Bois de rose tapaka fotsiny aza tsy ho azo haverina intsony fa asakasak »izay tsy ho kikisan’ny nenina
    mandrapahafaty @ izao faharavana sy faniratsirana ary fanotana fady ny hasin’i Gasy izao.

  6. DADA o!miverena rapida be fa tena efa leo ny ts mihinana izahay miaraka @io vendrana be io,marina ny any RATEFY ,aza mitompo teny fantatra be loatra intsony ianao ,fa mba mila mahay mihaino koa ndrayndray e!ok miandry zahay vahoaka malagasy!

  7. Modia haingana Dada fa tena mijaly loatra ny malagasy, ary marina ny an’ireo teo alohako, soa lavo hahay mamindra, ary soa kenda hahay hitsako, azo arenina daholo ny zavatra tsy nety teo aloha, mahaiza mandray lesona ary fidio tsara izay ho mpiara-miasa aminao, mirary soa e!!!, ary tandremo ihany ny aina an!. Tongava soa Tompoko, ho Tahian’ny Avo Indrindra.

  8. Tsy mila fifidianana akory fa tonga dia averina aminy ny fahefany nesorin’ireo tsy vanona ireo! Rehefa miverina ianao Président dia ataonay andro tsy hiasana na tsy handraisa-karana aza tsy olana, une semaine mifety fotsiny, manonitra izay fotoana tsy niarahana taminao izay. Aminay ianao dia mbola Filoha ara-dalàna, ho hitan’ireo Faty reo zany hoe ny vahoaka no mitondra fa tsy ny miaramila hianteheran’ireo Faty reo! Dia efa ampirimo tsy ho hitanay ry Faty izay nangalarinareo teo fa ho avy izahay haka izay norobanareo na volam-panjakana izany na ny fiandrianam-pirenenay nopotehinareo… na inona na inona, na ireo 4X4 bedabe ary Andoharanofotsy ary e!

  9. MDR aho ry imahitsy !!
    Tsy levon’ny vavoninao mihitsy ireto borisatroka ireto, any ka na « tsy handraisa-karaNa aza tsy olana » !!! Izany ka Lapsus !! Hi hi hi !!!
    Hisy koa izany ny OGM ???? Tsy organisme génétiquement modififié akory, fa Opérations Gasy Mpamadika, Opérations « Généraux » Maudits, na Opérations Gasy Mpangalatra, na koa Gasy Mpanararaotra ( mpanohana an’i Fiteur ) !!!

  10. d’accord !za koa miaraka @ireo namako reo!ts matahotra demonstation de force ntson ny vahoaka fa efa leo ,alainay tokoa moa e ,anay vahoaka ny fanjakana ary izahay no misafidy ny olona tianay hitondranay de ts iza fa iDADA ZANY RY fatyyyyy be de be.

  11. ten mahafal toko ny vaovao ry malagasy mpiray tanindrazana a!ef el no niandrasantsik ny fahatongavan’i dada e,ho avy iz ankehitriny d manentana antsik amin »izay ar ho avy betsak en @magro behoririka e

  12. Ny hery tsy mahaleo ny fanahy e, ka na dia eo aza ireo lohandohan’ny mpisorona ao am-piangonana (katolika no tiako hambara eto an! satria katolika ny tena) mpanao politika minia mamadika ny tantara noho ny fankahalana fotsiny, dia mbola henoin’Andriamanitra lavitra kokoa ny vavaky ny vahoaka malagasy mahantra sy mahatsapa ny tena fahamarinana ary mivavaka lalandava ho an’ny tena filoha nofidin’Andriamanitra ho azy dia ny Filoha Ra8 izany, ary mino sy manantena ny fiverenany na ho rahoviana na ho rahoviana, fa tsy mbola nisy ratsy ka naharitra fa hifarana daholo ihany ireny.
    Mivavaka mandrakariva ho an’ny Filoha Ravalomanana e

  13. Ary mikasika indray 7 Febroary, dia izao fotsiny aleo handeha ny tribunal international neutre sy ny enquete, fa tsy maintsy hiseho eo ny tena marina, ary amin’izay fotoana izay, ilay ranomasom-pihatsarambelatsihy kely narotsak’i TGV tamin’iny andro iny vao tena ho ranomasom-panenenana noho ra nalatsany tamin’ny tifitra vary raraka nataon’ireo ekipany avy teny ambonin’ny Hotel Louvres ka mody nanelezana tsaho tamin’iny fotoana iny hoe mercenaire an-dRa8 avy tany afrika atsimo no tena nandripaka olona tao, efa takatry olona daholo ilay paika e, ary ny fifikirana amin’io seza io sisa no hany azo atao fiarovan-tena.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *