« Tafika malagasy » : Ravalomanana no « fahavalo » politikany

Niseho niharihary indray fa nandray anjara tamin’ny hetsika ara-politika nisy teto amin’ny firenen’ny Gasy ny andiana miaramila mpitantana ny « tafika malagasy » ankehitriny. Tena manao politika tanteraka ny miaramila Gasy. Iza no tsy nahatsiaro fa nanao « sinema » tamin’ny fitakiana feuille de route tamin’ny mpitantana ny tetezamita avo ireto « tafika » ireto ? Sahiny mihitsy no nanambara tamin’izany fa omena 2 andro ny fitondrana mba hampiseho amin’izy ireo izany zavatra notadiaviny izany. Tena politka izany tompoko, satria nahoana ?

Novakiana indray ny fanambarana ho amin’ny fandraisan’ny « tafika malagasy » fepetra amin’izay voalazan’ny fanambaran’ny SADC, izay manoritsoritra ny fampodiana ny filoham-pirenenana voahongany tamin’ny taona 2009. Tena hevitra ara-politika iny an’ny SADC iny mba handaminana ny korontana ara-politika eto ( ?), ary mazava ny voalazany fa manana adidy ny hanao izay hahatomombana izany fampodiana ny mpanao politka mbola sesin-tany izany ny mpihazona ny fahefana avo eto Madagasikara. Tsy nanontany na koa niangavy ny hery ara-tafika mihitsy ny fanambaran’ny SADc, fa nitodika any amin’ny fahefana politika.

Koa nahoana no rehefa nifamorivory niaraka tamin’ilay fahefana politika ny mpitantana ny hery ara-tafika dia manambara fa mpanao baomba (tsy tokony ho an’ny fitsarana ve ny miteny izany ?), mpanakorontana amin’ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana (tsy ny fahefana ara-politika no tompon’ny filazàna izany ?), mpanetsika ny fikomiana any an-dakazera ho fanonganam-panjakana (fa fanjakana inona no nahongana sy mbola hahongana ?), ilay « fahavalo » ara-politikany ?

Tsy ho afaka hijoro ho amin’ny maha-tafika malagasy azy intsony ireto mitonona ho « tafika malagasy » ireto, satria hanakana ny fodian’ny OLONA IRAY izay manana ny vatom-bahoaka manankaiky ny 3 tapitrisa tamin’ny fifidianana (nisy halatra ?). Voabaikon’ny OLONA IRAY izay manana vatom-bahoaka 6 hetsy (tamin’ny fifidianana mangarahara nokarakarain’ilay mpangalatra), tsy nifampieràna sy nanaovana angovo ny « fanosorana azy ho « mpitari-tafika » hendry sy mahalala ny mampilamina ny Gasy. Jery Atrika sa jery vilana ? Tsia ! jery politika.

29 pensées sur “« Tafika malagasy » : Ravalomanana no « fahavalo » politikany”

  1. Tena ekena ny fahamarinan’ ny filazana momba ny mersenera ( tafika ) Malagasy. Fa ny fanampiana tiako hambara dia hoe: mpikarama an’ ady mpanao vy very ny ainy amin’ ny vola ireo. Matahotra ny ho very tombotsoa izy ka manao ireny, matahotra ny ho very toerana ka tsy hahazo vola be intsony. Na ny namana mpiaraka tamin’ ny taloha aza sahiny notifirina tamin’ ny basy mihintsy hiarovana ny tombotsoa fotsiny.
    Kanosa koa ireo satria efa nomena azy ny fahefana fa tsy nety nitondra izao nefa misisika tsy mety miala eo.Ny mamoritra ny vahoaka ao aminy no hainy ( parlemantera eropeana ).Maro manam- pahaizana ireo fa tsy manam- panahy, ka raha izay safidim- bahoaka sy ny hanavotra ny firenena izany tsy fantany intsony fa ny azy
    ny vola no ambony, izany no politikany.

  2. Alefa sesitany daholo no mety aminy !!!! efa kely sisa dia lany ny saosy e!!! sady efa misy hanome vola be indray hampiadiana ry zalahy samy bebaoty !!!! ny tody tsy misy fa ny atao no miverina !!!

  3. Tahoatra! tahoatra !t@ ratsy vita ,tahoatra fa sao ho alain’ny topony ny azy,taohatra fa sao ho tapaka
    fihinanana,tahoatra ny fitsaram-bahoaka rehefa miverina ny ara-dalana.Efa ny vola no tompoiny fa tsy
    ny tanindrazany intsony.Natao fanahiniana mihintsy ny hanimbana ny sainy ho @ ‘izany mba hiliban’ny mpanjanaka izay
    tiany hatao eto @ tanintsika.
    Loza ho anareo ry tafibahoaka no lasa tafi-POZA hamotika sy handroba ary HAMONO ny mpiray tanindrazana aminareo!
    Fa nivoaka t@ Vatakazo daholo angaha ianareo ireo koh!

  4. Miantso ny vahoaka ny Tafika hanagana sainam-pirenena !
    mba vakio hoe ity !


    Veuillez m’excuser chers amis Legalistes ! Je vais me faire l’Avocat du Diable !

    Nous savons que les militaires qui soutiennent le FAT N’EST QU’UNE MINORITE dirigée par quelques tetes brulées regionalistes !
    – Nous savons que le PRM Ravaloamana s’est excusé de ne pas avoir porté assez attention à l’Armée !

    Nous savons que ces militaires regionalistes qui ont soutenu le Putsch sont actuellement divisés,

    Pourquoi ne plevons nous pas le Drapeau avec l’effigie du PRMRAVALOMANANA ?
    Porter le Tee Shirt et exiger que TGV Dégage ?!!!

    Après tout si l’Armée recommence à tirer sur la foule, ce sera à leur compte car ce sont eux qui nous poussent à lever le drapeau ?

    Perso : LEVEZ LES DRAPEAUX ! Portez les tee shirts Ravalomanana ! Exigez que TGV DEGAGE !
    Qui sait si ce sont les Officiers qui defendront la Securit du PRM RAVALOMANANA qui nous demandent à faire cela, pour marquer notre vouloir à faire cesser l’enfer que nous supportons depuis 2ans 1/2 ?

    Est ce prudent ?
    Je dirais oui ! car encore une fois c’est l’Armée qui incite à manifester ! C’est sous leur Responsabilité par consequent !

    Ahoana ny hevitrao ?!

  5. Njara, c’est une idée géniale et nous pourrons aussi coller une grande photo de Ravalomanana sur chaque voiture dans toute l’île.On déposera quelques tracts avec sa photo devant l’Ambassade de reny malala.

  6. Izaho aloha kely finoana amin’izany miaramila vonona hiaro an’i dada izany e! tonga amin’ilay hira iray iry hoe: vola ô! hatraiza moa no fetran’ny herinao. Kanefa tsy midika izany fa tokony hanaiky lembenana lava izao isika, tsy misy fika intsony ity fa tokony ho rodobe hatramin’ny farany, ao anatin’izany ianareo mpiasam-panjakana.

  7. ….ravalomanana mpamaly faty , dia tsy mendrika ny hiverina eto Madagasikara ,
    raha tsy efa milamina ny tany sy ny fanajakana. satria ny fiverenany dia hiteraka korontana,Aza hadinoina fa sesintany na tsy navela niditra teto Madagasikara ireo
    Malagasy nanohitra an’i valomanana. i Zafy albert aza dia TSY NANAIKY fa ravalo no filohanandritra ny fito taona. Ankehitriny , asa na antitra ka manao retour d’age, na voavidim-bola dia miray latabatra amin’i valomanana?? AZA HADINO fa tamin’2006 raha niverina hilatsaka ho candidat Filoha i Pierrot Rajaonarivelo dia tsy navelan-dravaloma… hiditra teto Madagasikara.. AZA HADINO IZAY!!
    ravalo miverina mody = Ben Ali miverina any Tonisia = Mubarak…..
    ny Malagasy dia tsy hanaiky hiverenan’ny DICTATEUR ra8manana

  8. Sao dia mba tena variana mibanjina an’i Pierrot izay tsy sesi-tany politika velively ianao ty ry variana a! fohy dia fohy ilay fisainana! Izay ange no mahatonga ny ilazana anareo hoe:  » esprits revenchards sy jaloux fotsiny e! mirefarefa amin’ny tany loatra izany hevitra sy fisainana izany, fa mba mandiniha tsara ihany aloha!

  9. matahotra ny hipoahan’ny 7 fevrier reo de manao vy very ny ainy amin’ny fanakanana ny fahatongavan’i dada e!! ndryy !!! mampalahelo reto izy .

  10. Lazao mazava hoe Neninoro ny hevitrao momba io soso-kevitra io azafady . Torak’izany koa i Artinah sy izay hanoratra manaraka eto !!!
    Miandry izay hevitr’i Elas sy Km sy Manjaka sy ny rehetra e !

    Ny amiko sy Bemafohy dia efa mazava ka tsy dia mila averina intsony !

  11. « Quand on veut, on peut »: cela est particulièrement vrai pour les militaires car ils ont toutes les armes. Ils sont là pour défendre tout le monde et pas seulement les hommes du pouvoir.
    On a tout vu sur le Net: cela démontre, en effet, que les militaires ne sont pas neutres!
    Selon mes sources, pas mal d’entre eux se permettent depuis quelques années des choses qui sont hors leurs possibilités « normales » (achats monstres, …); autrement, ils auraient eu le même train de vie avant. Ce n’est pas le fait qu’ils puissent s’offrir des choses qui me pousse à le dire (au contraire, je souhaite que tous les Malagasy puissent bien vivre), c’est la source de telles possibilités.
    En résumé: beaucoup de militaires ont des avantages particuliers à défendre depuis les 2 dernières années.

  12. Ny zavatra tokony ho fatantsika dia tsy olona iray akory ny tafika ary manana vady amanjanaka ireo izay tsy hary mitovy hevitra aminy avokoa. Tsy mitovy fisainana avokoa ireo ary raha mandeha anaty kazerna ka manadihady tsara dia mahafantatra tsara io tsy fitoviana io (lehibe t@ Bani teny ivato aho ka mahafantatra anio) eny ivato taloha dia nahitana karazana tafika maromaro ny gendarme fotsiny tamin’izany (GSIS, EP5, CFUM, CSI, ny gendarme para, ny mpiompy alika) tao amin’ny GSIS fotsiny ohatra tamin’izany dia tsy mitovy fisainana ny rehetra. raisintsika ohatra tamin’ny Aout 1991 dia ny miaramilan’ny 1ere RFI sy ny GSIS dia tena niharo ny vahoaka na dia nitodika tany ary ny basiny chef de section anay t@ SN ilay nitarika teny Iavoloha teny ary niaro ny vahoaka tamin’ny fomba henjana « Miverena ianareo sady nitifitra balle à blanc sy nandefa lakrinozena, miverena fa hamono anareo ny ao aoriananay ao, toa izany koa ny nataon’ny GSIS tamin’iny 10 Aout iny, Mbola hita taratra ihany izany tamin’ity krizy ity misy ihany ny miaro Vahoaka fa tsy takatry ny vahoaka hoe miaro azy satria mitodika any aminy ny vavabasy. Ny tiako hahatongavana dia aoka isika tsy hanao bambaray io tafika io fa misy élite ao anatin’io maro amin’ireo ny mananampahaizana ary misy aza manana double doctorat.
    Na dia izany aza dia Mampalahelo ity niafaran’ny tafika malagasy satria lasa fitaovana politika ity izy Occasion hanadiovany ny tenany ny situation amin’izao « maka position neutre fotsiny dia avela ny mpanao politika hifandamina ao » ny tafika anie manana excuse foana eh  » je ne fait qu ‘executer les ordres » dia basy milamina io. Ankehitriny lasa au premier plan politique ny tafika ary hitan’ny CI ny zavatra nataony. Ny position tokony horaisiny amin’izao dia tsy misy afatsy ny fiarovana ny Vahoaka tsy ankanavaka ary mifandamina ny amin’izany na ny ankolafy aiza io na ny ankolafy aiza. Tsy marina mihintsy ny fiheverana ho iray io tafika io, satria efa hatramin’ny andron’ny deba no nizarazara io raha hidirana lalina dia handany pejy 100 any ho any : fa rehefa tsy respecter intsony ny disciplinne dia tsy tafika io.

  13. Ben Laden nosamborin’ Amerikanina !dia Domelina indray no manaraka!
    Mazava ve ry foza sa mbola hapiana?????
    Ny tena Malagasy dia tsy Mampijaly ny Malagasy toa azy hanomezana vahana ny Mpanjanaka sy ny fako’
    olona avy any @ firenena rehetra misy azy any,ary ny tena Malagasy tsy foza hataon’i Frantsay tohatra
    hiakarana hamono ny iray ra aminy.
    Foza !foza !foza fa aza Misandoka!tsy voavidinareo angaha Zafy albert ka lazaina fa ka lazaina fa antitra ??
    Ho tanora lalandava @ fangalarana sy lainga sy FAMORETANA angaha ianareo??????
    Ireny no tena mahay mampiseho ny fitiava- tanindrazana !Deraina manokana! indrindra @ taonany .

  14. Ireo vitsy an’isa ireo no misandoka ho tafika fa mba mahazo Micro,fa ilay tena izy Mbola
    voageja ohatra antsika sara-babem-bahoaka sady ireo Boloky sisa fa domelina efa
    tapa-tenda,ireo sisa hamporisiana ohatry ny alika, dia izy ireo hitanareo MIVOVOA ireo.
    Vao mahazo taola-pifika vao2 dia mapiaka-peo fa tsy mba ny FISAINANA no mba hapiakarina
    hiaro ny VAHOAKA mba niavian’ny tena.

  15. Aza hadino fa mandeha ny feo hoe efa misy amin’ireo maramila no nanome antoka tany ivelany momba ny securite ny Ra8 syi Deba.
    Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany.

  16. @ Rakotozafy !

    Miangavy anao aho hamaky ireto hevitry ny namana ireto :
    Mino aho fa hampisaina ny namana rehetra koa !
    1)
    Armée vendue à la solde du FAT, achetée pour lui préserver son fauteuil, taisez-vous ! Vous n’avez pas d’ordre à nous donner. Nous lèverons le drapeau national quand nous retrouverons la liberté, la vraie démocratie, le retour à l’ordre constitutionnel. Nous le ferons quand tous les prisonniers politiques seront libérés, les exilés de retour, le musellement de l’opinion levé, tous les médias audio-visuels pouvant émettre de nouveau.
    Sinon, nous sommes en deuil de la démocratie et ce n’est pas vous qui nous ferons la retrouver. »
    2)
    « Tsy hevitry ny miaramila rehetra iny fanambarana iny fa hevitry ny miaramila TGV kah !!  »
    3)
    « Qu’ils le lèvent à notre place ces cons des militaires !!!!!! »
    4)
    « Aleo @ famadihan-drazana no mananga-tsaina e! Soloy saina hatr@ fonon ondan lisany fozaorana @ 26/06, « serviette de table » sy sligany koa fa tsy maninona mihitsy! »
    5)
    « Tsy manangantsaina toa ny tamin’ny herintaona aloha no mety izao araka ny hevitro.

    Tsy maintsy aseho ny tsy fankasitrahana izao ataon’ireto fanetriben’ny firenena ireto izao. Sady manery ihany koa ireo miaramila mbola manana izay atao hoe fahamarinana sy fitiavan-tanindrazana izany ao antiny handray andraikitra, fa potika tanteraka ny firenena. »

    Dia samy mandray ny tiany e ! Sora-damba izany no izy, fa ny hevitry ny maro no heveriko fa izy !

  17. Adinoko :

    Misaotra anao Rakotozafy !
    Hita fa tsy olonolom-poana ianao tao amin’ny Tafika tao, olona nanam-boninahitra amin’ny maha-izy azy mihitsy !
    – Vitsy ny miaramila no mahay manoratra malagasy toy izao !

  18. Tokony hazava amin’izay fa ireto andian’olona ampitaovia fiadiana mahery vaika sy omenalarama avy ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ireto, tondroina ho TAFIKA MALAGASY ka ho Tandroka aron’ny Vozona, dia tsy dia izay loatra ! Nivadika ho tafika an’ampahan’olona monina eto Madagasikara izy reo, raha hazavaina kokoa dia lasa TAFIK’INGAHY RAJOELINA ireo andian’olona ireo ankehitriny !

    Tsy ny fiarovana ny fananana syny ain’ny olona no mampalaza azy ireo fa asam-pandrobana ny any an-tsaha sy ny any an-tanan-dehibe ! En fa na ny làlam-pirenena hatretsy Bhenjy aza tsy azon’ny fiarakodia handehanana irery amin’ny 1O ora maraina !

    Misy Polisy izay mitantana ny fifamoivoizana etsy Anosy, eo amin’ny « rond point » manoloana ny Foiben’ny Bekotro Maro olatra ! Taxi 2 CV no nitondra anay nidina avy any Isoraka dia nandalo teo mba hanitsy hahazo ny làlana manamoronany farihin’Anosy mitondra mankany Mahamasina. Najanon’ilay polisy ilay 2 CV dia nobedibedesiny teo ilay Mpamily ary nomeny « tapakila » rehefa nohazoniny ny « papier » an’ilay taxi ! Fa naninona, gaga ilay mpamil satria nisy fiarakodia tsara tarehy, irony 4X4 irony nifandimby nanaraka ny làlan’ilay taxi 2 CV nefa tsy nosakanan’ila Polisy Ny antony ? … Tsy mazava fa dia nasainy niverina ilay taxi 2 CV haka ny « papier » rehefa avy eo ! Hay vola no ilain’Ingahy polisy ! Maro my mpamily taxi no niharan’ny toa izany !

    Izany no Polisin-dRajoelina !

  19. TSY MPITARIKA MIARAMILA MIARO NY LALANA SY NY RARINY NY ETO AMINTSIKA FA LEHIBEN’NY TONTAKELY!!!

  20. raikitra fa tsy hisy hanagantsaina e!ngaha ny tafika afaka hitifitra ny olona tsy manangan-tsaina any an-tranony?de hilahatra isika hanao rodobe hitondra sora-baventy hoe:MIALA RAJOELINA SY NY MILISINY FA TSY ILAIN’NY VAHOAKA,MPANGALATRA SY MPANDROBA FAHEFANA ARY FANANAM BAHOAKA;MIALA MIALA MIALA.AVERENO EO AMIN NY NANALANAREO AZY NY FILOHA NOFIDINAY TAMIN NY FOMBA DEMOKRATIKA

  21. TSY MAINTSY MANDROVO-TSIHY IREO SATRIA BETSAKA NY RATSY TSY TIANA HITSIKAFONA RAHA MIVERINA NY ARA-DALANA KA ALEO MIARO NY PIRATY HATRANY

    MILA FONGORINA IREO

  22. Araka ny soratra nalefan’i Rakotozafy dia

    – Miharihary toy ny vay an-kandrina izao fa olom-bitsy ao amin’ny Tafika no manohana an’i Domelina !
    – Ary mazava ankehitriny fa ireo olom-bisty miaramila ireo no novkisana vola hanongam-panjakàna , ny adim-poko manginy fotsiny amin’izany ! Aiza koa moa no ahazoan’i Domelina hanome vola ny miaramila iray manontolo fa dia ireo lohandohany toa an’i Ndrianarijaona sy Fidy ary Lylison sy colonel Ravalomanana (fa tsy général, satria galona kapsily)).

    Raha izao no mandeha ny angaredona amin’ny RODOBE, dia tena mi-DEGAGE I tgv !
    Saingy rahoviana ihany vao ho tapa-kevitra hanao izany ny gasy ????

    Hihinana ny maloto mihitsy vao hihetsika e !

  23. Aza adino fa ny miaramila sy « légionnaires » frantsay efa ela be,no nandamina ny tetika nanongana ny filohantsika, ary tohizany hatrizao satria « miaramila bokitra », » be kibo » (asa raha ahay hiady akory) no efa voavidy mba hanohy ny hevidratsy : « guerre civile – assasinat à la Bolloré ».Tsy hiseho mazava mihintsy ny frantsay fa izay vendrana tia vola no harosony dia mora amindry zareo no hiteny hoe « réglement de comptes entre malgaches » ka ahafahandry zareo tamy aingana avy eo mody hoe hanavotra ny « frantsay monina any aminstika » sy ny « civiles malagsy ».
    Ny « schéma »- ampiasainy fahavalo mpangalatra,dia iray ihany fa ny firenena no ovandry zareo anarana araky ny fizotrany zavatra mitranga: Egypte – Tunisie – Lybie – Cote d’Ivoire sy ny sisa.Ry zareo milaza fa « grandes puissances » no mametraka izay olona tiany hanohy ny fomba fangalarana ny harena ambany sy ambony tany efa voatiliny, ary dia zareo ihany no manaisotra io mpitondra io! Dia miodikaodina eo ny vahoaka!
    Antsika no mailo sy mikarokaroka hevitra hanondrotana ny fahalalany vahoaka mba tsy ho mora vidiana lava izao e!

  24. Tsy azoko ry i Njara ilay fangatahanao ny hevitro sy ny an’i KM ary Artinah sy sns… Napetrakao tamin’ny: (15-06-11 à 15h16, toa resaka drapeau sy tee-shirt?
    Androany moa vao hitako ilay izy, ary rehefa namaky aho dia hitako ny fiovan-kevitrao.
    Dia io efa voalazanao sy rehetra io koa ny hevitro. Manainga ny vahoaka hananga-tsaina ny miaramila (mercenaires manko e!) dia ny: « tsy manangana velively no mety », aoka aza ho « ville-morte no hatao ». Fa tsy misy velively lalàna manery olona hanangan-tsaina.
    Hoan’ny Tanindrazana sy ny firenena no hananganana izany, ireto mercenaires ireto anefa sady tsy an’ny Tanindrazana no tsy hoan’ny Firenenana velively, fa an’i, sy hoan-dRajoelina, koa aleo izy samy izy ao no hifanangana.
    Misaotra an’i Rakotozafy amin’izay voalazany, saingy….??? Goavana dia goavana loatra ny miseho ankehitriny fa tena antsana mangitsokitsoka ny manasaraka ny malagasy raha mahatsiaro ny sary mampiseho ny habibina nataon’ireo lazaina fa miaramila ireo. tena tsy nampoìziko velively ny habibiny. Mankaloiloy ahy tanteraka amin’ireto fihetsiny sy fanambaràny mbola sahiny atao!!!!

  25. Hoy i Njara: hihinana ny maloto mihitsy ve vao hihetsika? Dia gaga aho, tsy hitako mihitsy izay antony mbola andrasana, fa tsy mbola mangirifiry amintsika ve izao zavatra terena ho zakaintsika izao no mbola mandrimandry manana aretina e! tsy tia ady aho akory fa izaho kosa mahita fa manaiky matoa tsy miteny ary rehefa ts mihetsika dia tsy aleo ve manaiky dia vita e! tongava saina oa, ary asa fa tsy kabary. Rodobe ihany no vahaolana, inona no andrasana e! mankaleo!

  26. Niova hevitra tokoa aho Neninoro – Miaraka ihany no adintsika eo e !
    Mianatra izany hoe SOLIDARITE izany, izay tsy mbola eken’ny maro ! Misaotra anao nanazava !
    Fa mba averiko kely ihany ny zavatra manitikitika ny saiko :

    Toa tsy mba ahenoana feo ny An-Kolafy roa hafa e ?!! Inona no antony ??

  27. Adinoko fa ao amin’ny Tafika malagasy TGV, dia tsy misy vatatay, fa kolonely sy Jeneraly daholo no ao . Ny sasany aza Jeneraly mitomany koooo. Ny hafa na teny frantsay aza tsy hay, tena marina any izany e !
    Andian’ny mpangalatra omby no tena betsaka ao, mpanakan-dalana, mpamono olona, ary Paolisy sy zandary ary Tafika jeneraly no lehibeny !
    Ny polisy moa dia adzedà no betsaka, ary ny vendrana no mameno làlana.

  28. Njara, le professeur Jean Marcel Miandrisoa de la Mouvance Zafy a salué la décision de la SADC d’autoriser le retour des exilés politiques à Mada(Matv on line 14 juin 2011)

  29. Merc Bemafohy pour cette info qui m’est passé à coté ! C’est tres interessant pour le pays !

    Mais je reste triste pour le Manifeste RODOBE qui ne reprend pas tres vite !
    Bonne journée !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *