Takonana « podium » indray ny fahantrana !

Nafana toy ny mahazatra  ny hetsika teto  amin’ny kianjan’I Magro Behoririka androany.

I Doc Julien, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert dia nilaza fa  mila fanazavana ny marina ny vahoaka. Inona foana no kabarian i Rajoelina ? Efa fantatra mialoha hoy ity mpikambana mafana fo amin’ny ankolafy telo ity  fa tsy raharahiny izay tapaka fa izay metimety aminy ihany no hataony. Tsy ny resaka intsony aloha izao no mahamaika fa ny fahatongavan’ireo filoha roalahy hoy izy. Efa miantsy ady amintsika mihitsy i Andry sy ny Cemgam ka mila ampisehoantsika fa tsy matahotra isika na iza na iza satria aty amintsika ny hery hoy dokotera Julien.

Ny solon-tenan’I Moramanga, Ingahy Ignace dia nanazava fa  ny filoha Zuma mihitsy no nilaza fa ny tondro-zotra nasiam-panitsiana na “feuille de route amendée” no hampiarina ka inona no atahorantsika ? hoy izy. Tsy matinay lolo mihitsy ilay fiakarana ingahy Ratsirahonana tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina  iny ary te hanotany azy izahay hoe tsy tribonaly Malagasy angaha no nanameloka an’i Zakahely Boniface, Pierrot Rajaonarivelo, Pety Rakotonirina , Voninahitsy Jean Eugene ? hoy Ignace.Nahazo “grace” tokoa ireo fa mbola tsy nahazo famotsoran-keloka na “amnistie” nefa dia lasa  CT, CST, PDS ary ministra ka hametraka tany tan-dalana ahoana ianareo ? Nadio ho azy ve ny “casier judiciaire” n’ireny olona ireny ? Ratsy torohevitra I Andry, any ka ratram-po foana no am-bava, iombonana ity tanindrazana ity fa tsy any FAT ihanyizy.


Ny prezida Zafy no hanazava ny hevitra tapaka tany Sandton ao amin’ny Carlton manomboaka amin’ny 11 ora  fa ny magro misy ihany hoy kosa I Manoela nanazava ny fandaharam-potoana rahampitso. Niova ny tenin’ny foza raha vao nanambara i Zuma fa iny no ampiharina ary anjaran’ny tafika no mandamina raha hisy totohondry ao amin’ny vahoaka satria izay no asany.

 

Takonana « podium » indray ny fahantrana hoy i Manoela, tandremo anefa ny fodiana fa manjaka ny tsy fandriampahalemana hoy izy. Hanao fety indray ny tafika Malagasy kanefa  maro ny namany any mbola any am-ponja hoy hatrany ity zanak’i Dada ity.

 

I Guy Maxime Ralaiseheno kosa dia nanambara fa nivoaka ny “mandat d’amené international” ho an’i Alain Ramaroson. Ka na ho ela na ho angaina dia ho vita io. Ny goavana indrindra eto Afrika tamin’ny alalan’ny filohany sy ny kongresiny no nanambara fa ny sorin-dalana nasiana fanitsiana no ampiharina. Ny mahadiso ny fandraisana fanambarana mantsy dia bacc sy bts no diploman’ny  minisitra hoy izy.

 

Hamafiso ny vavaka fa mahery sy mamaly antsika ny Tompo hoy ity filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanana eran’ny Madagasikara ity.

7 pensées sur “Takonana « podium » indray ny fahantrana !”

  1. Tandremo tsara rehefa mijery podium ianareo fa feno mpanendaka sy mpangaro-paosin’INGAHY rAMAROson eny

  2. Podium: trano hazo kely, tsakitsaky mora, ny loto isan-karazany etsy andaniny.

    Mila tanteraka hatramin’ny farany ilay mandat d’amené ho an’ilay mpamono olona io…

  3. Fety be !
    Toa nafarana hono i Lady gaga, ary i Domelina mihintsy no hanafàna ny lanonana !! Fahatsiarovana ny maha dijia taloha !! Ny mpijery gaga, raha mahita an’i Lady gaga sy ilay tary gaga !!

  4. Na tonga aza Lady Gaga(tsy dia misy alaheloko aminy loatra) dia tokony hikomy tsotra izao ny olona amin’io 26 juin io mba tsy hanotrona izay zavatra rehetra karakarain’i Radomelina.

  5. MDR !!
    Vazivazy ny ahy ; fa ny olona sasany koa anie tsy laitra ê !
    Spectacle gratuit dia manararaotra !! Manararaotra, manararaotra !! Araraotina daholo ny zava-drehetra, na tsara na ratsy !!
    Andron’ny fanararaotana !!!

  6. Bonjour,

    Ho fanamafisana ny fanambaran’ny solon-tenan’i Moramanga, Ingahy Ignace, ary mikasika iretsy « repris de justice » voatonona anarana ( Zakahely Boniface, Pierrot Rajaonarivelo, Pety Rakotonirina , Voninahitsy Jean Eugene ) sy ny mpanolontsaina an’i PT dia tsara koa ny mampahafantatra/manaparitaka izao zava marina izao :

    1) tsy tena tompon’andraikitra 100% i PT satria sady tsy vory saina no tsy ampy saina napetraka toin’ireny mitondra anarana « mpitondra » fotsiny fa saribakoly ahodina akavia/akavanana ireny

    2) tsy ho afa maina mihintsy koa ireo manodidina azy, manararaotra ny voalaza etsy ambony, ao anatin’izany ireo nanosika/nanampy/nanotrona ny « investiture »mpanongampanjakana teny Mahamasina ny taona 2009. Ireo, indrindra i Norbert Ratsirahonana, dia tokony mahafantatra fa ny Filohan’ny Repoblika voafidimbahoaka mivantana ihany no « manana fahefana hamindra fo amin’ireo voasazy » (Lalampanorenana 1998/2007 andininy faha 56)

    3) mpampadihy andro alina ny laza sy tena talentan’i PT, saingy ampanaovan’iretsy eo ambony , ny fianankaviany, ny havam-badiny akanjo « deguisements » ary dia ampandihizan’izy ireo ho itan’izao tontolo izao koa anefa .

    4) farany olona azon’ny frantsay ampandihizina no nomeny tehaka raha namotika fananampirenena/fananan’olontsotra ary nanao V tetsy Analakely

    Tsy vitan’ny hoe « repris de justice » ny Fatys fa sady ampandihizan’ny vahiny/karana no mifampadihy!

    Tsy hamela ny firenena hanjakan’ireo isika miaraka amin’ny Filohampirenena Marc Ravalomanana

    Kitana

  7. Raha araky ny fahitana azy,
    dia reraka be ny olona,
    na dia noho ny lalana voa-bahana eo anoloan’ny tribunal fotsiny aza!

    Inona no programa eny @ magro ny Sabotsy, na koa mitohy Alahady?

    Mandeha ny resaka hoe: point ou pas pont Lundi?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *