Vaovao farany eto Sandton

sandton-conv

Nivoaka ny efin-trano fivoriana  amin izao fotoana izao ireo filoham-panjakana eo anivon ny  SADC-COMESA-EAC na ilay antsoina hoe tripartite Summit,  nivory eto Sandton.

Fantatra  fa hiverina hivory manokana  indray  ny SADC  manomboka amin ny 17h45 ary hidinika momba an  i Madagasikara sy Zimbabwe .Marihana fa fivoriana tsy azo hatrehana izy io.

Hampitainay  aminao hatrany  ny vaovao  rehetra mahakasika izany avy aty  Sandton.

15 pensées sur “Vaovao farany eto Sandton”

  1. Mody tsy misy fepetra hono Ravalo no vaovao avy tany @ Magro!

    Amin’ny 2ora maraina (mada) no mivoaka ny communiqué?

    Toa tsy tafandry
    fa miandry

  2. Hatr’aty io!izaho efa alina no efa tsy nahita-tory tsar fa nivadidadika!
    Voavely ny alika voadaka ny piso!Voagelina daholo izay manantona !
    Mafy ity ‘ray olona !naleoko ilay an’UE natao « sarikapandriana »!
    Mivavaka mafy mba tsy ho diso fanantenana e!
    Raha ny fodian’i dada tsy mahagaga f’angaha izy mindrana fa tsy topony no tsy ahazo
    hody?sady izy no mbola mamim-bahoaka,sady efa be ny vitany tany ivelany tany fa aleo
    @’izay izy hody.

  3. aiza indray no misy izany ho e amin’ny 2 ora maraina aty madagasikara izany vao mivoaka ny fehin-kevitra ?

  4. Dada dia efa nilaza ny tapaka teo @ SADC teny amin’ny magro,efa somary nadiva ho maizimaizina.Ny tena renay tsara aloha satria nony avy eo saron’ny hoby sy tehaka ka tsy dia re intsony,dia izao:MODY TSY MISY FEPETRA DADA SY RATSIRAKA DIDIER (retour sans conditions des deux ex-présidents).Rampitso no mivoaka ny communiqué officiel hoy izy.
    Io no nitsangananay nandritry ny roa taona sy tapany,niharitra ny hain’andro,ny orana,ny hatsiaka,,ny fampihorohoroana isan-karazany,ny lacrymogène.Misaotra an’Andriamanitra fa mamaly vavaka izy.Ho azy irery anie ny vonnahitra ary enga anie homba antsika hatrany izy.

  5. Misaotr’ê: mbola mila miaro ny safidintsika tsy ho voantohintohina isika rehefa tonga eto antoerana, ry Manala Azy an!

  6. Bonjour !

    Raha ny hevitro dia

    TOKONY ALEFA IHANY NY RODOBE MBA HIALA TSY MISY FEPETRA I TGV !

    Alefaso ny angaredona eran’i Madagasikara ry Malagasy rehetra a any amin’ny Faritra a!

    Misy tsetsetra tsy aritro ity !

    Nanosika anareo aho hanoratra ao amin’ilay fifampiresahana tsotsoka natolotr’i pasa (vakio mivadika)
    fa
    Omaly dia nisoratra tao aho, ary hitako fa olona vitsy no tena manoratra ao. Rehaf nisoratra aho t@10h30 teo eo dia namaky fotsiny no nataoko, ary tsy mbola nanoratra. T@17h30 teo eo dia nahazo mailaka aho hoe novonoina ny nisoratako fa tsy nanoratra aho hono.
    -Koa lasa ny fisainako hoe, sao dia ny hahazoana ny adiresiko fotsiny ary no nataon-drizareo.

    Raha ny fiheverako dia miasa Equipe ny fotsy hoditra fa may ny endim-boanjony :

    Samy milaza ho manam-bady gasy daholo izy ireo ary niteraka metisy kely daholo : ao i Zaka-Nao, ilay Mpitazana(ataovy tsotsoka ny dikany), io indray i pasa izay milaza mazava asa fa asan’olona mitambatra(equipe) no tadiaviny.
    Ka dia ny tsirairay no mandinika, fa miko dia aoka izay ny firesahaKO amin’ireo !
    Mahay mandambolambo, ary milaza ho maidy ho antsika, fa dia leom-boanana omaly aho, ka tsy tia zava-boribory intsony ;

    ANAO NO MISAINA SY MANDINIKA,

  7. Izaho aloha ts dia optimiste loatra @ hoavin’i Madagasikara, na hody aza Dada, rà mbola eo io TGV io d ts hilamina mintsy ny tany. Indrindra oe mbola atao izy no filohany tetezamita, fa ny malagasy ve ts mandray lesona ê, jereo tsara izay 2 taona izay. Mba sokafy ny maso ry zareo â, ts anjary zany io ê. Ts vahaolana zao dia ny an’i UE. Faly sy bitaka ery oe hody dada fa ny art hafa ts dinihintsika akory. Alefaso lavitra iany ny saina ê

  8. Efa Miteny aho fa misy fandrika io ary tsy takona hafenina izany!mihevitra antsika ho
    tena Paiso ireto frantsay ireto.
    Mbola vao2 @ fihatsaram-belatsian’ireto frantsay ireto ve ianao ry Njara !Fetsy @ ratsy
    ary MPANDAINGA,MAMAHAN-dalitra tsy misy tahotra tsy misy henatra.

  9. Ho an’i Bozy !

    Mbola raison iray koa izany mba hanohizantsika ny RODOBE ary hitakiana ny fialàn’i TGV avy hatrany tsy hiditra amin’ny raharam-pirenena intsony !

    TOHIZO NY RODOBE O !
    – TGV DEGAGE !!!
    – Avoahy ny Gadra Politika sy Miaramila

  10. Raha mody moa izany Ny PRM Ravalomanana,

    1) – Moa ve manana alalana ny FAT hampiditra azy an-tranomaizina ?
    2) – Moa ve manana alalana ny FAT hisambotra azy ?
    3) Lalàna avy aiza satria efa lany andro ny FAT ?!

    Fa aloan’ny hamaliana izany !

    MIANGAVY RE TOMPOKOLAHY SY TOMPOKOVAVY ISANY E !

    ATAOVY NY RODOBE MANERANA NY FARITRA REHETRA E !
    – Takio ny fialàn’i Rajoelina amin’ny raharaham-pirenena
    – Takio ny famotsorana ny Gadra rehetra ara-politika sy ireo Miaramila
    – Takio tsy hiditra amin’ny fiainam-pirenena intsony TGV !

    Raha azo natao dia nilela- paladia mihitsy ! Fa tsy ampy ny Fodian’i Dada.
    Mbola lavitra ny Lalàna raha izay fotsiny !

  11. Amin’io fanantanterahana an’io RODOBE lazain’i Njara io dia tokony mizara takila filazana misy ny tanjona kendrena rehetra isika eraky ny toerana fiangain’ny karaborosy rehetra ao Tana mankany amin’ny faritra rehetra.Dia jerena ihany koa raha mety misy radio ao afrika atsimo hahazahoan’ny malagasy mampiely vaovao ohatra hoe adiny roa isan’andro mba hahafahana mandravina hatrany ny hetsika atao rehetra eraky ny nosy.Masina ny tanindrazana.

  12. Misaotra @ n’ilay fanalana amoamo e!Tsy manaiky hodian’i dada indray
    hono ity Domelina !Mampalahelo zalahy iny marina! izany no aina koa te
    hanao! tsipaky ny miala aina sisa.

  13. Mbola hilahatra ny vahoaka, handaka ny fitombenany eo amin’ny kianjan’ny 13 MAI !!!

    Mba vaovao mahafinaritra !
    Madagascar à l’honneur à Ponthierry (77) durant le week-end ! Deux équipes finalistes !
    L’Etoile filante d’Antohomadinika U13, remporte la finale de ce Tournoi international en battant les Italiens par 1 but à 0.
    Les U15 de la même équipe n’ont pas démérité non plus, car ils ont terminé 2e du Tournoi, face à l’équipe de Bois Guillaume !

    KintanaMananDrambo les félicite !!! Bravo les p’tits !!!

    http://www.mada-sport.org/rubrique,tournoi-de-ponthierry-2011,597499.html

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *