6 pensées sur “27 Volana izay : Mahasarika vahoaka hatrany i Magro, 08 Jolay 11”

  1. Efa 27 volana : dia tena mbola tsy ampy antska ve izay e ! Sao dia efa tsy rariny intsony e ,dia ho sanatria kosa ve @ faran’ny taona dia mbola toy izao foana , arakin’ny fandehan’ny tantara fa raha mbola « negotiation » izay kilalaon’ny frantay foana no atao eto dia tsy ho vita io na dimy taona aza fa Sakoroka ihany no « sortie de crise 100% »

  2. Ankoatry ny hoe ambohim-pihaonana, dia toerana fanovozana loharanom-baovao misimisy sy mitombina kokoa ny eny @ Magro

    Misaotr’ê: na ririnina, na oran’andro, na hafanana migaigaina!

  3. Toerana fanovozana fahalalana be dia be miohatra noho ny heritreretina aza ny eny @ Magro
    satria misy @’ireo mpitarika dia tena manome atsipiriany mihintsy @ fanazavana ny MARINA sy
    mahitsy ary ny tsy rariny miseho eto @ tany sy ny fanjakana ka io no hilazako foana hoe: izay tsy tonga eny no tena
    matiantoka be dia be satria ataoko fa hirak’Andriamanitra mihintsy ny MPITARIKA sasatsasany ao dia ny ankizy indrindra
    tena hilaina dia hilaina tokoa ny ahatongavany eny mba tsy hanary tena @ fitsapana lehibe mianjady ny firenena izao.
    Raha mbola manantena FIRENENA vanona isika dia tokony HANAMAFY foana ny hetsika eny @ MAGRO.
    KOA ALAHOERY ARY RY MALAGASY ANDAO HIARA-HAMERINA IZAY NOPOTEHAN’ireto tsy mataho-tody!

  4. Eny tokoa:27 volana sahady izay ! Ka na inona na inona no hiafaran’izao TOLONA ataontsika izao,dia ho voarakitry ny tantara izany » TOLONA TAO AMIN’NY MAGRO » izany !
    Fa inona kay izany Magro izany ? hoy ny fanontanian’ireo zanaka’amampara aoriana.
    Dia hamaly azy ireto ray amandreny hoe : toeram-barotra iray,fananan’ny filohan’ny repoblika teto amintsika io,izay nodoroina sy norobain’ny olona nanongana azy teo @ny fitondrana,ary dia teo amin’io toerana io sisa no hany nahafahan’ireo mpanaraka azy manohatra ny tsy rariny nataon’ireo mpanonga-panjakana,satria raha vao mivoaka ao ireo dia hetraketrarina…
    Aok’isika samy tsy ho kivy ka hino hatrany fa tsy maintsy haharesy izao tolona izao.

  5. efa nampianarina antsika fa « minoa fotsiny ihany »,dia mino;ny olana anefa dia nalefan,i wade senegal nody i idriss deby dia sakanan,ny afrikanina indray sy ny mpiaro zon,olombelo;ka inona ihany ity?Lazaina fa tsy azo roahina i deby satria tsy azo antoka ny fiarovana azy;raha izao no mitohy dia ho sakanana koa i dada fa be ny fahavalony aty dago!ny afrikanina anefa efa nilaza fa tsy hiantoka ny fiarovana azy ary ny miaramila sy ny zendary sy polisy tsy mila azy!tsy tafavoaka izany izy fa dia « mino fotsiny ihany e »;

  6. Iza no mba sasanao atidoha eto ry diavolandava???tsy hoe ny foza orana no
    matahotra ny ratsy vitany hitsikafona, toy izao efa hiaraha- mahita izao dia mazava
    ho azy ny hanakanany ny fahatongavan’i dada, no lazainao fa IZA NO TSY MILA AN’ DADA??ankoatra
    ny foza aloha tsy ferana, fa ao dia ao ny antony dia ny TAHOTRA FA NANAO RATSY!ka tozoron’ny ratsy
    vitany eny foana! dia lazaina fa ny miaramila sy zandary sy polisy?????mandray ny MILIARA hafafy ao daholo
    angaha ireo olona ireo ?????hanontanio fa misy dia misy vadina miaramila ery @ MAGRO ,izay mitolona ny ho
    @ HIVERENAN’i DADANAY isanadro nandritra izay fotoana nangalaran’domelina ny fahefana izay.Ka aza mba
    mampihomehy eo,fa manao ratsy tsy mandinika aloha ny vokany fa faly miliba @ halahelom-bahoaka sy ny vidin’ny
    RA latsaky ny mpiray tanindrazana @ tena.Tsy maintsy tonga dadany na tianao na tsy tianao!efa voalahatra izany!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *