Antoko TIM : manohy ny fijerena ifotony ny antoko ny mpitarika foibe

TIM Ankadikely Ilafy 06 Jul 11 (3) copy

Misandrahaka manerana ny faritra maro ny antoko Tim na Tiako i Madagasikara,  tsy ireo nikopak’elatra « nanidina » no ho resahana eto fa ireo mbola manaiky sy mankatoa ny baikon’ ny filoha Ravalomanana.Nitohy nanentana ny « fototry » (base)ny antoko indray ireo mpitarika foibe eo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ity tolakandro ity tetsy Ankadikely Ilafy .Vory lanona ireo vahoaka nihaino ny hafatry ny mpitarika, tamin’izany no nanentana ny rantsan’ny antoko hanamafy orina ny fikambanana, teo ihany koa no fanomanana ny fitsenana ny filoha Ravalomanana.

Marihina fa tsy hita nanatrika ity fihaonana ity ny sekretera jeneralin’ity antoko ity.

6 pensées sur “Antoko TIM : manohy ny fijerena ifotony ny antoko ny mpitarika foibe”


  1. Loza ho an’ireo izay mitady hanakorontana ny RODOBE, satria misy antoko mitady tombo-tsoa manokana ho azy amin’ny Fanatanterahana io RODOBE io !

    Ny tanjona tokony ho tanterahana dia :

    Ny miaraka ihany ary tsy misy fanakavahana fa dia
    – MITADY na MITAKY ny fialàn’i Rajoelina tsy misy hatak’andro !
    – Mitaky ny famoahana ireo gadra politika sy miaramila
    – Mitaky ny fodian’i Dada tsy misy fepetra !

  2. zao mihitsy no yokony hezahana hatao isan’andro ;
    – manantona ny vahoaka isam-paritra manazava ny zava-misy fa mpanongam-panjakana ireo, sankalité, tsy mahavita azy, mpivaro-tena, mpivarotra ny malagasy, mpivarotra tanindrazana, mandany andro, hitondrana henatra,jiolahy,manodikodina saim-bahoaka sy ny arenan’ny tany, fototry ny fahantrana
    -tokony miverina ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka fa tsy mila fifidianana vonjy maika ka tsy misy tokony andany andro amin’izay liste électorale
    -Dia tsy tokony tsy hadino ny maka anarana sy sonia porofon’ny tsy fankatoavana, ho tohiny petition
    Misaotra


  3. Mba aoka re ho tsaroina fa ilaina tanteraka ny FIRAISAN-KINA E !

    Tena fianarana lehibe dia lehibe ho antsika malagasy izao zava-miseho izao :

    SOLIDARITE : Izany no takiana amintsika fa tsy fitadiavana tombo-tsoa ho an’ny Antoko atsy na aroa !

    Rehefa tafala i Rajoelina dia eo isika miara mifampidinika amin’izay tokony ho ataon’ny Antoko tsirairay avy.

    Ny maika sy ILAINA aloha izao dia

    : SOLIDARITE TOTALE hanao RODOBE !

    ary mitaky ireo voalaza esty ambony ireo !
    Aoka izay ity filazana vaovao atsy sy eroa ity !

    AVERINA TANTERAKA ARY TSY HO VIZAKA AMIN’IZANY AHO :

    SOLIDARITE SOLIDARITE SOLIDARITE AUS EIN DU RODOBE:
    fa mariky ny Fitiavana ny Tanindrazana koa izany !ARY MAMPISEHO FA MIRAY HINA NY MALAGASY !

  4. Amiko indray de mety ilay manantona ifotony mba hampatonga ny olona hoavy hanotrona io rodobe lazainareo io tetika daholo izany eh eny fa na dia tsy dia ilay rodobe aza no vaindoan’ilay fihaonana fa mampisaina ny olona io

  5. Marina ny an’i Njara hoe firaisamkina, solidarité, tsy misy antoko asandratra, miaraka daholo aloha izao!
    aza adino fa ny vahoaka isan ‘andro ao aminy MAgro dia manana ny heviny manokana koa momba izay resaka antoko izay. Tokony mba manao sondage kely eny rehetra eny.

    Tandremo sao dia mampisarabazana e

    Sady efa asa nataony KMFB efa ela io resahana io

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *