Ataon’i FAT tantely afa-drakotra ny AIR MADAGASCAR

air mada

Niteraka resabe ny fitotongan’ny Air Madagascar, ny nahazoany sazy enjana tamin’ny Vondrona Eoropeana vokatry ny tsy fikojakojana ara-dalana ny fiara-manidina sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ity orinasam-panjakana ity.

Nipoitra ny marina, ny Air Madagascar no mandoa ny vidin’ny kodiarana lafo vidin’i Andry Rajoelina mitentina 6 227 Euro.Araka ity antontan-taratasy voarainay tamin’ny tompon’andraikitra iray dia tamin’ny 14 Martsa no nanaovana ny taratasim-bidin’ny Pneu 245/70 R470 AC.

Ny fanafangaroana ny fananan’ny mpitondra ambony sy ny orinasam-panjakana toy izao no efa nambotry ny toe-karena Malagasy, isan’ny nanakianan’i Andry Rajoelina ny mpitondra teo aloha ihany koa, ary efa voaporofo eran’izao tontolo izao fa ratsy ny toerana misy ny Air Madagascar noho itony fanaovana ho fananan’Ambohitsirohitra ny orinasa mpampidi-bola hoan’ny fanjakana izao.

Raha ny fantatra manko, araka ny lalana velona dia tsy tokony hampiasa ny volan’ny Air Madagascar velively Ambohitsirohitra amin’ny fampitaovana sy fampandehanan-draharaha ao.

Porofo iray ity entinay aminao ity ka manasa anao hamaky izany :

10 pensées sur “Ataon’i FAT tantely afa-drakotra ny AIR MADAGASCAR”

  1. De mampalahelo, fa hay moa ka izany no anaovana ny kely mba hananan’ny malagasy, tongava doly ry zalahy @ ilay fotoana eo @ ambassade ah!

  2. Izao ny porofo manamarina fa tena ataon’ireo FATn’alika tsinontsinona mihitsy isika malagay. Ary manaporofo izao ny lainga mari-pototra rehetra izay miseho isan’andro!
    Dia mba inona indray izao no lazain’ireo mpomba an’ireo HATay ireo ato amin’ny MyDago? Mbola hilaza ihany fa RAVALO no mpangalatra?…
    Mba valio ry Iarivo, Krystelle, Sssssshhhh, Hajan,sns….a! Mba asehoy aminay toy izao ny porofo izay nilazanareo fa mpangalatra ny Filoha RAVALOMANANA Marc!..
    Mbola hanody an’ireo HATay ireo, ary indrindra i Andry RADOMELINA izao ataony amin’ny malagasy izay efa mahantra sy fadiranovana izao.
    Aparitaho ho hitan’ny rehetra io porofo io e!

  3. Iray hotely tam Minisitry ny fambolena (Vy Vato) tam herinandro lasa teo iny, mitentina 5 millions ny hofan’ny hotely nipetrahany (2 jours tout au plus) sy ny sakafo nohaniny (avec du vin blanc) dia projet iray ao Tamatave no asaina mandoa ny lany.

  4. Hay ilay lehilahy botabe matavy ny halatra iny aleo hiletra halatra FENO ny harempirenena NY KIBOBEANY fa alahelombahaoka ange tsy mitondra mankaiza é! Hitany kely ny ho fongotra ao anAty fotOana vitsy fa miletra HALATRA EO ANTSORON’ NY malahelo NA MIJERY NY TAVANY AZA MAHARIKORIKO ! Sady tsy menatra ny mpiara-belona aminy no tsy matahotra an’Andriamanitra !

  5. Maro no efa nahalala hatrany am-boalohany (2009) fa lasan’ jiolahy ny fitondràna ny firenena Malagasy … saingy indrisy fa ireo malagasy azo lazaina fa tena minann-tsy fihinany dia mafana fo sa voafitaka mihogahoga miaro azy… ireo nahazo tombotsoa satria tsy ho lany mihintsy @ fifidianana nisy dia mahazo toerana izao..; dia mihinana matavy ary lasa vodivodi-endrika tsara ery… Fanaratsiana sy fanamelohana an-Dra8 zay ihany no programan’asany…Ny tiako ambara farany dia hahantra isika ry malagasy havako ary tsy ho voavaha haingana ny olana satria ny Miaramila sy fitsàrana dia efa lasa naman’ny jiolahy!!!mitomany miandry an-dr8 ny any Ambanivohitra rehetra any saingy indrisy!!!amiko manokana asa ianareo raha hanomé tsiny fa dia aleo ho potika any raha zay air Mad.

  6. Ary tokony mba hanotaniana amin’izay ireo namoaka vava tamin’ny roa taona lasa hoe:  » mividy AIR FORCE ONE 2 indray Ravalomanana hatao inona indray? mandany vola mpanjakana sns… » Io ary ny iray toa tsy voakojakojan’i andry kely radomelina akory ,nefa mahay milingalinga mitaingina … soa ihany fa tsy mahazo makany USA satria mety hidoboka any Atlantique any. Matoa ny Président Ravalomanana nividy AIR FORCE ONE 2 dia hoan’ny fahaleovantenan’ny AIR MADAGASCAR ,fa tsy ho andevozon’ny AIR FRANCE sy AIRBUS. Mifohaza ry Vahoaka Malagasy fa aza matory!
    « NDAO » ary « MINOA FOTSINY IHANY! »

  7. Aza dia lasa fanatique loatra tsika fa tsy misy azo hilazana hoe natao inona marina ireo pneu novidian’i Domelina ireo.Mba asio fandinihina lalina rehefa mamoaka porofo tahaka ireny ny MyDago…aleo ny saina no mandinika fa tsy ny fo sao lasa isika samy TIM indray no mifamitaka eto

  8. Manoana ny voalazan’i Ragasy koa aho aloha ! toa maivana loatra raha io mantsy
    no izy.Amiko dia anisan’ny fanapotehana tanteraka ,araka ny tetika sy ny tanjon’i
    la frantsa ny Gasy ihany ny anton’io.Izay mba maha Gasy ny Gasy FONGORINA daholo,efa hatao mihintsy
    izay HANDEMENA tanteraka ny Gasy fa manahirana ireto frantsay ireto ,tsy misy HANJAKAZAKANY ny
    harentsika,dia rehefa tsy manana n’inon’inona isika dia ho avy izy HANJANAKA MORAMORA HITONDRA
    frip dia hifarombaka an’iny nefa ny TAKALON’iny frip iny an! hen…………..!
    Ary io tsy resaka orin’asa ihany fa hatramin’ny sehatry ny FAHASALAMANA ny FIANARANA tsy homena
    ny karaman’izay mbola mba miasa ohatra,ilay izy efa FAMONOANA MORAMORA, izany no tena maha
    TSIVALAHARA an’ireo frantsay ireo.TETIKA FRANTSAY DAHOLO IZAO FA AZA METY REBEREBENA
    @ ZAVATRA tsy dia misy lanjany itony ,fa zavatra lalina sy fanaovana tsinontsinona fitsiny izao izao.
    MATESA DAHOLO RY GASY HANJAKAN’I FRANTSAY!

  9. dia matoritoria foana eo fa anaterako hena e! andraso andraso lava fa ny vahiny no andrasana hanavotra ny tanindrazan’ny tena, dia manaova be resaka ambony vavahady eo foana , ny commentaires tompoko tsy mahavaha olana , asa fa tsy kabary no sahaza izao toe-javatra iainana izao, ka aza mimenomenona rehefa kanosa tsy sahy mandray andraikitra. Ny FATy tsy hiala eo mandrakizay rehefa TSY SAHY MANOHITRA azy ny malagasy, dia izaho sy ianao io izany. Ka aiza ihany ilay RODOBE? sa ireo mpitarika koa lasa mpamadika ankehitriny??? indrisy…mahaiza mionona.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *