Fahefana avon’ny tetezamita

Tsy azo nafenina intsony ny korontana anatiny

Efa im-betsaka no notombanana fa misy ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ireto mpitarika ny tetezamita avo ireto, saingy somary nafinafenina hatrany izany mba ho fiarovana ny “tombotsoa ambonin’ny fitondrana”.
Nifandramanatra saika tsy laitra nahifika ny CT Zakahely Boniface sy ny praiministra Vital Camille. Dia toy izany koa ny fifanilahina andraikitra eo amin’ity fanatontosana fifidianana ity: Tsy hita intsony izay tondroin’ny tanana sy ny diavin’ny tongotra. Rajoelina Andry maika dia maika amin’ny lisi-pifidianana, Rasolosoa Dolin toa mitetika ny hanindry ny Ceni, nambara ihany koa fa marobe ny volavolan-dalàna efa voafidy sy neken’ny parlemanta roa tonta kanefa dia tsy nisy na iray tamin’ireny aza mba nampandalovina teny amin’ny HCC Ambohidahy.

Tsy mifampatoky?

Toa zavatra tsy dia noheverina hisy lanjany akory ny fampiatoana ny mpiasan’ny ladoany miiisa roa noho ny bizina andramena, kanefa dia io hitarika fitokonana eo anivon’ny ladoany io ny raharaha satria dia efa nanambara ny minisitry ny fahefana avo miadidy ny fitantanam-bola, Rajaoherimampianina Hery, fa tsy azo iverenana intsony ny fanampahan-kevitra efa noraisina. Miara-misaritaka amin’ity raharaha ity ny eny anivon’ny fitsarana eny satria mifampiahiahy ny amin’ireo izay tompon’antoka amin’ity fomba fitsarana ity ny ministera isan-tokony avy. Ohatra amin’ireny ny resaka ady tany izay tsy mampandry saina ny ao amin’ny minisitera tantanin’ Andrianainarivelo Hajo, satria dia mananontanona indray ny fifamonoana sy ny fanaovana kely tsy mba mamindro, raha araka ny fanazavan-dRavelojaonina Tantely izay misahana ny sampan-draharahan’ny fananan-tany, nandritra ny fanazavan-kevitra nataony teny amin’ny tranopokonolona Analakely ny faran’ny herinandro teo.

Mbola hotohizana

Rehefa mahazo laka toy izao ny tsy firindran’ny fitantanana ny raharaham-panjakana dia samy mandrirotra amin’ny hitiavany azy, mifanome tsiny sy mifanebaka fotsiny. Hanao ahoana ihany koa, no mety hiafaran’ny fanendren’ny minisi-panjakana Rajaonarivelo Pierrot ny mpitarika ny filankevi-pitantanana ao amin’ny orinasa Secren? Tsy maintsy mbola hitohy ny fifanejanana eo aminy sy ny mpitarika ny tetezamita na dia tsy hita mivantana aza. Tsy azo afenina intsony tokoa?

2 pensées sur “Fahefana avon’ny tetezamita”

  1. Tsy maintsy misy fetrany ny asan’ny satana !raha vao resaka vola koa dia tsy ho lasa
    lavitra satria tsy maintsy misy fitongilanana foana ao ary tsy maintsy misy foana ny tsy afa
    -po @’ izay azony,ao koa ny hafetsena satria samy RATSY no tafaraka ao dia tsy maintsy miafara @ ady atrano
    fa efa midika fa faharesena daholo izany satria ny marina tsy mba maty ,hadalan’izay te hanao ratsy foana fa tsy maintsy
    hiariary daholo izany @ farany koa tsy hatao mahagaga raha mifanipaka ny foza akarona.
    Tsarovy koa anefa fa na mifanipaka aza ireo dia mbola ny tombotsoany no hifanipahany ao fa aza dia manantena zavatra
    be loatra @ OLONA OHATRA IRENY!soa ho azy no tanjony fa tsy ny an’ny be sy ny maro ka aza dia hasiana sira loatra
    fa ny TOLONTSIKA HATREHANA! ny fahatongavan’i DADA HAMAFISINA! NY RODOBE HITSENANA Ilay
    TENA HANAFAKA ANTSIKA @ izao krizy izao hatao masaka !isika tsy miala @ DADA! DADA IHANY! tsy mila foza devoly!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *