FAHEFANA HO AIZA ?

Voeux_Iavoloha

Ananany daholo Na baomba na savony Hiarovam-pirenena 
Sady hanadiovan-tena

Ananany avokoa Vazaha, karana ary sinoa Hanefy ny fisainana 

Hanova ny fiainana

Azy koa ny vahoaka Tsy mba mety misafoaka Fa miaina am-pahanginana 

Miandrandra filaminana

Azy mihitsy raha ny tafika Tsy misalasala hanafika Sy handatsa-dranomaso 

Raha misy ny ankaso

Tsy ny haino aman-jery No tsy ananany, fa hery Ampiasainy, igalabonany 

Anafenany ny olany

Voasariny ihany koa Ireo mpiova pataloha Ny rehetra koa volena 

Ho fakatoavam-pirenena

Tsy hitanisa ny lalàna Hamaritra ny hadalana Fa tena tompom-pahefana 

Azy koa ny Fanjakana

Nefa anie ny heno hatreto Dia ireto teny ireto : « Tsy anay ny hadisoana 

Raha toa tsy misy fandrosoana »

Inona ary no manakana ? Sa tsy vanona ho lakana Ilay hazo nangalarina ? 

Etsy mba lazao ny marina !

Inona ary no andrasany ? Hampiadana ny sasany Sa ny hareny no ambenana 

Seza hatao fitombenana ?

Z’inona e ! ny Fahefana Raha any an-kady no itondrana ? Z’inona e ! no iderana 

Ny mpanongam-panjakana ?

Antso

4 pensées sur “FAHEFANA HO AIZA ?”

  1. Bien dit, Bob!
    On se demande d’ailleurs si ces FATn’alika ont une âme, la vraie!… J’en doute, mais une âme de voyous et de barbares, oui!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *