« feuille de route ammandée » : mody ny sesin-tany politika ary mahazo manao politika, avoaka ny gadra politika rehetra, sokafana ireo haino aman-jery nakatona.

PRM 4

Nitafa nivantana tamin’ireo fikambanan’ny Vondron’olon-tsotra nivory tetsy Antanimena omaly ny filoha Ravalomanana.

Hevi-dehibe telo no nolazain’i Dada tamin’izany :

Ilaina ny mahafantatra ny zava-misy hoy izy, misy fepetra tsy maintsy arahina na « procedure » ny fanatanterahina ilay fehin-kevitra tapaka momba an’i Madagasikara.Araka ny fivorian’ny  CPS tany Addis Abeba, izay nankatoavan’izy ireo io « sori-dalana nasiam-panitsianay »dia  toy izao io « feuille de route ammandé  io :

mody tsy misy fepetra ireo sesin-tany politika any ivelan’ny Madagasikara

avoaka daholo ireo gadra politika sy voatana tsy fidiny vokatry ny krizy politika

tsy maintsy sokafana ny haino aman-jery, radio sy télé nakatona mba hahafan’ny olona maneho hevitra an-kalalahana, tsy maintsy arahina ny fenitra demokratika hoy izy.

-rehefa tafaverina any an-tanindrazana ihany koa izahay dia hiverina hanao politika « afaka hanao politika » indray.

Faharoa : Ankoatra ireo, iaraha-mahalala fa tsy manam-bola i Madagasikara, mila vola avy any ivelany isika satria ny 82 isan-jaton’ny fampandehanan-draharaha dia avy any ivelany, kanefa ny mpamatsy vola an’i Madagasikara toy ny Banky Mondialy, FMI, UE, BAD, izy ireo dia nampiatona ny fanampiana ny Madagasikara noho ny fanonganam-panjakana.Nilaza tamiko izy ireo hoy Dada fa raha tsy manaraka sy mankatoa ny fanam-pahankevitry ny SADC  sy UE, izany fifidianana Kaominaly atao izany dia tsy hahazoana fanampiana avy amin’ireo mihitsy. »Fandanian’andro » fotsiny izany hoy izy.

Fahatelo, misy ny mamafy vaovao tsy marina manakorontana ny sain’ny vahoaka, lazaina fa ho avy ny SADC amin’ity fiandohan’ny volana ity.Tsy anjaran’ny mpanongam-panjakana no mamaritra ny fahatongavan’ny mpanelanelana fa anjaran’ny mpanelanelana SADC no milaza ofisialy izany.« Miteniteny foana » izay milaza ankoatra azy ireo.Ilaina ny filazana zavatra marina amin’ny vahoaka hoy Ravalo.

14 pensées sur “« feuille de route ammandée » : mody ny sesin-tany politika ary mahazo manao politika, avoaka ny gadra politika rehetra, sokafana ireo haino aman-jery nakatona.”

  1. Feuille route amandée: wwwouawwww!

    De hitarona inon dray Radomelina anjoany?

    Malakilakia fa ataon’ny oln tantely hafa-drakotra ny fananam-pirenen’ê, moa ny sofinay madilon’ny taim-bava!

  2. Ka inona no andrasan’i levalo kely domelina tsy mody raha izany? I Andry izany no hikarakara ny fiverenany kanefa lazaina fa mpanongam-panjakana?Tsy misy lojikany mihintsy ny zavatra ataon’ity levalo domelina ity ka mivadika aminy daholo ny malagasy fa leo olona tsy misaina.Lazaina fa mpanongam-panjakana kanefa angatahana indray iarahana miasa sy mitantana firenena.Taiza no nisy izany teto an-tany? Vehivavy ve lety sa lehilahy fa tsy manana hevitra matotra sy lojika mihintsy e? Ka modia ry rainitetaka fa efa ela ireo lalitra ao magro no maheno hoe hody aho hody aho ka farany tsy misy mino intsony

  3. Mazava izany dia tokony hatao masaka amin’izay ny fanomanana ny fandraisana azy.Miala sasatra izao ny governemantan’i reny malala ka tokony ho hararaotina amin’izao fotoana izao.Dia antsoina ny miaramila legalista handray ny andraikiny sy ny fepetra rehetra.

  4. Mon épouse m’a traduit … mais il ne parle pas de son retour … De toute façon la HAT ne peut ignorer la Communauté Internationale … Il faut du temps …même si l’on est impatient de voir la résolution de la Crise …

  5. modia dia aloanay ny esthetisianina mba hikarakara anao dada fa simba zany tarehinao zany? ino plema? vola sa nino?SA BOAIKELY IO,IO SY RESINAO LAOLO E!

  6. Misy mpanao gazety na koa mpanohana ny Ankolafy telo no mametraka fanontaniana ohatrany mitory famanana fahefana ny fat..
    Hoy izy ireny :  » FA INONA MARINA NY ZAVATRA FANTATRY NY FAT E ? TOA MANAMBARA IZAO SY IZAO IZY MOMBA NY FEUILLE DE ROUTE ? MILAZA IZY FA HO AVY ZSIMAO ?  »
    Izany fanontaniana izany sy ny tahaka izany dia milaza Amintsika fa misy olona na tsy mahafantra izay tapaka tanADDIS ABEBBA na mbambola mihevitra izy ireo fa bola « hafaka  » hibahana na hisakana ny fizotra ny hevitra tapaka tany ADDIS ABEBBA !.Toa an – Dratsiraka managataka trano amin ‘i rajoelina !
    Tsy manana fahefana manome trano an ‘ iza n ‘ iza i rajoelina..!
    Dia tsy fantatr’i Ratsiraka ve izany ?

  7. Feuille de route amendée aux trois points suivants:
    – mise en liberté des détenus politiques et libéralisation des médias + ré-ouverture des stations radio clôturées à cause de divergences d’opinion
    – retour sans condition des tous les exilés politiques et leur liberté de participer à la vie politique

  8. Lol ! katakata, anaty akata

    Efa tera-tay ianareo mianaky fa ho avy ny DADANAY, Angalao dentiste aloha i ADry Domelinareo, toe efa nanamboatra ny toeran handosirany any Frantsa ilay DJ koh!

    Eo ianareo sy ny tranonareo. Tahaka ny hitako ilay milefa any anaty AKATA. Any ianao dia mandoro izahay vahoaka leo mpanomngam-panjakana.

    Katakata MDR!

  9. balaHAZO KATAKATA: chiens aboient quand caravane passe! Orakoraka ny an’ny sahona fa ny saobakaka no tompon’ny rano!

    (Mydago peut-il censurer les posts du ci-dessous nommé, à ce stade-ci encore SI incitatif à la haine? – comme nous l’avons remarqué concernant un des derniers articles de Ony tout entier?)

  10. Iny eny fa miverina i Ssssshhhhhhh! mba mitenena ahamantarana fa mbola velona ny Tena Gasy Vendrana(TGV) e!
    Ary iza indray io Katakata io? Raha ny fijery azy aloha dia tena sûr aho fa tsy manana BEPC akory ilay io e! izany aza aho mbola be eritreritra! Hatramin’izao ve ranamana dia mbola any foana ny « analyse »-ny

  11. Bonjour daôly indray,

    Ziry O
    Fa angaha tsy tadidinao ilay tenin’i Kintana hoe  » Points communs » ?
    1- Sanga,
    2- Ny fomba fanoratany,
    3- Ny fiteniny,
    4- Etc. etc.

    Résultat : Katakata = Denise/Kristelle/Nadia… (MDR)

  12. Aza mampme oa enao ravalonandra! enao any lavitra sy lasa nandositra indray no toa miseho rôle? tsy misy azonao amidy eto fa sô d heverinao fa diplôme-na mpivaro-dronono dahola aza izahay vahoaka Malagasy???? misy aza mpivaro-dronono mahay noho ianao fa ny halatra sy ny tsindrio fa lavo no hainao ary ny mandainga amin’ny vahoaka Malagasy!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *