Miteny izay sendra ny vavany ?
Toa mihaiky an-kolaka ihany ny filohan’ny ilay andri-pitondrana etsy Anosikely, ny Jeneraly Rasolosoa Dolin, fa tsy mahefa raha ny CENI. Fantany tsarabe fa manahirana ny tsy hampandray anjara ireto notondroiny ho mpanohitra ny fitondrana. Nanambara mantsy ny tenany fa tsara raha hajoro ny andri-pitondrana (sa filan-kevitra, sa rafitra, sa komity, sa inona?) hanara-maso ny CENI na ilay vaomiera mahaleotena hikarakara fifdianana.
Sehatra nolazaina fa mahaleotena ve mbola mila harahina maso, ary amin’ny fomba manao ahoana? Mbola mila ho baikona? Sa hotsikilovina tsotra izao? Inona moa no manakana ity Jeneraly efa misotro ronono, nitaraka ny “vahoaka” hanani-dapa tamin’ny 7 febroary 2009 ity, tsy hilaza avy hatrany fa sady tsy azo itokisana ny CENI, no lany daty sy tsy manan-katao intsony, toy ny HCC ihany koa?
Ho fanampiny
Ho tendrena ho haingo-bato amin’ity “zava-baovao” ity ny mpanohitra ao anatin’ny ankolafy telo, ny sehatra iraisam-pirenena, ny ray aman-dreny isam-paritra, ny ffkm, ny firaisa-monim-pirenena, hoy izy nanazava satria tsy hahazo ny faneken’izao tontolo izao mihitsy isika, ary ho voakina hatrany ho “mandeha ila” ny fifidianana izay ho karakaraina ato ho ato. Dia voasoratra sy nifanarahana av ytaiza indray izany hevitra izany? Ny efa voatsangana mifandrafy sy tsy laitra amin’ny ady hevitra tsy mamokatra, dia mbola hanangana rafitra tsy fantatra akory indray ny andraikiny sy ny anton’ny hanaganana azy? Misy an’izany ve “ny tondrozotra tsy azo ovana” sy “ny lalampanorenana voafidim-bahoaka”?
Tsy misy arofanina intsony
Samy miteny (fotsiny) izay sendran’ny vavany ny mpanao politkantsika, ary anisan’izany ity filohan’ny CST ity. Tsy misy intsony ny aroriaka tsy hahadobo, na koa arofanina tsy hampianjera antsika ankehitriny. Samy mihevitra ho manana ny vaha-olana kanefa ny hahatanteraka an’izany dia sarotra inoana satria samy manana ny kriziny avy tokoa angaha? Samy te-hibaiko izay mbola azony baikoana? Any amin’ilay Ceni efa tsy misy “hasiny” intsony indray no manala vokina rehefa avy nifanasa vangy tamin’ny Praiminisitra.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:
- Ao aorian’i Gabarone, tsy maintsy fikarakarana ny fifidianana ho Filohan-Pirenena !
- Tsy ho any Gabarone i Rajoelina raha tsy…
- inona ny antony tsy hahombiazana any Gaborone ? Tsy misy na kely aza !
- MBOLA TSY FAY IHANY VE : Aoka izay ny kabary ESORY ANDRY R. mpikaraman’ady
- Fitondrana Avon’ny Tetezamita

Ny olana misy dia ny FIBODOANA ilay toerana nefa hita fa tsy ho vita!bahanana fotsiny izao izay mba
afaka mamaha ilay olana ,satria fantatra fa fitiavatena no majaka ao ,sady tsara koa ilay seza nangalarina!
dia hifikirana mafy mba ahafahana manao izay tiana hatao HAMPANJAKANA ny tsy rarina rehetra,hanomezana vahana ny VAHINY
RERAKA sy tsy FANAO IANAO VY ANY AMINY ANY DAHOLO,dia eto no MANJAKAZAKA satria tany ADALA-TOPO,sendra izay
olona tsy FAKA TARANAKA no tonga eo @ fitondrana noho ny fahan- dalitra sy FIVIDIANANA hataon’ireo VAHINY SADIKA tsy MATAHO-
TODY ,mba handrobana ny fananantsika ,dia miliba tsara koa ireto Gasy hatao fitaovana!!! » reniakoho notsipazana kalalao! » dia tsy miheritreritra izay hiafarana sy ny TARANAKA FARAMANDIMBY! tsy miheritreritra afa tsy ny anio! anio voky dia rahapitso misarona!