Kolonely Andrianasoavina Charles

Tena tsy misy ilàna azy ?

Nahalala ny anarany, araka ny vetsovetsony teny Antanimena tamin’ny 17 martsa 2009 toko ity i Madagasikara. Tamin’iny fotoana iny dia izy no maherifon’ny firenena Malagasy ka mendrika ny hankalazaina ny anarany, mendri-piderana ny fandavan-tenany. Tsy hay refesina ny fitiavan-tanindrazana nananany.

Fa nandritra ny fotoam-pitsarana ny Jeneraly Raoelina Heriniaina sy ny namany roalahy hafa, tetsy amin’ny fitsarana Anosy kosa dia “tsy krédibla” i Charles (lany credit no dikan’izany r’ilay adalabe ireto a!). Vita teo ny aminy, satria dia noho ny firaisany fonja tamin-dRaoelina dia tsy tokony hohenoina akory ny resany fa mora rebirebena izy iny, ary azo kilasiana ho manao “revin-gadra” mihitsy.

Tena tsy ilaina intsony ilay Kolonely nalaza tampoka satria nivorivory sy nanangam-bovona tao Ambohitsorohitra tao mialoha indrindra ny fananganany ilay andiana miaramila “mohaka” tery amin’ny BANI Ivato tery. Nopempoina ilay mahery taloha fa nanangona miaramila matim-boninahitra te- hanongana ny fahefana efa tsara orina sy mafy fototra. Tsy mieritreritra loatra izy iny, fa voabaikon’ny mpanao politika ny tenany tamin’iny teny amin’ny tobin’Ivato tamin’ny 17 novambra 2010 iny. Aza mihetsiketsika sy manao toa an’Andrianasoavina intsony izay mbola misaina fa misy faharesen-dahatra tsy hanaiky ny tsy rariny any anatiny any. Aza manenina koa izay nahavita be ho an’ny “tompony”.

8 pensées sur “Kolonely Andrianasoavina Charles”

  1. F’angaha moa tsy ny fitsarana no nandaha ny hijoroan’i kolonely Charles ho vavolombelona teny
    @ fitsarana no hamahan-dalitra eo ianao ry Rambelo,sa ho fanamafisana ilay tenin’i rakirisy fa
    « olona adala i Charles » no hilazanao io eo??sao dia mba BIZINA koa ny anao io??mazava tsara ny tenin’i MAITRE HANTRA!
    fa tsy azoko ny tianao ahatongavana toa zavatra mifanoatra @ zavamisy no lazainao.Tonga dia tsory ny tianao ahatongavana
    fa aza mody misafelipelika resaka.Ny fahatsapan-tenan’i CHARLES no lalana tokana hivoahana @’izao kirizy izao ary tsy nisy
    nanery azy fa nazava tsara ny teniny fa « TSY ZAKANY NY HALAHELOM-BAHOAKA » ary noporofoiny izany t@ famoahana ny
    marina rehetra VITA SONIANY! dia izao izy mbola any TSIAFAHY IZAO! Maro koa ny nilaza fa diso lalana sy diso fananatenana
    fa tsy mbola hitako ny ezaka vitan’izy ireo raha miohatra@ vitan’i CHARLES!Ary ny etsika teny @ Bani ireny no hetsika midika
    fa TENA FITIAVA-TANINDRAZANA raha tsy FANTATRAO ry MPIBIZINA!

  2. mba vakio tsara izay voasoratra ranavalona fa aza de miridiridy amin’ny tsy antony a! tsy misy antony hanaovana bizina akory ny raharaha raha tena mino ny fahamarinana anana ny tena. Ny fitsarana no nilaza fa tsy kredibla i Charles (vakio tsra ho’a)…Dia inona ny lalitra nafahana anao amin’izany? Tsy natao hifamaliana ny fitaterana vaoavao, saingy na olona tokony ho namana aza manajary tofoka raha manao hevitra tsy voadinika ISIKA. Dia mianara tsra ny tenindrazantsika Ranavalona amin’ny sisa a! avadibadiho tsra ny lela rehefa te-hanondro olona mpibizina.

  3. Azafady fa asa raha somary mba azo ahitsy kely ireny » lohateny  » ireny indraindray
    fa toa somary mandrangitra ,Amiko aloha!tsy iray izy ireo fa misimisy ihany dia eto
    no manjary mampisavoana indraindray ,efa hitanao fa efa samy » MAIMBO RA IZAO »,dia mbola manao azfady!!!!
    Miala tsiny re tompoko fa sady efa nahazoazo taona ihany koa angamba!Azafady e!

  4. Tsy hifandrangitana ny asan-gazety fa mila mijery tsra isika. Misy teboka manontany eo afaran’ilay lohateny. Za de naman’ny rehetra , ary aoka samy handini-tena tsara e! .Tsy misy olana iny Ranavalona a Mbola be ny ho sisa!

  5. Misaotra Rambelo ! hitandrina aho @ sisa !Izaho koa efa hilazan’ny namako mba
    tsy handray anjara eto nefa !!!tsy mety fa eto sisa mba hanalana vokona indraindray,
    koa ataoko fa tsy hanome tsiny ahy ianao!
    Deraiko manokana eto koa ny fahendrenao namela ahy !Ho tsaroako foana io anaranao io,dia hijery tsara
    aho @ sisa.

  6. Ity misy fanotaniako mba tiako raha valianareo miaraka
    Iza izao no tena fahavalon’i Charles i Ravalo sa Radomelina ? nefa @ izao fotoana izao i Charles miandrandra mafy ny hiverenan-dRavalo eto Mcar satria raha tsy tonga eto Dada de impossible ny hivoahan’i Charles ny fonja Raha ny zavatra hitan’ny masoko natao’i Charles aloha no tantaraiko fohy eto dia tsy tia azy intsony aho nefa ny olona miaiky ny fahadisoany no azo lazaina fa tena olona fa ny manamarin-tena sy ny tsy mety diso fa miseho ho anjely ohatran’I…..nefa sasatry ny mandainda sy manaratsy olona nefa hanafenana ny atao ny fanaratsiana sns…no tena mamotika ny firenena
    Hitantara kely ny hitan’ny masoko nataon’iCharles teny Anjohy aho .Resume: Nisy vehivavy nofelahan’iCharles ny tehamaina avy eo masiany totohondry dia vehivavy ihany no nahasahy nijoro niharo io vehivavy io na dia efa manbanana basy sy norahonana hotifirina aza ilay niaro dia tsy natahotra ny ho faty mbola lava ny tohiny fa aleo ireo vehivavy ireo no hitantara ny ambiny raha mahita ity .
    Tena tsy tiako Charles nefa rehefa mahatapa tena izy dia madio aminy ny foko

  7. Ity misy fanotaniako mba tiako raha valianareo miaraka
    Iza izao no tena fahavalon’i Charles i Ravalo sa Radomelina ? nefa @ izao fotoana izao i Charles miandrandra mafy ny hiverenan-dRavalo eto Mcar satria raha tsy tonga eto Dada de impossible ny hivoahan’i Charles ny fonja Raha ny zavatra hitan’ny masoko natao’i Charles aloha no tantaraiko fohy eto dia tsy tia azy intsony aho nefa ny olona miaiky ny fahadisoany no azo lazaina fa tena olona fa ny manamarin-tena sy ny tsy mety diso fa miseho ho anjely ohatran’I…..nefa sasatry ny mandainda sy manaratsy olona nefa hanafenana ny atao ny fanaratsiana sns…no tena mamotika ny firenena
    Hitantara kely ny hitan’ny masoko nataon’iCharles teny Anjohy aho .Resume: Nisy vehivavy nofelahan’iCharles ny tehamaina avy eo masiany totohondry dia vehivavy ihany no nahasahy nijoro niharo io vehivavy io na dia efa manbanana basy sy norahonana hotifirina aza ilay niaro dia tsy natahotra ny ho faty mbola lava ny tohiny fa aleo ireo vehivavy ireo no hitantara ny ambiny raha mahita ity .
    Tena tsy tiako Charles nefa rehefa mahatsapa tena izy dia madio aminy ny foko

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *