TSY MENDRIKA ISIKA
RAHA TSY MANAO NY » RODOBE » !
- Dia very tadidy ve ny niseho tamin’ny 07 Fevrier 2009 !
- Dia ho fatifaty fotsiny izany ireo rahalahy sy anabavy natao toy ny amboa ???!
Tena tsy misy maha mendrika antsika ho tia Tanindrazana, raha tsy manao ny RODOBE isika,
- Hanalàna an’i Rajoelina sy ny forongony !
- Hamoahana ireo Gadra politika sy ireo Miaramila !
- Hanalàna araka ny fomba tsy misy herisetra an’i Rajoelina !
Tsy hanao kabary lava isika, fa ny sary hiteny ho azy !!!
Samia manana adidy noho ireo namoy ny aina, tamin’ny habibiana natao azy !
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:


Tsara ny manao rodobe, ho fanehoana ny tsy fankasitrahana an’ireto jiolahy miseho ho mpitondra fanjakàna ireto.
Kanefa, misy zavatra tsy azo afangaroana ! Tsy azo ampidirina ao amin’ny tolona tokony atao ny zava-niseho tamin’ny janvier sy février 2009 !
« Dia very tadidy ve ny niseho tamin’ny 07 Février 2009 ? »
« Dia ho fatifaty fotsiny izany ireo rahalahy sy anabavy natao toy ny amboa ? »
Ny foza no mametraka an’ireo fanontaniana ireo, ary izany no hifikirany eo amin’io toerana tsy mendrik’azy io !
Mampalahelo ireo izay namoy ny ainy, fa araky ny filazan’ilay ranamana iray izay hoe : Raharaha notadiavina ny azy !
Tsy nisy nanery an-dry zareo handroba fanana’olona ! Tsy nisy nanery an-dry zareo hanafika Lapam-pirenena !!
Betsaka ireo namoy ny ainy noho ny heri-sedra nataon’ny FATy sy ny forongony, anisan’izany i Tpvavy haja, ilay mpivaro-boky ! Misy maro hafa koa ireo voatifitra, ka namoy ny ainy koa ! Eo ireo nogadraina noho ny fiampangàna tsy mari-pototra !
Eo moa ny fanonganam-panjakàna !
Izany rehetra izany no tokony toherina, sy hitolomana ry Mbola !!!
Tsy tokony ho afaka adidy amin’ny RODOBE ianreo any dilam-bato any !
-
Fa mba omeo tosika izahay eto an-toerana hanombohanay azy !
Marina ihany koa ny an’i Bob
Ka ento izatsy izy re e! inona foana ity andrasana ity e! aiza ny mpitarika e! aina ity hoy i rainimanonja.
Ho an’ny AV7, na eo ary ny ady politika sy ny polifika dia aza ataon’ny olona fitaovana fotsiny ianareo!
Mba fantatreo vé iza marina no nitifitra ny havanareo ? Nahoana moa ianareo no mihevitra fa ny vahoaka marobe tonga mitsena ny dadany no tokony hotifirina toy ireny ? Raha tsy fantatrareo dia ireo EFA ZATRA NITIFITRA IHANY IREO MBOLA MANOHY MITIFITRA IREO ! Mazava izao fa tsy ny FILOHA RAVALOMANANA izay 3 taona tsy teto an-toerana no nitifitra na nampitifitra teny IVATO.
NY vahoaka malagasy dia vahoaka mafitoto, ary tsy izay tanora tsy nahavita fianarana, tsy nahay izay tena atao hoe sendra ny vahoaka madinika no andeha hidedaka hhoe hitondra anareo, dia iny ianareo fa manarak’efa, tambazany vola kely sy vary mora ianareo, dia mivaro-tena toy ny tsy misy haja, ka mihevera tena fa mbola tsy tara, GASY IANAREO ARY MIHAMBOA FA GASY, aza vazà taratasy no ianarana arahana, fa na izy aza tsy mahalia lalana, fa saribakolin’ny mpanjana-tany teo aloha ihany.
MBA MISAINA SY MIVOATRA AMIN’IZAY EEEE !! Ohatran’izay ianareo efa mba nahatsangana t@ herim-po raha tsy nisy ireny fanakorontanana ireo. IZAO IZA IRERY NO MANAMBOLA ? Moa tsy izay manodidina azy sy ny fianakaviany ? Ary ianareo AIZA ?