Mbola miala nenina amin’i Andry Rajoelina ny UA sy ny SADC ary ankehitriny ny CPS

Mbola nitohy tetsy amin’ny Magro ny tolona iarahan’ny ankolafy telo sy ny rodobe.Na dia nangatsiaka aza ny andro tsy nahakivy ny vahoaka izany fa tonga navitrika hatrany izy ireo, ireto ny tatitra fohy ny kabary heno teo an-kianja :

Charline TIM Andrefan’Iarivo :lazainay aminareo frantsay ny hetahetanay amin’izao akaiky ny fetim-pirenenareo izao. Tsy mankahala anareo izahay malagasy fa leo ny politika maloto ataonareo. Ianareo milaza fa tsy mahafantatra ny FAT nefa dia manampy azy ara-pitaovana sy ara-bola. Simbasimbainareo ny taranakay. Tsy fifidianana ny olana fa ny fikarakarana azy.

Teo foana ny bois de rose fa ity fitondrana ity no nandripaka azy. Matahotra ho voatonona angaha ianao ry Vakitampona no hiaro an’i Ezekiely.

Sady fetim-pirenena frantsay ihany fa eo koa ny CPS ka fenoy ny kianja.

Dadah KMFB :nampitondra fahoriana ho an’ ny vahoaka malagasy ny zavatra nataon’ny frantsay.

Ramarokoto : Ilaina izao fitondrana tsimatimanota izao, hatsapany ny vahoaka fa fady ny manongam-panjakana ary ny adidin’ny vahoaka dia manohatra io fahefana io.

Marcel : alohan’ny dinika na fepetra dia nisy zavatra niseho teto na mandalo mody maka hevitra i Simao fa tamin’ ity tsy nisy na inona na inona. Inona no andrasana iray volana raha androany no manomboka ny CPS ? Mbola afaka miandry any izany ve ilay malgacho-malagasy ?

Ronstand :Ho avy ilay niharetana hatramin’ny ny ela. MAE frantsay nakany Soudan dia nanao tsidipahitra tao Addis Abeba mba hiaona amin’i Jean Ping, tsy raikitra ilay fihoanana dia mody notohizana ny dia tany Mauritanie.

Tsy olona iray no nandripaka ny bois de rose teto.

Aza teriterena ny “chefs de district” dia ho hita eo ny vokany, avelao handeha amin’ny zao.

Hampirisihanay ianareo tsy hanao sonia rehefa misy fiovana maro ilay sorin-dalana, zaranay aza.

amin’ny alakamisy, tsy antsika irery ny kianja fa ho any izay rehetra tsy mahakasitraka ny politika frantsay.

Dominique :t amin’ny faran’ny herinanadro teo tany Antsohihy,tonga tany i Raharinaivo sy Vyvato hamory ny mpomba azy ireo. Ny fanentanana anefa dia ny fiverenan’i Dada ka vao nivoana ny resaka dia nampiseho soram-baventy ny vahoaka fa ny TIM dia Ravalomanana ihany. Nampivanitika ny mpitandron’ny filaminana izany. Miandry an’Antananarivo hipoaka sarom-bilany i Antsohihy ary tsy mankasitraka ny mpamadika. Efa notenenina ianareo ireo andao hihavanana fa mafy loha. Koa afa-nenina izahay.

Katahotra sy kanosa i Richard raha miaramila hendry izy, tokony ny namany no havoakany.

Ignace :fahefana mafia ny an’ny FAT ary izy no ambadika io bois de rose io satria fantatra izao fa CT iray anatiny nefa inona no fahefana io olona io ? Olona voafidy ihany koa no mahazo “immunité parlementaire” fa tsy olona voatendry.

Na fifidianana ben’ny tanana io na hafa, izahay tsy hifidy raha mbola eo i Andry.

Alakamisy andro lehibe satry fetin’ny frantsay nefa ny frantsay no mampihinana ny mangidy any ny malagasy.

Manoela : amin’ny alakamisy « mouvement de contestation anti-français. »

Lasa tsy misy hajany ny mariboninahitra fa omena daholo.

Tsy hijanona mandrakizay ho ministry ny fitsarana ianao ry Razanamahasoa, tandremo ny teninao fa hisy vokany ilay hoe tsy mivoaka ireo gadra politika raha mbola izaho no eto.

Tsiahany :fitondram-boalavo hatrany ny nataon’ny frantsay teto. Mamotika izay najoro, mamono na mivantana na ankolaka nefa amin’ny izao taonjato mazava izao. Tsy nanaiky izany ny razantsika ary tsy manaiky ny taranany.

Mamitiana : haseho amin’ny soram-baventy sy ny teny ny tsy fahakasitrahana ny ataon’ny frantsay. Mbola miala nenina amin’i Andry ny UA sy ny SADC ary ankehitriny ny CPS satria tsy misy azo ahilika fa izay ilay malgacho-malagasy fa rehefa manohy ny adalany dia fampiharana ny fifanarahana tanyCotonou no hangatahana hampiarina.

Grand « élécteurs » ahoana nefa « suffrage universelle » ? Ary fifidianana ben’ny tanana indray ve ?

Guy Maxime :efa mivory momba ny raharaha Madagasikara androany ny CPS ary tsy hiala amin’ny tapaka tany Sandton. Fialana nenina io ka anjarany ny azy raha mbola hiziriziry izy. Tena sahirana ireo satria ankehitriny dia 1/3 sisa ny “subvention communale” azon’ny kaomina ary ny “impôts synthétiques “ koa tsytonga any amin’ny renivohitry ny faritra intsony.

Tsy Ezekiela irery no nanao kolikoly andramena fa ao ny PHAT, PM, ary governemanta eo daholo ianareo. Tadidin’ ny malagasy ny lisitra ary miandry izany ny iraisam-pirenena.

Ry tafika, miverena amin’ny sata maha miaramila anareo fa ianareo koa no sakana. Sady “problème” ianareo no “solution”.

Tsy ny frantsay no olana fa ny politikany.

 

9 pensées sur “Mbola miala nenina amin’i Andry Rajoelina ny UA sy ny SADC ary ankehitriny ny CPS”

  1. Kely sisa e!kely sisa dia tonga i Dada!kely sisa dia handady ny foza!kely sisa
    dia ho avy ilay maraina izay niandrasana!kely sisa dia hiposaka ilay HAZAVANA!
    Kely sisa dia ho RENDRIKA tanteraka ilay sambon’i vakitampona!
    Kely sisa dia tsy hitomany intsony ny Gasy!
    kely sisa dia hanao veloma ny frantsay!Doroy mihintsy ny sainany ho tsapany fa sao
    heveriny fa mbola misy milelaka azy eto!!!!
    Aza hadino i rakirisy an!io no voalohany lasibatra,kala mpamosavy vavy iny!

  2. Olona jiolahy faikany mpanapotika firenena io ve dia hialàna nenina ihany so dia isika MaLAGASY KOA NO malemilemy tsy te hanala io faikany io eo amin’ny fitondrana nangalarina io !
    B e zay resaka izay ,potika ny firenena fa ny fanalàna azy izao no maika dia maika fa kabary lava tsy miroso ty tsy mankaiza !
    Io tsy hila teo raha tsy hampiharina ireny sazy nataon’NY UE ireny na sazina na midina andalambe daolo manala an’io !

  3. Na ny U.A na ny SADC na ny CPS dia efa nampianarin’ny frantay « sinema » koa e , izao indray dia makatsy indray dia makary indray dia miakatra indray dia midina indray dia mitsivalana indray dia mitsangana indray ets…………….fa tsy misy vahaolana na ny iray aza , « sinema » daholo e

  4. 08h00 – SORTIE DE CRISE: les décisions adoptées par la réunion du Conseil de paix et de sécurité (CPS) de l’Union africaine (UA) sont les mêmes que celles adoptées par les chefs d’Etat de la Sadc à Sandton. Le Conseil a, par ailleurs, demandé à la Commission et au Secrétariat de la SADC de prendre les dispositions nécessaires en vue d’établir une présence conjointe sur le terrain, afin de mieux suivre l’évolution de la situation et de faciliter la mise en œuvre de la Feuille de route de la SADC, et ce en coordination et en collaboration étroites avec les partenaires de l’UA, en particulier les Nations unies, l’OIF, l’Union européenne et la Commission de l’Océan Indien.

    Date : 13/07/11

  5. Communiqué de presse CPS :
    d) exhorté la Haute Autorité de la Transition (HAT) à autoriser les personnalités malgaches en exil pour des raisons politiques à retourner dans le pays sans conditions, y compris Mr ravalomanana.

    Miandry anao ny Firenena malagasy sy ny vahoaka Mr le Président. Vonona ny hitsena anareo mivady dien’ny rahampitso Madagasikara ! Efa vonona hanangana ny sainam-pirenena fa tsy frantsay ny Tia tanindrazana rehetra, ny banderôla sns….
    Vita ny fialà-nenina, fa raha mbola mitady hiodikodina, dia ampiarina ny Accord de Cotonou !

  6. Ekena ilay fitsenana fa tsy mbola rahampitso kosa angamba ry Kintana a!
    Dorana mihintsy no sahaza ireny saina frantsay ireny ho tsapany fa tsy mila azy hitsabaka
    ny raharahantsika izy fa efa miariary ny teti-dratsy rehetra ,ka ampy izay! kopoana daholo izay mbola tavela
    ao Dago aza raha azo hatao!fa saingy ny Gasy diso hendry loatra!
    Teo @ Magro aza moa dia nisy mihintsy ny nandaha avy hatrany vao niteny i Manoela hoe: « Hodorantsika »
    Isika mbola tsy maintsy mandady @ frantsay mandrakizay e!

  7. misy tsikera nataon’ny Lagazette momban’i Guy Maxime sy Manoela. Ahoana ny fijerintsika io tsikera io. Ito ambany ito lay izy.

    Guy Maxime sy Manoela: Nanentana ny Magro hametaveta ny saina frantsay
    Mercredi, 13 Juillet 2011 05:42
    Mahavariana raha ben’ny tanàna lanim-bahoaka heverina ho raiamandreny mpanabe toa an-dry Guy Maxime Ralaiseheno no mahavita manentana olona hametaveta sainam-pirenena firenen-kafa tahaka ny kabary nataony teny amin’ny Magro omaly. Nanentana ny olon’ny Magro hilanja ny sainam-pirenena frantsay sy handoro izany rehefa avy asiana sarina alika mantsy ity ben’ny tanàna mihantona ity, amin’ny alakamisy ho avy izao, daty hankalazan’ny frantsay ny fetim-pireneny. Heloka voatondro sy faizin’ny lalàna mifehy ny serasera (loi sur la communication) 90-031 sy 92-036. Isan’ny nanentana ireto Magro ireto tamin’izany ihany koa i Manoela. Raha ny fantatra dia efa notadiavin’ny mpitandro ny filaminana, saika hampahafantarina ny lalàna manenjika izao fandikan-dalana nataony izao izy roalahy ireto saingy toa hoe tsy hita tany amin’ny toerana nisy azy ireo teo aloha.

    http://www.lagazette-dgi.com/index.php?option=com_content&view=article&id=13969:guy-maxime-sy-manoela-nanentana-ny-magro-hametaveta-ny-saina-frantsay&catid=49:newsflash&Itemid=61

  8. Feno mpitsikilon’ny La Gazette ny tanàna ! Fa mba aiza ny vaovao mahakasika ny fanaovana trafika maizina, sy kolokolo rehetra ?
    Deraina tahaky ny inona mihintsy anefa ny jiolahy rehetra !
    Izaho indray ry ranavalona tsy dia mankasitraka laotra an’izany fandoroana sainam-pirenena izany â ! Marina fa fomba fanaon’ny olona rehetra tezitra eran-tany izany !
    Raha te haneo tsy fankasitrahana, dia manoratra mivantana any amin’i Châtaignier, na koa manao sitting eo anoloan’ny ambasadin’ny frantsay !
    Efa nahazo felaka ny frantsay, amin’io Fanampahin-kevitry ny CPS io ! Anjaran-tsika ny manao an’izay mety mba hanantanterahana an’izay tinapaka !!
    Fanaovana DIA BE MILAMINA rehefa mitsena an’ny Filoha Ravalomanana, dia mahasolo lavitra an’izany fandoroan-tsaina izany !!
    Mba eritreritra ny ahy momban’ny daty 14 jolay, inona moa no maha ratsy an’izany rahatoa ka mety ?
    Ny asabotsy no tena tsara, satria AFAKA MITSENA DAHOLO NY DAHOLO BE !!!

    Hangidy ny sampaigna sy ny petiforo rahampitso hoa ! Iza indray ireo vendrana sahy hiazakazaka, hanotrona an’i satenie ?

  9. Km sy ny namana rehetra !

    Aoka ho mailo tsara isika vahoaka malagasy

    Iza ihany no hitarika ity diabe sy Rodobe nandrasana ity.

    esory aloha i domelina, poteho ny FAT sy ny fitondrany, poteho ny tafika milisy

    Tapaka fa mody i Dada izany , anefa aza adinontsika, fa eo foana ilay sinema frantay.

    tsy maintsy nanaiky sy mody namporisika ny Ua sy ny SADC izy hoe ny  » retour sans condition  » des SEM Ravalomanana marc, nefa aza adino ihany koa fa efa voavatsiny volabe sy fitaovam-piadiana ireo Tafika milisy herim-pamoretana ireo, izay ao ambadika ireo kolonely frantsay miasa eto amintsika, ireo specialistes carnages sy genocides ary ireo mpanao  » operation Licorn » eran´ny Afrika.

    Aoka ho mailo isika amin´ny sécuritén´i dada.
    sao asaina mody izy nefa efa vita ny planina ny hamonoina azy.

    tsara izy raha mody fa mila mitandrina tsara, miafaina ary ho mafy ny fiarovana azy, ary isika vahoka tokony hanao organisation ireo andry masom-pkokolona eran´ny nosy.

    Mbola hanao sinema ny FAt hoe izahay no hiaro ny filoha ravalomanaa. tsy marina io, fa sinema, fa ry zareo mihitsy no hamono ankolaka azy.
    amiko dia mila dinihina tsara io fiarovana azy sy ny tetin-dratsy ao ambadika ny haneken´ny Frantsay ny hodiany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *