Mbola tsy nisy fitondrana tetezamita nampijaly vahoaka malagasy toy ity, 18 Jolay 11

Vory vahoaka hatrany i Magro Behoririka, tamin’ireo lahateny rehetra nifandimby teto androany dia samy nanakiana an’i Andry Rajoelina, ny kolikoly momba ny hazo sarobidy bolabola, ny tsy fandriampahalemana.Ireto entinay aminao ireto ny tatitr’izany kabary izany :

Mima :nitohy ny Alahady ny hetsika tao Toamasina . Ny sori-dalana misy fanitsiana ihany koa no ekeny ny ao Toamasina.

Vehivavy TIM : mila mitsangana ny vehivavy hanafaka ny fireneny tahaka ny ao anatin’ny baiboly ka amin’ny farany dia ho tapitra ny fahoriana.

Marcel : niditra hopitaly ny maraina teo i Rakoto Julien, ratsiratsy ny toe-pahasalamany ary efa tamin’ny herinandro izy no narary. Nodimandry ihany koa ny rain’i pastera Edouard.

Robert (association) : mandrefy zavatra tsy azo refesina raha oharina ny zava-bitan’i Dada sy i Andry Rajoelina satria tsy mitovy fa ity farany fitsapatsapana no hitondrany ny firenena, fanantenana poakaty no hanafenana lainga, faha telo avy any amin’ny farany isika amin’ny tany mahantra indrindra, rava ilay toe-karena efa niakatra ; izany no handrasan’ny vahoaka fatratra ny Dadany.

Jean Claude : amin’ny an-kapobeny ny mpanao politika malagasy dia tsy manana vahoaka ary tsy voafidim-bahoaka mihitsy hatrizay fa dia zatra ny mihinana fotsiny rehefa eo amin’ny fitondrana, mipoitra ho azy io rehefa anatin’ny fanasana, tsy mifantoka amin’ny kabary sy fanentanana mihitsy ilay mpanao politika fa dia tsy andriny ilay hoe mazoto homana. Ao anatin’izany sokajy izany i Alain Andriamiseza izay mpanara-driandrano fa tsy maharitra, “mangeur à tous les râteliers”, efa manomboaka miova resaka satria miova ny tantara, iry Elia Ravelomanantsoa izay madama tsy dia matotra ara-pitondratena hatramin’izay, eo koa ireo mpisandoka vady nefa pasitera toy ny pasitera Andriamanjato izay nangina tanteraka.

Hiatrika ady isika ka aoka tsy hitsoaka na hiafonafona. Fahavalo tokoa ny frantsay fa aza adino ity fahavalo vaovao izay mody mambabo ny fon’ny vahoaka amin’ny entana mora nefa zavatra hafa no tena atao.

Marovoay (vice président DISTIM)  :finiavan’ny zanak’i Dada tetoAntananarivo no nampijoro an’ I Dada. Izahay kosa tany dia noho ny tsy fahazahoana vaovao dia nisy fotoana kivy ary nieritreritra hilavolefona. Nipotra anefa ny marina ary mendri-piderana ny Dadantsika fa tena Dadan’ny filaminana.

Toy ny faritra rehetra dia manjaka any koa ny tsy fandriam-pahalemana, taloha tamin’ny andron’i Baba dia nisy ny filaminana, azo tsy andrasana ny omby, ankehitriny anefa dia “sur cale” ny sarety raha tsy ambenana. Taloha tamin’ny andron’ny Baban’ny filaminana, rehefa sarotra ny fiterahanan’ny vehivavy dia didiana maimaim-poana ary omena “kit” ny reny, ankehitriny anefa dia jerena fotsiny ilay bevoaka rehefa tsy manana vola ka resy lahatra ny vahoaka na ireo mangetaheta fiovana fa voafitaka aza fa mila any ilay Baban’ny filaminana.

Sylvain :nafohy vola ilay fihavanana. Io fihavanana io anefa no miantoka ny fandriam-pahalemana. Mody resahana foana io anaty kabary fa ny vola no manjaka. Tsy afaka mibaiko ny fihavanana anefa ny vola. Hampitomboina mandrakariva ny isan’ny mpitandron’ny filaminana, io no porofo fa rava ilay fihavanana ary koa tsy milamina ny tany ka samy manao izay tiany sy izay fantany. Vao 51 taona anefa ny tafika fa tsy nisy hatramin’izay anefa nilamina ny tanana.

Andramena hamidin’ny fanjakana hono no hanaovana drafitr’asa, harem-pirenena sy iraisam-pirenena ny bolabola ary nanao fanekena tamin’ny izany ny vahoaka malagasy.

Miafara amin’ny fifidianana tokoa ny krizy tahaka ny olombelona ho faty fa ilay lalana handehana makany no tsy maintsy iraisana.

Dominique :fahombiazana ny hetsika tany Antsohihy omaly. Nitsangana omaly tany ny rodobe Antsohihy. Voalaza tany fa raha mbola hisy ny dinika dia mivoaka aloha ny gadra politika, miverina tsy misy fepetra ireo filoha, TSAR.

Hoy ny RFI tamin’ny maraina, mbola tsy nisy tetezamita nampijaly ny vahoaka malagasy toy ity, ny vahoaka lasa mahantra tanteraka fa ireo manana kosa dia manana hatrany.

Tsianihy :fifidianana, tsy any ny lalana. Namory vahoaka teny “bord de la mer” ny FAT ny Sabotsy teo tany Toliara ka nanentanana ny fisoratana anarana ka nanotany ny vahoaka ny karazana fifidianana ho atao. Mbola tsy fantatra na ny daty na ny anarany fa misoratra aloha anarana. Tsy andany fotoana amin’ny izany izahay vahoaka fa izahay aza miambina andro aman’alina ny fanananay ka avereno aloha ny fandriampalemana dia manao fifidianana izahay. Misy tambiny tokoa ny fifidianana ka raha ho anyAntananarivo takio ny famerenana ireo asa marobe very.

Rehefa tsy manohintohina ny tombotsoan’ny FAT dia ilainy ny CST sy CT. Efa tapaka fa tsy azo ahondrana ny bolabola, sa tsy misy dikana ny filankevitry ny ministra sa kosa rehefa ny mpanjaka no miteny dia mety ?

Tabera :90% ny iraisam-pirenena no manaiky fa tsy ilaina mitondra intsony i Andry Rajoelina. Lasa ny bolabola ihany no mahavariana antsika nefa ny hafa koa efa mandeha. Izany no tsy mampiteny an’i Zafy, Radidy sy Ravalomanana satria miketrika.

Misy olona ao amin’ny FAT ary karohina fatratra ankehitriny nandefa dosie momba ny fangalaran’ny FAT rehetra ka matokisa fa tsy ho eo intsony i Andry.

2 pensées sur “Mbola tsy nisy fitondrana tetezamita nampijaly vahoaka malagasy toy ity, 18 Jolay 11”

  1. Mamangy fahoriana an’i Pasitera Edouard nohon’ny nahalasanan’ny rainy.

    Miala tsiny raha toa manohy ny fehezankevitra voalaza ery ambony: sao sanatria re ka miaraka hono i Elia sy pasitera Andriamanajato? (aleo manontanintany foana ê…) hi hi hi

    Misaotra amin’ilay dosie mahakasika ny halatra bois de rose nataon’ny mpitondra FATy.
    Itony Paul Maillot Rafanoharana, conseiller an’i tgv iray minitra monja tany @ volana Mai, rehefa mamily any amin’ny consensuel sy inclusif, dia tadiavin’ny bibidia ao an-dapa ao harapaka:

    […au-delà des calomnies, des menaces physiques sont exercées sur ma famille. ]

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *