Miandrandra ny filoha Ravalomanana ny tantsaha.

Miandrandra 15 Jolay 11 (20) copy

Vahoaka tsy tambo saina no nanoina ny antso nataon’ny solombavambahoaka Rodin Rakotomanjato, teo amin’ny kaomina Miandrandra distrika Arivonimamo ny amin’ny fanamboarana ny sekoly CEG vaovao ao an-toerana tamin’ity 15 Jolay ity. Kaomina lavitra andriana, zary mitoka-monina .

Noho ny fahatsapan’ny depiotén’Arivonimamo ity ny maha zava-dehibe ny asa fanabeazana dia nanolo-tanana hamita ny asa rehetra tsy vita momba ny sekoly ny tenany. Vola mitentina  valo hetsy ariary no nomeny hanaovana ny dalazy sy ny lalotra ny trano. Izy ihany koa no niantoka ny varavarana sy ny tabilio ary ny seza rehetra. Ankoatra izay dia nampanantena ny solombavambahoaka fa tsy maintsy ho vita ary azo ampianarana amin’ity taom-pianarana vaovao ity ny sekoly.

Marihana fa tonga marobe  ny vahoaka niara-nanolo-tanana hamita ny asa.Tamin’izany ihany koa no nahalalana fa ny 90 isan-jaton’ny tantsaha tonga teto dia miandrandra ny fampandrosoana iarahana amin’ny filoha Ravalomanana ary dia diboky ny hafaliana izy ireo naheno ny filoha niditra mivantana teto.

 

 

5 pensées sur “Miandrandra ny filoha Ravalomanana ny tantsaha.”

  1. Misaotra sy mankatelina amin’ny Sary Atoa Solo RAZAFY : tena izao no atao hoe :Tantsaha !
    – Ny zavatra misarika ny saina voalohany dia hita tokoa, fa EFA MANARAKA, ny fiainanana politika ny Tantsaha, ary mahatsapa ny fangirifiriana iainany, noho ny fitondràna tsy ara-drariny !
    – Misaotra ano Atoa Prezida mahatsiaro ireo Tantsaha ireo, fa mba miangavy ihany koa aminao, mba hanao toy izao ho an’ireo any ivelan’ny Faritra 5 an-koatran’Antananarivo.
    Izany dia misoratra ho an’ny Firaisan’ny Malagasy ho Iray tsy mivaky.

    – Antsika malagasy no manatanteraka sisa, amin’ny Alalan’ny FIRAISAN-KINA (Solidarité).

  2. « Soa fianatsa roa mahavokatsa » fomba fiteny any amin’ny tany Betsileo, ka tokony hihetsika tohy izao koa ny Tantsaha rehetra manerana ny Nosy ,mihainga amin’ny vahoaka madinika ny Tolona rehetra. Raha manaraka ny tantaran’izao tontolo izao isika dia marina izany ohatra ny La Révolution Française de 1789,ary amin’izao fotoana izao any amin’ny tany Arabo rehetra.
    Ry Malagasy rehetra miankina amin’tsika REHETRA ny hoavin’ny taranaka Malagasy sy i MADAGASIKARA!
    « NDAO! » ary « MINOA FOTSINY IHANY! »

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *