Nidina ifotony nanentana ny vahoaka teny ambany tanana ny Ambalambahoaka.

Bekiraro, 20 Jolay 11 (8)

Nidina nijery ifotony nanentana ireo mponina eny amin’ny faritra iva, ny fikambanana ao anatin’ny rodobe sy ny ankolafy telo, mivondrona ao anatin’ny Ambalambahoaka.Nanomboka teny amin’ny tetezan’ny Bekiraro, nihazo ny lakan-dranon’Andriantany iny.

Nitondra fanazavana mahakasika ny antony mahatonga ny fahantrana lalina mahazo ny faritra iva, ny fanaovan’ny TGV ho tohatra fiakarana ireo vahoaka madinika no isan’izany hoy izy ireo, nanazava ihany koa ny zo fototra ananan’ny olom-pirenena tsirairay ihany koa ireto fikambanana ireto ary nizara taratasy fanentanana momba izany.

Nivoitra tamin’ny tafatafa nataon’Ambalambahoaka tamin’ny solon-tenan’ny mponina teny  fa nanampy trotraka  ny fahantrana efa mby an-koditra  ny nataon’i Andry Nirina Rajoelina ka naha-kizo fara ny vahoaka mahantra toy izao.

1 pensée sur “Nidina ifotony nanentana ny vahoaka teny ambany tanana ny Ambalambahoaka.”

  1. Tohizo fa mahafinaritra ny toy izao! ataoko fa hery lehibe ho an’ireo olona ireo
    izao ezaka goavana hataonareo izao ,koa ny Tompo homba sy hitsinjo ny ezaka
    izay hataonareo ,ho fampandrosoana ity tany MAMINTSIKA ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *