Mifangaro ny zavatra lazainy

Efa nanomboka teny an-kianjan’ny 13 mey nandritra ny tolon’ny volon-daoranjy, no nisavoritaka ny fanazavan-kevitra araky ny lalàna, izay tanisain’ny Minisitry ny Fahefana avo miadidy ny fitsarana RAZANAMAHASOA Christine. Tsy mazava intsony ny foto-dalàna tena arahiny sy ny fahefana nanendry azy.
Rehefa ny olona nanendry tena, na naka ny fahefana tamin’ny alalan’ny « teritery » (tsy voafidy) no manao ny asan’ny filohan’ny repoblika dia mahazo manome famelan-tsazy toy ny olom-boafidim-bahoaka. Azo antsoina sy terana hantsoina hoe : FILOHA. Rehefa ny fahefana sy ny andri-pitondrana mivorivory any anaty lapa any no mandinika ny famotsoran-keloka eto amintsika dia mety sy azon’izy ireo atao izany. Azony hatao ny mandinika ny teti-bola, nandany ny lalàna ho an’ny fifidianana sy ny maro hafa. Rehefa ny lalam-panorenana no voafidin’ny “vahoaka” amin’ny an-tsasa-manilany dia azo dinganina izany ka natsangana tamin’ny alalan’ny ravin-taratasy ny naha-“minisitra” na naha-CT, na naha-CST. Saingy izy rehetra ireny dia tsy azo antsoina velively hoe: solombavam-bahoaka satria tsy voafidy. Izany no fanazavan’ny mpitasara miadidy ity minisiteran’ny fitsarana ity.
Tsy mila resahina akory ny maha-tsimatimanota an-dRanona na i Ranona, ka tsy azo samborina eo ampanaovana ny asany, fa ny olana ho an’ity minisitra miadidy ny fitsarana ity dia mifangaro voraka ny dikan’ilay didy hitsivolana 2010-010 nananganana ny andri-pitondrana roa, sy ny andininy faha-73 ao amin’ny lalampanorenana. Misy ny Filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, te ho Filohan’ny Gasy, sy hikaroka ny fankatoavana ho an’ny Gasy, misy PDS te-hantsoina hoe “Ingahy Maire”, ny CT mba te-ho Depioté, ny CST mihevitra azy ho senatera…Mifangaro tanteraka satria…tatezan-kazo no hiampitana e!



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Lettre ouverte pastorale à Mme Christine Razanamahasoa, se disant « Ministre de Dieu »
  2. Tsy ho any Gabarone i Rajoelina raha tsy…
  3. Christine Razana … doit d’abord répondre
  4. Interview – Fetison concernant Ch. Razanamahasoa
  5. Arahaba soa, arahaba tsara ry vahoaka mahery fo !

3 Comments

  • Ziry Onésime dit :

    Izany no tena hilazana fa sady vendrana no dondrona, ireo HATay ireo!… Ka ny asany aza tsy hainy akory! TENA GASY VENDRANA (TGV) E!
    Hita mihitsy fa samy tratran’ny virus-ny « radomelinose » avy tamin’ny lehibeny avy!!

  • verbeeck dit :

    Mazava be ngeh ny zava-misy satria inn,? moa no mari-pahaizana hananan’Ingahy DJ tompoin’ny Fitsaràna sy nyMiaramila io???

  • Bob dit :

    Je sors un peu du sujet !Pardon ! Mais….

    J’ai appris hier, qu’auRwanda (non pas le pays à Kouchner ! :) ,
    La chasse aux gorilles risque UN EMPRISONNEMENT à PERPETUIT2 §

    - A Madagascar, les pedophiles, tel Roger Nicaud paie juste menus euros, pour pouvoir recommencer. Les 10 à 15 ans de prevus par un eLoi que le Ministere Razanamahasoa ignore ne s’applique que pour une partie des habitants de Mcar : les Gasy et non les vazaha !
    - Les jugements pour les Anti-TGV n’ont rien à voir avec ceux « pour » le TGV !
    - Ceux hauts placés ds le Gouvernement TGV, et autres CT-CST-CNOSC, impliqués dans les affaires du Bois de Rose, sont à peine egratignés par Razanamahasoa,
    - car le plus haut placé dans la HAT, est impliqué selon YouTube et Daily Motion, au plus haut dégré dans les Ventes de Bois de Rose, au Chinois .
    - Et le Refus Categorique ET non justifiés des Temoignages du Gal Raoelina et du Cl Andrianasoavina, ne sont qu’abus de Pouvoir, dictés par un Superieur impliqué !
    -
    -
    -
    -

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site