TARATASY MISOKOTRA HO AN ’ NY MPITSARA REHETRA ETO MADAGASIKARA ARY HO AN ’NY MALAGASY TSIVAKIVOLO !
IZA NO TSY HO TEZITRA SY MALAHELO AMIN ’ IZAO LOZA MIANTRA AMIN ’NY FIRENENA IZAO DIA NY FAHAFATESAN ’ NY FITSARANA , NOVONOIN ’ IREO MPITSARA TY MAHITA AFA – TSY NY VOLA..! ARY KOA AMIN ’ nY FAHITANA FA TSY MISY FEON ’ IREO MPITSARA REHETRA MANOHITRA IZAO FAHAVOAZANA LEHIBE MIANJADY AMIN ’ NY MALAGASY NY 08 JOLAY 2001 TENY ANOSY !
NY SEHO – JAVA-DRATSY MIFANESY ITATSIKA ISAN ’ ANDRO VAKY IZAO DIA POROFO MIAMPY IREO IZAY TSAPA ATRIZAY FA TSY MISY INTSONY NY TAHOTRA NY MARINA , TSY ISY INTSONY HENATRA MAHA MENA MASO IREO OLONA MISOLOKY HO MPITONDRA ITY FIRENENA MASINA ITY…
RAHA MANARAKA NY TANTARA IZY IREO DIA TOKONY AHAFANTATRA FA IZAY MANAO RATSY AMIN ’ NY MALAGASY SY NY FIRENENA MALAGASY DIA TSY HO HAFA MAINA FA HAHITA LOZA TOAN ’I BARON , LEHIBEN ’ NY SECURITE TEO AMBOHITSIROHITRA TAMIN ’ NY 47 : TEO NO BIRAONY FA NY ASA RATSINY DIA NIHANAKA..TETO AMIN ’ NY FIRENENA..TSY ANONONA IREO NAHITA LOZA TATY AORIANA AHO FA IARAHA – MAHALALA IZY IRENY…(MATY TAMPOKA , NOHO NY LOZA..NIANJADY TAMINY..).
NYFITSARANA AN ’ I JENERALY RAOELINA SY NY NAMANY VE DIA AZO HO LAZAINA HO FITSARANA ?
ENY NISY IREO MPITSARA , NISY NY VOAPANGA ARAHAN ’ NY MPITANDRO NY FILAMINANA..
NISY NY MPIARO , NISY NY MPANOZON-DOHA , NISY IREO MPAKA SORATRA , NISY NY VAHOAKA…
RAHA IZANY TABILAO IZANY NO JERENA DIA NISY SARITSARIM-PITSARANA TOKOA..
FA RAHA VAO MITENY IRETO MPANDRAY ANJARA AMIN ’ ITY TEATRA ARY RAHA MITADY IZAY VOTOATIN ’ ITY FITSARANA IANAO DIA VERY SATRIA TOA LASA OHATRA ’ NY LALAO – TENY FONY ISIKA ZAZA IZAY MANAO HOE :
» NY MPITSARA :.NO MITENY : » MITSANGANA IANAO ! IZA NO ANARANAO §
»MAMALY ILAY VOAPANGA : RAVATOMANGA
»NY MPITSARA : » FONENA ?
NY VOAPANGA : AMBATOMANGA !
»NY MPITSARA : » MAZAVA NY HELOKA VITANAO ! SORATY : RAKOTOMANGA MONINA ANY AMBATOMANGA DIA VOAPANGA »
NY MPITSARA : » MANARAKA ! »…!
DIA TOA IZANY NY FITSARANA..
—TSY NISY FILAZANA IZAY HELOKA SY FAMELABELARANA NY ANTONY NIAPANGANA IRETO OLONA NOAPANGAINA
—-TSY NISY ADI – HEVITRA MIKASIKA NY TENY NATAON ’ IREO MPIARO
—-TSY FANAZAVANA NY ANTONY NANAMELOHANY IRETO VOAPANGA FA DIA DIDI – KO FELEHIBE..
FITSARANA TSY MANANA LELA MOZANA..
KOA LASA NY SAINA ARY TSY MAINTSY APETRAKANY FANONTANIANA MARO MIKASIKA IRETO MPITSARA :
–MBA NAHAVITA NYIANARANA TOKONY ARAHAN ’ NY MPITSARA VE IZY IREO ?
–AOKA ATAO HOE NAHAVITA NY FIANARANY IZY IREO..NEFA AMINAY DIA TSY AMPY » NY DIPLAOMA » ,INDRINDRA AMIN ’ NY ASA MIKAIKA NY AIN ’OLOMELONA…MITAKY FAHENDRENA NY ASA TOA ITONY.., MILA FAHATONIANA SY FIERITRERETINA LALINA , INDRINDRA MOA FA TSY IRERY IANAO MANAPA – KEVITRA FA MISY OLONA MARO MANAMPY ANAO IERITRERITRA , MANAMPY ANAO HANDANJALANJA. , MISY KOA NY BKY ( CODE PENAL , NA CODE CIVIL )
MANORO ANAO ARY MAMETRA NY FARITRA TSY AZONAO DINGANINA !
ARY EO AMONIN ’ IZANY : NY FEON ’ NY FIERITRETANAO ILAY ATAO NY FRANTSAY HOE : » INTIME CONVICTION ! »
IANAREO NITSARA NY JENERALY RAOLINA SY NAMANY TAMIN ’ NY VALO JOLAY 2011 TEO VE DIA NIHAINO NY NY FEON ’ NY FIERITRERETANAREO IANAO ?
» AVEZ- VOUS VRAIEMENT CONDAMNE CES GENS – LA EN ECOUTANT VOTRE INTIME CONVICTION ? »
NOUS AVONS ASSISTE A UNE PARODIE DE JUSTICE , UN JUGEMENT CARICATURAL , A UN SEMBLANT DE JUSTICE , A UN JUGEMENT EXPEDITIF RAPPELANT A DE NOMBREUX TEMOINS LES JUGEMENTS EFFECTUES DU TEMPS DES NAZIS !
MAIS VOUS N ’ AVEZ DONC PLUS DE FIERTE PERSONNELLE , DE DIGNITE DE CITOYEN.., DE RESPECT DE VOTRE PERSONNE ET DE VOTRE PROFESSION, PAS PEUR DE REMORDS..?
MAIS DONC ETES – VOUS ? QUI ?
OUI J ’ AURAI AIME VOIR TOUS LES JUGES QUI N’ ONT PAS PRIS PART A CETTE MASCARADE MANIFESTER BRUYAMENT DANS LES PAS PERDUS DE DU TRIBUNAL , QUI A RESSEMBLE EN CE JOUR A UN TOMBEAU OU LE SILENCE EST ASSOURDISSANT !
OU SONT DONC TOUS CES MAGISTRATS ENGOSSES DANS LEURS ROBES ,QUI EN CE JOUR RESSEMBLENT A DES CLOWNS TRISTES ?
OUI , QUI NE DIT MOT CONSENT ! VOUS ETES TOUS DONC SOLIDAIRES DE CES JUGES BAILLONNES AVEC PIEDS ET MAINS LIES , CAR VOUS NE REAGISSEZ PAS , VOUS NE MONTREEZ AUCUN GESTE ,VOUS NE DITES AUCUN MOT QUI CONTRE CES UGES QUI VOUS SALISSENT QUI DISCREDITENT LA JUSTICE ?
QU ’ AVEZ – VOUS DES INSTRUCTIONS AUDACIEUSES DEONNEES PAR VOTRE COURAGEUSE ANCIENNE MINISTRE MADAME RAJAONAH ALICE ?
EN PLUS VOUS TOUS , VOUS OSEZ RENDRE LA JUSTICE AU NOM DU PEUPLE MALGACHE SOUVERAIN , QUE VOUS AVEZ CE 08 JUILLET 2011 PIETINE AU TRIBUNAL D ’ ANOSY AVEC UN GRAND MEPRIS !
TOUT DEGAT PEUT ETRE REPARE…MAIS TOUTE ERREUR EN JUSTICE DEMEURE UNE TACHE INDELEBILE SURLE TABLEAU DU DESHONNEUR DE CEUX QUI RENDENT LA JUSTICE A MADAGASCAR…: SE DECLARER INCOMPETENTS EST UNE GRANDE PORTE DE SORTIE DEVANT TOUS LES CAS DE JUSTICE QUI POSENT MEME UN PETIT PROBLEME A LA CONSCIENCE DE TOUT JUGE COMPETENT , INTEGRE , HONNETE , ETHIQUE , RESPECTUEUX DE LA JUSTICE , DE L ’ AVENIR ET DE LA VIE DE CELUI OU DE CELLE QU ’ IL A
JUGER..!
RAHA TSY AZO HITOKISANA NY MPITSARA MANOMPO NY FITSARANA ETO MADAGASIKARA , DIA POROFO LEHIBE IZANY FA VERY FANAHY MBOLA VELONA IIZY IREO..ARY HO ELA VOA HO SITRANA NY ARETINA MAHAZO AZY IREO DIA NY FITIAVAM – BOLA IZAY MAMONO NY HASINA SY NY HAMBO ( FIERTE )
MAHA – PITSARA AZY IREO IZAY IREO NO NOHEVERINA FA AMPIGAN ’ NY FIAROVANA NY MARINA !
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

Ry zareo efa very fanahy, izay maha olona hoy ny ntaolo, dia tsy ho taitra akory anie ka tena mahonena e!
ka dia antsika rehetra mbola mahatsapa tena ho mbola malagasy no mikaroka aingana izay fomba ahazahoana mamerina ny hasintsika : mitaky zavatra maro io
Any tsirairay ny mihaiky ny tsy nety ka tokony hovana ary hitaritana ny afa hirona @ tanjona mitambatra.Izany no katsahina aingana ho atao dia mba tsy ho irery intsony ny filoha Ravalomanana @ fanarenana ny firenena ary hangina ny fahavalo satria mahay manohitra tsy misy basy mamono na mandratra isika.
Mitanisa ny toetra ratsy ny malagasy foana no fahita, (« négatif » loatra ary fika ratsy manimba io)io fa manan -talenta sy tanjaka samihafa koa anie isika e ( « positif » hoy ry zareo ka tokony ampitomboana).Izao no fotoana hampisehona izany e!
Mahavita zavatra isika rah mbola ny filoha Ravalomanana foana no atao ho mpitarika antsika satria izy irery no any manana ny fijery manokana ialian hisondrotantsika.
. Manam-pahaizana ireo ry Doc an
. Tsy tadidinao ve fa nisy ireo nitsangana nanohitra an’i Rakrisy sy ny tariny: indrisy, natao dahol ny hevitra nampanginina az ireo
. Ravalo aza saiky isam-bolana lav’izao hamoronan-dresaka ratsy foan, nefa tsy tokony ny « Haute cour de justice » ve no mahasahana ny prezidà ê
__
Raha ny tamin’ity taona ity, dia itony ny vaovao mihakasika andry zareo lohandohany ao:
[Que se passe-t-il au sein du Corps de la Magistrature ?
Si le 28 avril dernier jusqu’à 16 heures, se sont tenus les élections des nouveaux membres du Conseil Supérieur de la Magistrature, il se trouve que les dépouillements ne se sont faits que le 05 mai 2011, une longue semaine après la clôture des votes !
Et dire que la Justice devrait être une Institution qui garantirait la fiabilités des résultats des élections ; alors qu’en son sein même il se déroule des élections loin d’être fiable et transparente.]
__
MBOLA HO AVY ILAY MARAINA
c’est honteux
rehefa ny fitsarana no tsy atsapana ny fahamarinana, ny rariny sy hitsiny fa atsapana kosa fa voavidin’ny vola na ny fijery politika aary maty eritrerira noho ny antony vola sy politika ary teritery ilay antsoina hoe mpitsara dia foana ny fitsarana, maty ny fitsrana ary dia azoko lazaina fa manomboka miala aina ny Fitsrana eto Madagasikara. rehefa izay no mitranga dia tsy mahatoky azy intsony ny vahoaka, manomboka ny fitsaram-bahoaka ary dia ny mpitandro filaminana aloha no lasibatra voalohany avy eo ny fanjakana sy ny fiara-hamonina ankapobeny. Lo avokoa ny zava-misy eto satria lo ny mpitondra lo ny fitsarana lo ny fiarahamonina , lo ny toe-trsaina, lo ny politika lo lo lo tanteraka
Nilatsahan’ny FANAHY MASINA Laolo! Bravo Laolo!Ho an’iza aloha no tena
hiadivanao ity e!
Raha ity fitsarana indray no hasiana resaka dia mazava fa FANDEMENA,atao daholo izay mety mba
ahatongavana @ izany tanjona izany,ny antony????sao ny olona handadilady @ foza ohatra ny
FANDOALIANY @ DEVOLINY mba ho namany,dia rehefa trotraka koa ireo GADRA ireo dia tsy afaka
na hieritreritra VALIFATY intsony fa HALEMY tanteraka,POTEHANY mihintsy ny ho aviny manontolo
dia tsy afaka ny hitraotra intsony avy eo,FANDEMENTSAINA aloha! dia ny VATANA manaraka ho azy,
fietsika mifono TAHOTRA FADIRANOVANA mihintsy koa izao,satria manenjika mafy an’ireto foza ny
ratsy vitany ka dia aleony ny azy no mba tonga ahola,manapatra ny fahefany mafy ny devoly fa efa fantany
ny zavatra miandry azy atsy ho atsy,dia mba mamono lolo aloha manala VOKONA !
Mahavaky-fo ny zava-misy eto Madagasikara, anefa tsy mahagaga.
Iza no nampianatra ny Malagasy hanao “ota sy fady”? Valiny:ny miaramila gasy.
Hoan’ny mpanoratra ny lahatsoratra>
Raha izaho manokana aloha dia tsy sahy hanenjika na hiteny antoko na sokajin’olona intsony satria efa tena miantra aman’aina ny raharaha.
Maninona no asainao hivandravandra eo imason’ny olona ireo mpitsara sy ny namany izay tsy mankasitraka ny zava-miseho?Efa hita fa miady amin’ny jiolahimboto fatin’alika ny Gasy koa dia mbola handeha hampiseho antokon’olona hiseho ho mahery fo?Aoka etsy!!!
Ireo miaramila manam-basy afaka miaro ny tenany aza tsy sahy koa ny hafa no amporisihinareo!!!
Raha mahasahy ianao,( raha araky ny filazanao dia miaramila ihany koa ianao!!) dia ireo miaramila manohana ny ara-dalana asaina mitsangana hanohitra ireo mpanongam-panjakana, satria izay no nanaovanareo miaramila fianianana eo imason’Andriamanitra sy ny Razana (Tanindrazana).
Ianareo miaramila mantsy dia mahay miala-bàla hoe “Tsy hifampitifitra amin’ny rahalahinay izahay” rehefa tay ny afera na dia efa hita sy mivandravandra aza ireo devoly ireo.
Iza moa no miteny aminao fa tsy mba hanao toan’ny miaramila koa ireo mpitsara?Betsaka ny voavidy vola!!!
Ny vahaoka Malagasy dia niandry (eny, kanosa ihany koa izy ireo!!):
- ny miaramila manohana ny ara-dalana , fa he he!
- Ny hetsiky ny Dokotera fa he he!
- Ny hetsiky ny mpitondra fivavahana fa hehe!
- Ny hetsiky ny mpianatra: anjery manontolo sy ny sisa fa he he!
- Etsetra etsetra……
Ka aoka re mba tsy atao resaka “corporatisme” izy ity fa mamahan-dalitra ny vahaoka izany e.Tsy misy afa tsy ny fidinan’ny daholo be an-tsehatra raha tiana ho vanona ny tolona.
Iray ihany amiko no tena vaha-olona: miara-mirona ary tsy matahotra ny hifandona amin’ny miaramilam-potaka satria tsy maintsy alevina lavitra im-pito mandifitr’olona ny tahotra.
Enga anie ka tena mba ho tonga saina ny Malagasy.
Samy tsara!!!
Hitako daholo ny tarehin’ireo Magistrats ao Antananarivo teto amin’ny forum mydago vao haingana dia hitanao hoe olona mandina tsara satria voky ary tonga dia tsy mampino hoe ny karamam-panjakana no mahabotrabotra azy ireo fa misy bizina hafa ao.Ka tsy mahagaga ahy mihintsy io didim-pitsarana io satria efa tratran’ny kolikoly hatrany an-tampon-dohiny ny fitsarana ao Antananarivo.Ilay fitiavan-kely io sy fitiavana mahazo kokoa noho ny hafa no mahavery antsika.Izay fomba tsy hitovizana amin’ny be sy ny maro izao no filamatra ary hitan’ny vozongo io toetrantsika io dia voavidy amin’ny kely foana isika na dia atao hoe nandia fianarana aza.
Io verdict navoakan’ny fitsaràna io,dia efa mitory sahady izay hanjo an’i filoha Ravalomanana raha vao migadona eto an-tanindrazana izy.Efa fampitandremana sahady ataon’ny FAT-in’alika ho an’i filoha sy ny vahoaka mpanaraka azy.
Fanontaniana : moa ve ni-réagir ny vahoaka raha vao ni voaka io fanamelohana io ? ie,ni-réagir tokoa ny vahoaka,anefa am-bava fotsiny fa TSY AN-DALAMBE,noho ny tahotra …
Ho tonga eto ny filoha ? ie,ho tonga izy,fa dia azy irery hoy ny sasany ny fanapahan-kevitra @ izany.
Ahoana indray ary ny réaction-ny vahoaka rehefa tonga io fotoana io ? Hijery fotsiny toy ny nanjo an’i jeneraly Raoelina telo lahy ? dia miononona fotsiny amin’ny hoe « tena tsy rariny » mihitsy izao . Sa efa misy tetik’ady hafa mihitsy ? Mba mipetraha eo @ ireto zanak’i jen.Raoelina « travaux forcés à pertepuité » ! Ny mason’i Raoelina iray iny efa tsy mety mikipy intsony noho ny tortures natao taminy!
Andao rangahy mivonona daholo hivoaka an-dalambe amin’izay an!Be ireo tsy mankasitraka ity fitondrana JADONA ity fa resaka fotsiny any an-trano any no atao ?
Ny miaramila sy Mpitsara dia tena tsy maintsy hodiovina tanteraka raha vao mipetraka ny Repoblika vaovao. Tsy maintsy miditra amin’ny « vérité et reconciliation » izy ireo vao azo homena handraikitra. Miaiky hampahibemaso ny fahadisoana nataony teo hampanatanterahana ny asany, ary mifona amin’ny vahoaka vao homena ny fitokisana indray. Ny tsy mendrika aloha dia halefa misotro ronono tsy fidiny rehefa tsy hosaziana;
Raha tonga eto i Ra8 dia tsy hisy sahy ny hikitika azy eo, sarotra izany. Mandrehitra afo sarotra vonoina izay manao izany. Efa im-betsaka no natosika hiady an-trano isika Malagasy fa tsy tanteraka izany.Matokisa fa ny mangina volamena, saingy tsy resy tsy akory ny olo-mangina.