Tim Ambohimangakely : vonona amin’ny fitsenana an’i Dada !

Nitohy tamin’ity androany ity ny hetsika nataon’ny antoko TIM, notarihan’ireo mpitarika foibe nahitana an’i Solombavambahoaka Mamitiana Ravelonanosy sy solombavambahoakan’Avaradrano teo aloha, ny dépioté Etienne ary  ireo rafitra ifotony na ny « base » any an-toerana.Tamin’izany no nanazavan’ireto mpitarika fa mbola mijoro ara-dalana ny antoko eto Ambohimangakely ary mbola tsy nivadika amin’ny filoha Ravalomanana.Nampanantena ireo vahoaka fa vonona amin’izay rehetra mety hitranga amin’ny fitsenana ny filoha Ravalomanana ary nanome toky fa « tsy misy miala » amin’izany na inona hidona na inona hitranga.

1 pensée sur “Tim Ambohimangakely : vonona amin’ny fitsenana an’i Dada !”

  1. Izahay koa vonona e! dia samy vonona daholo isika izany!hamafiso ny finoana
    fa tsy maintsy tafitantsika io tolona efa nimatimatesan-tsika io.Hingao daholo ny
    tapaka sy namana ,alahoery ary ry mpiray tanindrazana isany.
    Dia misaotra ny mpikarakara nanala ny tahotra nahatontosa izao hetsika izao!
    mankasitraka tompoko o!Tohizo ny ezaka fa kely sisa e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *