TIM Ampitatafika : velona hatrany ny antoko !

TIM Ampitatafika, 20 Jolay 11 (45)

Nifamotoana teny Ampitatafika indray tamin’ity androany ity ny mpitarika foiben’ny antoko Tiako i  Madagasikara, nahitana an’i Depioté isany : Zafilahy Stanislas, Jules Andriamaholison, Mamitiana Ravelonanosy, Rodin Rkotomanjato, ny senatera Robert sy Rolland Ravatomanga sy ireo mpikambana fototry ny antoko.

Tamin’izany no nanazavan’ireo mpitarika  politika ny foto-kevitra an-kapobeny  ijoroan’ny antoko.Ny fijeriny ny fanampahan-kevitry ny fianakaviam-be iraisam-pirenena momba ny toe-draharaha eto Dago, ny momba ny fandraisan’ny CPI an-tanana ny fanadihadiana ny raharaha 07 febroary.

Tsy adinon’ny birao foibe ny antoko TIM ny nanentana ny vahoaka hivonona hatrany amin’ny toro-marika omen’ny mpitarika indrindra ny filoha Ravalomanana.

 

2 pensées sur “TIM Ampitatafika : velona hatrany ny antoko !”

  1. Mampalahelo ahy ianareo, tena kamboty, tsy misy vahoaka mba manaraka akory, mba miaraha am vahoaka am zay fa ra8 efa naloan’ny olona e!

  2. Ianareo no efa lany henatra tsy mahalala TSY TIANA,efa izao tontolo izao no miaiky ny
    haratsianareo,MIAOKA anareo!efa lany henatra!tsy misy haleha mantsy ,mahery an-tanana
    @ alabotry satria manana basy,dia manararaotra ery,ka iza no vahoakanareo eo???? mba lazao hoe???ireo
    VOAVIDY nanaraka anareo aza efa nokikisan’ny nenina,izay sisa tsy namono tena ry manontany a!
    fa nitampina inona ity voamaso no tsy nahita ireny vahoaka nitsena an’i dadanay teny Ivato ireny?sa nisitri-belona
    fa nanao ratsy???mbola vao ireny aza efa tsy zaka fa nalaky nosakanana izay voasakana! tsy zakan’ny tsenanareo
    ireny e!andana mandaiga sy mandroba dia aza manantena fa ahazo vahoaka ,fa tsy loha-poza toa anareo daholo akory
    ny vahoaka na miara MITAVANDRA aminareo ny HALATRA SY SOLOKY HATAONAREO ka tsy maintsy hankasitraka
    anareo na dia efa fahananareo MALOTO aza.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *