Tsy handigana ity volana Aogositra ity dia ho tonga ny filoha Ravalomanana.

Tontosa tao amin’ny Espace Gaiete Amborompotsy Talatamaty ny fihaonan’ireo mpomba ny ara-dalana sy ny vahoaka teny an-toerana, izay notarihan’i depioté  Zafilahy Stanislas  sy Pasitera Mamitiana Ravelonanosy ary Mme Fanja mpitarika ny Jeune Tim, nivoitra tamin’izany ny tsy maintsy hananganana ny Jeune TIM any an-toerana.Nambaran’i Pst Mamitiana fa mila mijoro ny TIM satria mbola matanjaka tanteraka ny antoko, nolazin’ny Dep Zafilahy fa tsy miova ny tanjona dia ny hampody ny filoha Ravalomanana, nohazavain’ny solombavambahoakan’ny Vavatenina ihany koa ny fizotran’ny dinika tany Gaborone sy Sandton, voafitaka ny FAT fa tsy nisy tsangan-tanana natao tany  kanefa efa nanakarama olona maro be izy zy tamin’izany hoy i Zafilahy, ary nohamafisiny ihany koa fa ny tondrozotra nahitsy no hatao sonia eto Madagasikara, tsy mandigana ity volana Aogositra ity dia ho tonga ny  filoha Ravalomanana ka nentaniny ny olona mba hanatevina ny kianjan’ny Magro manomboka izao.

Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ny lanonana teto.

4 pensées sur “Tsy handigana ity volana Aogositra ity dia ho tonga ny filoha Ravalomanana.”

  1. Tout à fait d’accord pour animer le sens de responsabilité des jeunes (au sein du parti TIM).

    Objectif est loin de les façonner exemplaire d’un DJ. Comme venait de le démontrer le retourneur-de-veste RAHARINAIVO Andrianatoandro, en leur laissant le soin d’organiser un BAL lors des festivités de fête de l’indépendance juin passé…

    TANORA VANONA NO HO AVIN’NY FIRENENA!

  2. dia hanao inona anefa e???? rehefa resy oa dia mba mipetraha fa aza mitonantonana! rehefa mba mahazo aina indray ny Tim vao tokony hitroatra fa raha izao herim-po very maina ny anareo. tena mbola tsy mamim-bahoaka ianareo e! tsy milaza akory izany fa matanjaka ny Tgv fa alaivo ohatra i Ratsiraka e! rehefa naka aina izy ny 1991 dia natanjaka be ny fiverenany ny 1996-1997

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *