Tsy nanao ratsy tamin’ny fireneko sy ny vahoaka Malagasy aho, ”Hoavy aho” hoy ny filoha Ravalomanana fa mijaly ianareo.

dada copy

Tratran’ny an-kivy ara-diplomatika ny FAT

Taorian’Alasora, dia nitafa mivantana tamin’ny mponin’ny Vakinakaratra indray ny filoha Ravalomanana ny Sabotsy 0 2 Jolay tolakandro.

Nivoitra tamin’izany ny filazana fa noho ny nataon’ny mpanongam-panjaka dia voan’ny sazy ara-diplomatika ny Malagasy(ankivy). Nanakaton-trano daholo ny Masoivoho vaventy toy ny Norvegiana izay isan’ny nanampy be dia be ny Malagasy teo amin’ny sehatry ny fampianarana na ilay « EPT » Education Pour Tous, ary mbola izy ireo ihany koa no nanampy antsika tamin’ny ady amin’ny kolikoly.Niaiky izy ireo, hoy i Dada, fa miaina ao anatin’ny tsy fahamarinana tanteraka ny vahoaka, koa noho izany dia lasa nandao  tanteraka mihitsy ny ambasadaoro norveziana, nifampiresaka tamiko izy ary nilaza fa tsy hanampy an’ireo mihitsy izahay.Toy izany koa ny Amerikana izay nilaza fa tsy handefa ambasadaoro any Madagasikara mihitsy izahay raha izany no zava-misy.Amin’isika miteny izao dia nilaza ny firenena mikambana (ONU) fa anakatona ihany koa ny masoivohony ao Antananarivo. Ny mahamaika ny fitondrana mpanongam-panjakana dia ny hanao fifidianana, tsy izay mihitsy anefa no mahamaika ny olona fa ny hahazoana maneho hevitra an-kalalahana , isian’ny tany tan-dalana, amin’izao manko hoy ny filoha Ravalomanana  dia manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ary tsy misy afaka mamonjy ireo tantsaha ireo , sahirana izy ireo fa tsy misy mividy ny vokatra .Tena ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny firenena Malagasy hoy izy.Ankoatra izay dia mandripaka tanteraka ny valala, tsy mbola nisy valala tahaka ity hatramin’izay 50 taona nahazoana fahaleovan-tena izay hoy hatrany ny filoha Ravalomanana.

 

Hoavy aho”

 

Samy mahalala fa tsy marina sy tsy mety ny fihetsiky Simao sy filoha Chissano teto Madagasikara.Tsy misy ny faritra na iray aza manaiky izao fitondrana izao, satria manararao-pahefana, tsy misy ny demokrasia ao Madagasikara, tsy misy ny fitondrana manara-dalana fa fampiasan-kery fampitahorana fanagadrana olona ary indrindra tsy havela hilaza izay heviny ny olona fa enjehina , Tena mijaly ary fadiranovana ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao vokatry ny krizy ara-politika nandritra ny 28 volana izay.Nandritra io fotoana io dia fitadiavana tombontsoa hoan’ny tena, fandrobana no nanjaka. Saika nikatona ny CSB , ny sekoly .Mamporisika anareo tsy hitsahatra aho hoy I dada , raha azoko atao dia ho tonga izao dia izao mihitsy aho .Tsy nanao n’inoninona aho, tsy nanao ratsy tamin’ny fireneko aho , tsy nanao ratsy tamin’ny vahoaka Malagasy aho.”Hoavy aho” fa tena mijaly ianareo hoy ny filoha.

Antso an-tariby :PRM Magro Avaratsena Antsirabe

——————————————————————————————

Sary teo amin’ny Magro Behoririka :

16 pensées sur “Tsy nanao ratsy tamin’ny fireneko sy ny vahoaka Malagasy aho, ”Hoavy aho” hoy ny filoha Ravalomanana fa mijaly ianareo.”

  1. Misaotra DADA, mitongava fa vonona hitsena izahay nefa miomana koa amin´ny fiarovana ny tenanao fa ireo Miaramila tsy tia anao sy ireo frantsay ao ambaika maporisika ireo miaramila mbola ao.

    Ho feno ny vahoaka hitsena anoa, ary efa leo krizy izahy no leo geja.

  2. Mahatoky izahay fa mailo tsara ianao @ fiarovan-tenanao ry Dada!
    Izahay tana-polo ihany mantsy ,efa fantatrao fa bibidia no miandry anao
    aty @ tanana, aza dia matoky tena be loatra na izany aza fa » ny aina lahy tokana « ary mbola
    tsy teraka ilay hisolo anao ry DADA MALALA! aiza izahay no ahita ohatra anao intsony raha
    sanatria!!!!!!!!!! ny Tompo homba anao ary ny Anjely mpiambina hiambina anao!

  3. Misaotra Dada a!
    Misaotra anareo rehetra koa milaza fa vonona ny hitsena sy hiaro azy! Tsy hipetra-potsiny intsony isika, satria efa masaka izany ny tenin’i Dada: HIVERINA IZY!
    Koa dieny izao dia tokony ho atao masaka tsara ny fanomanana ny fiverenany!
    Izaho moa ho any Antsohihy amin’ny herinandrao, ary ho any Toliary avy eo, dia efa mba manao fanentanana tsikelikely eny e! Tsara raha mba manao toy izany koa ny olona tsirairay! Raha olona telo no mahare, mino aho fa lasa olona zato iny ao anatin’ny iray andro, ary lasa 1.000 afaka roa andro!
    MAHEREZA DAHOLO E!

  4. Marina dôlo zany fa tongava soa é dia aza adino tokoa fa biby no mpifehy ny Marasil sy ny bôdika eto; efa tsy mahalala tompo intsony ireo…ka asa inn??? no hevitra fa romotra mandripaka eran’ny tanàna ireo …hatramin’izao alou dia mivouvou be reo ka asa oe hery sa tahotra ???

  5. Eny Dada o,
    faly maheno anao en forme tsara, mahery sy vonona.
    Tongava aingana a tokoa, fa dia efa ketraka ny nofo, na matanjaka aza ny saina
    Tongava soa antanindrazana!

  6. Misaotra ny mpaka sary, mampiseo ny tena mpitolona
    Ilay ery aorina b akaikiny mpivarotra sakafo, ny ao ambany rindrina simba mbola tsy dia hita fa mba ampiseo ahona izany vahoaka, misaotra e !

  7. Avy aiza daholo ireo tomobila 4X4 isan-karazany mameno ny arabe?

    Ireo antonony very asa dia manatevin-daharana ireo mahantra

    Ny orin’asa mikatona mitombo isan’andro vaky izao…

    Mahagaga no sady mampalahelo fa tsy dia henonay firy ny blema toa ny firongatry ny VALALA nasongadinao!

  8. Io no nolazaiko hoe resaka sy kabary no betsaka e !

    Misy eto mandambolambo resaka fotsiny amin’ny hoe : Aza misy taitaitra, aza misy mora domina, sy ny sisa, fa ny fahitako azy, dia
    MATAHOTRA NY ADY HO RAIKITRA !
    na mandositra fotsiny ny adidy izao !

    Aoka izay ity resa-be ity e !

    Raha tena hanao dia avokony totohondry, ary
    Ndao hi-RODOBE !!! Tairo ny RODOBE !!!
    ary tsy mahita RODOBE aho amin’ny fahatongavan’i Dada, dia tena izay aho vao miteny hoe : VITA GASY tokoa !

  9. ary RAHA tsy mahita RODOBE aho amin’ny fahatongavan’i Dada,
    dia tena izay aho vao miteny hoe : VITA GASY tokoa !

  10. dada a! dada a ! tsy misy farany
    mba miha -lehibe daholo amin’izay dia tarito ny havana sy namana hiady hitolona.
    Aiza Izay RODOBE ????? sa mila miandry 50 taona indray ????

  11. Mbola misy fotoana handambolamboana resaka ihany ve @ ‘izao e!
    Rehefa mba miezaka ny mba manampy @ fanamboarana ilay toetsaina
    indray ny olona dia lazainao fa  » mandambolambo », misy isika eto mantsy vao domon’ny foza @
    lainga sy horohoro dia misavoana nefa kosa efa mba ela izay nahalalana ny foza sy ny tsy fahombiazany
    izay ka tokony mba ahatoky tena @’izay isika fa tsy ho azon’ny foza hampiasainy ny teti- dratsiny lava izao.

  12. Ka very dada izahay re ry Elas a! tsy ahita ohatra iny intsony !dia izany
    no hidradradradranay lava eto !ho ren’ny foza tsara fa MILA NY DADANAY
    izahay fa mijaly !ary tsy ny foza mihintsy no ahasolo ny toerany » SANATRIAVINA »!

  13. za koa very Dada fa miandry ny vahoaka marobe hampody an’i dada.
    Ilay mikiakiaka dada lava isan’andro eto mbola tsy napody azy mihitsy satria tsy misy foza maheno.
    Rahoviana marina no hatao ilay RODOBE e !!! io ihany no ahitan’ny foza be loha fa Dada no ilaina eto amin’ny tanàna.
    Aleo karakaraina ny RODOBE, rehefa matahotra hoaho dia tsy mivoaka ny trano, tsy misy atahorana eo raha manao daholo izay tsy foza rehetra, izany hoe 19 999 990 olona velona ka misy loha, tongotra, tanana, lamosina.
    samy mivory eny amin’izay fonenany eny ny andro iray fiasana fa tsy miasa, amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva.
    Matahotra ny ho noana indray andro ve ?
    raha tsy misy RODOBE hoy aho aleo adaboka daholo dieny izao fa mandany lera fotsiny, sady tsy an-tany, tsy am-parafara.
    RODOBE=Fodian’i Atoa Ra8, RODOBE=Fodian’i Atoa Ra8, RODOBE = Fodian’i Atoa Ra8

    RODOBE = Fodian’i Atoa Ra8,RODOBE = Fodian’i Atoa Ra8,RODOBE = Fodian’i Atoa Ra8,

    RODOBE = Fodian’i Atoa Ra8,RODOBE = Fodian’i Atoa Ra8,RODOBE = Fodian’i Atoa Ra8

    RODOBE = Fodian’i Atoa Ra8,RODOBE = Fodian’i Atoa Ra8;RODOBE = Fodian’i Atoa Ra8
    RODOBE = Fodian’i Atoa Ra8,RODOBE = Fodian’i Atoa Ra8
    RODOBE = Fodian’i Atoa Ra8,

  14. Tsy mila mandoro n’inon’inona izany e! ny foza no mahay an’izany, fa ny ahy dia averiko foana, aza miandry toloram-potsiny, aza miandry ny any ivelany hamonjy ny firenenao, antsika i M/kara fa tsy an’ny vazaha akory, ary rehefa tsy mihetsika isika dia lojika be fa tsy hiala eo amin’ny sitra-pony na oviana na oviana akory ireo fatimpoza ireo, noho izany RODOBE, fa inona foana no andrasana e! aiza ianareo ry mpitarika ô, izahay efa vonona htry ny ela e! asa fa tsy kabary, aoka izay ny fitarainana, aoka izay ny fifampiraharahana, RODOBE

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *