Udempro : vonona hitsena amin’ny fomba manetriketrika ny Filoham-pirenena Ravalomanana.

Udem pro 01 jul 11 (5)

Nanao valandresaka hoan’ny mpanao gazety, io tolakandro io tetsy Bel’air Ampandrana ny Union For Democratic Process na ny UdemPro ivondronanan’ny antoko efatra – AMF/3FM, MFM, TEZA, TIM, mpiray antoka amin’ny Ankolafy Ravalomanana ary mpandray anjara feno amin’ny Rodoben’ny Malagasy hoan’ny Tanindrazana.

Tamin’izany no nanambarany momba ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo noraisin’ireo Filoham-pirenena syLehiben’ny Governemanta ao anatin’ny SADC tany Sandton ny 11 sy 12 jiona 2011 lasa teo.

Toy izao ny votoatin’ny hevitr’ireo :

Manoloana ny taratasy nalefan’ny Filoha Marc Ravalomanana ho an’ireo Filoham-pirenena sy Lehiben’ny Governemanta ao amin’ny SADC ny 24 jiona 2011 dia :

Miantso ny fiaraha-mientan’ny malagasy tsara sitrapo rehetra,sivily sy miaramila,hiara-mamarana izo krizy mianjady amin’ny firenena izao.

Manohana amin’ny herinay rehetra ny fanapahan-kevitra hendry sy ny fampiharana azy hivoahana amin’ny kriz.

Maneho an-karihary ny tsy fankasitrahanay ny fomba fitondran’Atoa Leonardo Simao ny fanelanelanana nampiandraiketin’ny SADC azy teto Madagasikara,indrindra ny fandikana vilana ireo tapaka tany Sandton,fihetsika tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena eo amin’ny fanatontosana ny asa fanelanelanana ka mampihombo ny savorovoro sy ny tsy fitoniana eto amin’ny firenena.Manohana ny fandraisan’ny Firenena Mikambana an-tanana ny famatsiam-bola sy ny fikarakarana momba ny fifidianana rehetra.

Mitaky tsy misy hatak’andro ny famoahana ireo gadra politika sivily sy miaramila

Manamafy fa tsy ara-dalàna ny lalam-panorenan’ny 17 novambra 2010.

Manohana ny fitakian’ny Ankolafy Ravalomanana hanangana fitondrana tsy miandany,noho izany dia mitaky ny toeran’ny Praiminisitra ho an’ny Ankolafy Ravalomanana ary ny fanamboarana ny andrim-panjakana rehetra.

Manambara ny fahavononanay hitsena amin’ny fomba manetriketrika mendrika Filoham-pirenena  voafidim-bahoaka  an’Andriamatoa isany : ny Filoha Didier Ratsiraka sy ny Filoha Marc Ravalomanana,fitsenana nomanina nandritra ny roa taona mahery.

 

 

 

4 pensées sur “Udempro : vonona hitsena amin’ny fomba manetriketrika ny Filoham-pirenena Ravalomanana.”

  1. Misaotra anareo UdemPro e! Tsarovy koa fa aorianareo ny vahoaka mpomba ny ara-dalàna! tsy maintsy ho voarodantsika io HATay io!

  2. Raha tena vonona, alefaso ny RODOBE, fa ny fitsenàna an’i Dada, mora atao izany e !
    Kabary zato lefona arivo, nefa wawawa no betsaka.

    Mba ataovy ny aton’i TGV e ! Tsy miteny fa mamely vao gaga, MIKORAPAKA, ny zanak’i Dada !

  3. Izay no tsy azo @ ‘ity tantara ity! ny vahoaka miandry an’i dada sa i dada no miandry ny vahoaka???
    Ny vahoaka anefa efa tena vonona fa ny fitsenana no hatao masaka! dia ho mbola avo 2 na 3 heny
    toa ilay farany iny no ho avy eny Ivato,fa aleo angamba mba maka bahana kely aloha fa tena lanaka ny sasany kosa e!
    Sao tsy misy aina hitsenana an’i dada eo intsony indray!
    Hitanareo ilay farany teo iny ???vao hoe : ho avy i dada an! dia efa ritra ny hafaliana ny ranomasoko! fa soa izy fa tsy tonga
    fa tsy nisy aina nandraisana azy intsony fa  » teo angamba no noraisina hoy ny ankizy « .Ny tosidra dia efa notoanana fotsiny.
    Ny tenin’i dada hoe :  » ho avy aho  » no ela dia jereo eo ny firotran’y olona! DADA NO ANDRASANA SISA DIA MASAKA IO!
    Tsy mety kosa ny mamely am-pitaka fa avelao hilamina! Ny soa no fianatra fa tsy ny foza( SANATRIA),

  4. Izao fotsiny ê !
    Vendredi 8 juillet 2011 :
    Na vendredi zoli, na vendredi noara be !
    Azoka tsara dia tsara ny mahakivy an’i Njara sy Elas ! Roa taona mahery no niandrasana ny FIVERENAN4NY ARA-DALANA, fa TSY VOATERY HOE NY PRESIDENT RAVALOMANANA AKORY !
    Rahatoa ka nanao izay tokony noheveriny fa mety ny vahoaka malagasy, efa tafaverina efa ela ny Président Ravalomanana !
    Mba fantatry ny vahoaka ve fa manana zo izy, ary izany zo izany voahitsakitsaka atramin’izao ?
    Betsaka ny zavatra tsy miady, ary izy ity tsy vitan’ny manakianana fotsiny, fa manana andraikitra koa ny vahoaka !!

    Na dia tsy akamako firy aza ilay rangaha, dia hoy Sarkozy : Vous avez des DROITS, mais vous avez aussi des DEVOIRS !!
    Firifiry amin’ny malagasy no mahafantatra an’izany hoe DEVOIRS izany, izany hoe ADIDY ??
    Tsy ny fandoavana hetra sy ny famangiana tra-pahoriana na fanomezana tso-drano ny mpivady vao ets….ihany no atao hoe ADIDY ! tsy ho voatanisa etoana izany adidy izany, fa dia samy mahafantatra angamba isika eto !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *