Mampisavorovoro ny saim-bahoaka i Simao !

Vehivavy TIM teny Alasora, 17 Aout 11 (3)

Nitohy teny Imerinkasinina indray androany ny  fitetezana ny faritra ivenan’Antananarivo ataon’ny  antoko TIM. Tonga teny an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tany Ankazobe, Pst Ravelonanosy Mamitiana sy ny Dep Etienne Rakotoarisoa. Tamin’izany no ilazan’izy ireo fa  nandefa hafatra manokana ho an’Atoa Leonardo Simao ny ankolafy Ravalomanana, tsy izy ny fanelanelanana ataon’ny Simao hoy ireo mpandahan-teny ary mampisavorovoro ny saim-bahoaka hoy izy ireo. Marihana fa tonga nanotrona izao tafatafa nifanaovan’ny mpiray donakafo izao ny mponina manodidina teny sy ireo fikambanam-behivavy.

 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *