Afa-doza nampimalo, hono, izao ny tany maminy

1cercueil-thumb

Maty ilay mpivaro-tena
Maty tsisy mpanontany
Maty tsisy mpahonena
Maty tsisy mpitomany

Ny mpivavaka ? Nandalo …
Dia nisaotra ny Andriamaniny

fa afa-doza nampimalo, hono,

izao tany maminy

Tsy mba olona tomefy
No namoaka izato faty
Fa tovovavy jefijefy
Na fiaina na fitafy

Ny iray niantso an’Andriamanitra
Sy nivantambantan-teny :
‘Omeo azy re ny lanitra
Fa ampy izay ny afobeny’

Georges Andriamanantena

17 pensées sur “Afa-doza nampimalo, hono, izao ny tany maminy”

  1. Milay eh!!!!!!!!!!!!!!!!!!!! merci!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!, maromaroa ny tahak’izao oh!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

  2. Iza indray ny manaraka?
    Mamono-tena ry traffe raha te-hanaraka an’i Nadine sy ny solomaso maintibeny a!

  3. Aza mihatsara velatsihy amin’ity « ny malagasy tsy miady ama-paty » ity e! fa ilay kala vavy io angaha niraharaha ny fahavoazako sy ny ny fahapotehan’ny fireneko noho ny zavatra nataony e! valio izay, Tsara ho azy izay e! ary ho an’ny foza rehetra miditra eto, baikoy Andriamanitra dia vidio amin’ny milliard be nangalarinareo koa Izy. Fa efa ianareo izao no eo, ka inona no mampalahelo? tsy efa manakarena be daholo, tsy efa mahavidy aina daholo amin’ny halatra bevava atao eto amin’ity firenena ity, ka inona indray.Marina mihitsy ilay hoe: io valabenao io ô, tsy nday anao amin’ny mausolée. Indrindra fa alahelom-bahoaka. Ary aza mifanome morale, izany no izy rehefa tsy avela haneho hevitra ny olona dia asehon’ny olona izao ny alahelony, zakao ny natao e!

  4. Salama daholo,
    Hianareo izay mifaly anio fa mihevitra ve hianareo fa tsy ho tratra ny aloka , fandalovana ity tany ity ary samy tsy misy hijanona eto , ary tadidio ihany koa fa malama ity tany ity ka sao dia solafaka eny an-dalana , tsy misy tompon’ny ampitso fa Andriamanaitra nop tompon’izany, tsy fantatrao akory izay mety hanjo anao rehefa avieo fa raha mbola malagasy enao dia aoka hanaja ny soa toavina malagasy , tsy mahafantatra anareo izay mifaly io akory aho fa tadidio ity teniko ity raha tsy miova amin’izany toetrareo zany hianareo dia ho kapoka tsy ho zakanareo no hiseho tsy ho ela akory ka aleo mibebaka !!!!!! Mazotoa daholo

  5. Inona moa no kapoka mafy hanozonanao anay?

    Misy kapoka mafy maharary ho an’ny malagasy, tsy misy toa ny nanomboka ny Lundi noire 26 Janvier 2009

    Mba nitoreo ve ianao? ny ahy tompoko gogogogon-dranomaso nandritry ny alina nifohazan’ny marainan’io…

    I ratompokovavy DIA TSY NITSAHATRA NITEHAKA NANDRITRA IZAY: »Hafa-doza mampimalo (iray) hono izao ny tany maminay »

  6. Aza adino,
    fa misy ireo olon-tsotra, efa voan’ny aretim-po
    NO MATY ho azy teny rehefa mahare ny habibiana niseho tetsy sy teroa!

  7. Salut HoAiza !
    Ho an’ilay LUK,
    Ireo potsista vonga-tay ireo no manamaloka ny fiainan’ny vahoaka malagasy ! Tsy pôlitisiana ireo fa dahalo, mpangalatra sy mpamono olona !!!
    Noho izany, aza ny anaran’Andriamanitra no tonitononina fahatany eto ! Mba vakio ny gazety, fa isan’andro vaky izao, dia faty olona tetsy ary faty olona tery ! Tsy Andriamanitra no niantso azireo, fa izany rehetra izany dia vokatry ny asan’ny potsista !!
    Ka zory ity lalana, dia any amin’ny potsista mandeha mampianatra an’izany soatoavina malagasy izany, fa tsy eto !
    Izay miaro potsista, dia namany avokoa!
    Les putschistes ne sont rien d’autres que de vulgaires tas de merde, et non des politiciens !!

  8. Zahagaga tokoa fa de rehefa misy hirika kely hitenenana de zao soatoavina malagasy zao foana no averimberina ato . fanga hatramizay nisy nanaja io soatoavina malagasy io e!! ohatra ray fotsiny no meko eto de hoe iza no mba manao mbay lalana rehefa mandika olona ent antsena . ary iza no mba manaja be antitra rehefa mandeha fiara na eny andalana fa toa manao azy ho izy no iza rehefa ao aminy ny hery . ko nahoana no maty rafotsy ragila ko hoe manaja soatoavina . io vehivevy io tami fahavelony tsy mba misy henatra na dia iray akory ary fa rehefa misy manirikiry azy na manelingelina ny fiainany dia ambanany amin’ny basiny any aminy . zany ve no soa toavina . misy discipline na dia ny soa toavina malagasy ary fa tsy tonitononina foana amizay hahaizana azy . ary amiko zay vandana dia kary na maty izy na velona . ary tsy fantatrareo mpanongapanjakana reo ko angaha hoe ny feom-baoaka feon’Andriamanitra ka ina no mamparary loha anareo manome morale ny olona te haneho ny heviny ato . avelao izy hiteny fa rehefa tsy zakanareo potsista ny adi hevitra ato de andana ndray mandroba firenena fa zay no mety aminareo ho hita eo raha mbola hahavita .
    Andriamanitra tsy azo vazivaziana fa izay afafin’ny olona no jinjaina eto aminty tany fandalovana ty . Ary mbola Andriamanitra ihany ko no maka ny aina , koa satria efa tapitra ny fetrandro iainan’i bebe nadine de lasa izy . enga anie ka hanaraka azy any asany fa tsy de misy ilana azy ety ambonin’ny tany . Maty ve vo ramalala? amiko rehefa ratsy dia ratsy . ary tsy misy miady amampaty eto fa zao no fotoana hanehoan’ny olona ny heviny de mamoka ny ao ampo e!!!
    koa mahereza ry namana tia tanindrazana fa rehefa tsy mety hanarin’olona izy dia andriamanitra no manafay . ary tsy very maina akory ny fivavahana nentin’ny mpitondra fivavahana teto ireny fa nY OLOMBELONA TOKO HANGINA FA ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAZY  » Masina ny tanindrazana ary madagasikaranay tsy avelanay hoviravirainareo mpanongapanjakana .
    za tsy hiteny hoe mandria ampiadnana ianao ry nadine fa dia any ianao sy ny tranonao , ento any ny milliard be nao de vido losifera .
    Ho entinao ho aiza ny harena
    Sanatria tsy ho faty hanaraka anao
    Fa raha lasana any ianao
    Ka tsy hiverina intsony
    Tsy voavidinao vola ny ao ambony .
    Koa mahaiza misaina ny FAT mianakavy fa mbola ho avy ny anjaranareo tsirairay avy fa tsy misy dila ny fitsaran’Andriamanitra zany na dia iray ary .

  9. Marina ny voalazanao ry anti hat, fa izaho olaha dia tsy hiady hevitra amin’ilay hoe antso na sazin’Andriamanitra ê !
    Ohatra iray fotsiny. Raha nandroba tombin-dasantsy ireo andian-jiolahy, dia notifirina teo amin’ny lohany ilay pompiste iray na dia efa nanome izay vola tao anatin’ilay kitapo kely aza. Maty teo no eo ilay rangaha, ary valo mianadahy kely ny zanak’io olona io.
    Kamboty ray tsy sazoka ireto ankizy, satria lasa fanjakan’ny baroa ny tanindrazana. Tsy Andriamanitra no naniraka an’ilay jiolahy hamono, ary tsy izy no niantso an’ity rangaha mbola mamelon-janaka, izay roa taona ny kely indrindra ! Ny reniny zara raha manana fihidiram-bola !

  10. mlay mitsn refa mahay mray saina ôtrzao dôl refa mresaka sad ita mitsn maha samy hafa ny fisainana sy fahaizan’legalista @ foza!!! ny foza tsmahay afatsy ny mdedeaka otry ireny foza manangatanana lava ireny ravô anantonana!!! ny akanjonzareo orange fôna!!!na d foulard aza!!! refa mresaka d ny tenany ian no fantany d ze mbo fiainana kely tsitany ka mbo takany d ideafany!!!(aiza no tsy ho fatifaty fôna le foza vavy io ko mlingy²!!!), ny foza tsy mahay miaina fa voretra!!!mangalatra!!! mpanendrikendrika!!!mpandainga ôtry ny sefony ian(razouel)!!!ze ratsy rehetra d ry zareo dôl e!!!na ny maloto ar d ôtry ny tarean’izy menakavy dôl!!!(jereo fotsn tareanle oe zeneraly ravalombody e!!!) mila tsy havôka feo tsoun fa ôtry feno kk ny vavany fa telment voky maloto lôtra izy ka natavy tsfidn!!! za ry reto zao mbo miandry dray oe in ny tourn’le mpamosavy lehiben’foza ao @ fitsarana io???io ko mbol iaraha hahita eto ny fiafarany???

  11. Arakaraka ny hiandrasanao io Pams lazainao io no vao maika hamokirany eo!
    tsy hapatorian’iny eo ianao @ alina fa hataovy ry Rasoerina ! raha ny vola noraofiny
    tao @’io fitsarana io ve tsy ahavidy izany fahafatesana izany ???na dia ireny fitsarana vilana an’i dada ireny fotsiny
    aza dia efa ………..ampy e!
    Ehhhhhhhh! Mpiandry anie hono Rakirisy ry Rasoerina e! Mpiandry kisoa marina araky ny voalaza etsy @ Magro angamba!

  12. brrrr!!!!!mapataotsa sad mapmé B!!!mpiandry in ko???mpiandry kil eny tsaralalàna @ famelarana d mahazo S?? lol B!!! lamaody ao @ty fitondrana foza ty mitsn ity mialokaloka ao ambadiky ny fiva²hanzareo satanika ty!!! ry organes zan d tena mapalaelo dray mjer az fefa fatidrà @satana mitsn no efa nataony gamba!!!i pams ko kay zan efa anatiny???

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *